Yemenita Mpikatroka Mafàna Fo Mahazo Fandrahonana Ho Faty Ao Amin'ny Facebook

Yemeni activist Hani Al-Junid .. threatened on Facebook

Hani Al-Junid, Yemenita mpikatroka mafàna fo .. norahonana tao amin'ny Facebook…..

Nahazo fandrahonana ho faty tao amin'ny boaty famelàna hafatra ho azy tao amin'ny Facebook i Hani Al-Junid, Yemenita mpikatroka mafàna fo ara-politika manana ny lazany. Ilay mpikatroka, izay sady manao ny asan'ny mpanangom-baovao ho an'ny gazety tsy miankina ira ao an-toerana “Al-Sharae”, dia miteny fa olon-tsy fantatra no nanao ilay fandrahonana, izay tena raisiny am-po tokoa.

Ilay fandrahonana tamin'ny 21 Desambra dia nampitandrina hoe “akaiky ny farany” ho an'i Al-Junid. Fantatra amin'ny hafanam-pony ara-politka i Al-Jinid amin'ny fanoherany ny Jeneraly Ali Mohsen al-Ahmar, kaomandy ambonin'ny andiany voalohany amin'ny Vondron-tobin'ny Fiara Mifono vy nanafika ny Anjerimanontolon'i Sanaa sy ny famoriam-bahoaka tao Al-Arateet. Ny tena mbola manan-danja kokoa, dia fantatra izy amin'ireo karazana lahatsoratra [ar] miaty hanihany fandranitana, tsy miandany, sosialista fanaony.

Mivaky [ar] hoe ilay hafatra fandrahonana :

“نهايتك قريبة. وحياة امك ماتفلت. والله مانخليك الا تجس مشلول في البيت. ماتقدر ترفع ايد ولاتحرك رجل. كلام انتهى. رصاصة في العمود الفقري وانتهى امرك”

Akaiky ny fiafarànao. Tsy ho afa-bela amin'izany ianao. Anaovanay voady amin'Andriamanitra fa hataonay malemy tsy tafavoaka ny trano ianao ary tsy ho afaka hanetsika tongotra na tànana iray akory. Teboka. Bala iray monja amin'ny hazondamosinao dia vita ny aminao

A snapshot of the threatening message Hani received to his Facebook inbox.

Topimaso amin'ilay hafatra fandrahonana voarain'i Al-Junid tao amin'ny boaty fandraisany hafatra Facebook

Vantany vao nahazo ilay fandrahonana i Al-Junid, navoakany tao amin'ny rindriny FAcebook ny dikasarin'ilay izy. Nanoratra izy hoe:

“هذا الشخص ليس صديقي في الفيس بوك ولا اعرفه، ودخل فجئة يكلمني أنه بردان ويشتي خمر. أنا قلت له أن عليه التواصل مع علي محسن الأحمر، أو عبدالوهاب طواف كونهم المهربين الوحيدين لهذا الأمر، تحدثنا قليلا وعندما توقفت عن الحديث معه افصح عن الرسالة التي كلف بها وهي تهديدي أن نهايتي باتت قريبه.”

Tsy namako ity olona ity ary tsy fantatro velively. Nanomboka nandefa hafatra ho ahy izy nilaza hoe nangatsiaka ary nila divay. Niteny taminy aho fa tokony hifandray amin'i Ali Mohsen sy Abdelwahab Tawaf izy, satria izy ireo no hany mpamatsy divay an-tsokosoko. Fotoana elaela taty aoriana, nilaza izy fa akaiky ny farandroko”

Nilaza mandrakariva ilay mpikatroka fa tsy hampivarahontsana azy velively ny tetika fampanginana azy tahaka izany. Nanazava izy :

“بصراحة تصلني تهديدات بين وقت وآخر لكني لا اعيرها أي اهتمام، بس هذه المرة شعرت أن الأمر جدي، وأحب أن اقول لهذا المسخ أن تهديده لم يخيفني وانا مستعد للتضحية”

Tsy ihatsaràna velatsihy, maharay fandrahonana isak'izay mihetsika aho nandritry ny fotoana nisinisy ihany saingy tsy miraharaha velively azy ireny. Kanefa, tamin'ity indray mitoraka ity dia tsapako ho tsy vazivazy ilay izy. Ary tiako ny hilaza amin'ilay kaondrana io fa tsy hampahatahotra ahy ny fandrahonany ary efa vonona hanao sorona ny tenako aho

Raha toa ka nisitraka fahalalahana maneho hevitra ngeza be i Yemen taorian'ilay fitroarana tamin'ny 2011, dia nampafanafàna an'io fahalalahana vaovao vao azo io ny firongatry ny trangan-javatra fandrahonana sy herisetra atao amin'ny media mpampahalàla vaovao. Ny tranga mahazo an'i Al-Junid dia iray monja amin'ireo andianà famelezana sy fandrahonana voarain'ireo vondrona media hafa. Efa niharan'ny fanaovana herisetra ara-batana nataonà andian'olona tsy fantatra i Al-Junid taorian'ny nandaozany ny fihetsiketsehana iray tao amin'ny Anjerimanntolon'i Sanaa nitakiana ny fanajanonana ny fibodoan'ny tafika azy io tamin'ny Oktobra 2012

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.