Ratsy Vintana Ny Mariazin'ilay Rosiana Biraokraty Miliaridera

Alexey Navalny and his amazing netizen deductions. Images mixed by Kevin Rothrock.

Alexey Navalny sy ny fombafiheviny amin'ny maha-mpiserasera azy mahatalanjona. Navalny nosoritana hitovy tahaka an'i Sherlock Holmes, eo ankavia, sy i Maxim Liksutov, eo ankavanana. Sary nafangaron'i Kevin Rothrock.

Nahatonga adihevitra indray tamin'ny alalan'ny asany an-tserasera [ru], randra-tarihan-teny hamelezany an'i Maxim Liksutov [ru], izay mpanapitrisa lehiben'ny departemantan'ny fitaterana sy ny fifamoivozana ao Moskoa, ilay bilaogera mpitari-dalana amin'ny fanoherana ny kolikoly ao Rosia antsoina hoe Alexey Navalny. Navoakan'i Navalny ny fandraketana manondro ny fivarotan'i Liksutovs ho an'ny vadiny ny taratasim-mpampiasambolany hialany amin'ny fandrarana federaly manohitra ny fananana petrabola any ivelany. Nilaza ihany koa Navalny fa ny renivola sasantsasany an'i Liksutovs, tahaka ny Transgroup Invest AS, dia avy amin'ny orinasa manana tombontsoa eo amin'ny resaka fitaterana, izay miteraka adin-tombotsoa. Nandà ny filazana ho nanitsakitsaka ny lalàna i Liksutov, ary navoitrany fa efa nisaraka izy sy ny vadiny tamin'ny 26 Jiona 2013, filazana izay nohamafisin'ny biraon'ny Ben'ny Tanànan'i Moskoa amin'izao fotoana izao.

Namaly [ru] am-pihantsiana ireo fiampangan'i Navalny an'i Liksutov i Maxim Katz, olona to-tenin'ny fitaterana sady miasa fakan-kevitry ny tanànan'i Moskoa matetika. Ny mahavariana dia talen'ny fampielezan-kevitr'i Nalvany tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna tamin'ny fotoanan'ny mhintsan-dravina farany teo i Katz, izay nahazoan'ity lehilahy ity traikefa ho azy mirahalahy. Tamin'ny lahatsoratry ny LiveJournal nivoaka tamin'ny 16 Janoary 2014, nitsipaka izay rehetra fanoavany an'i  Liksutov i Katz, saingy nilaza koa izy fa mbola tsy resy lahatra amin'ireo nambaran'i Navalny. Tamin'ny fisisihany nilazany fa “fahadalana” ilay lalàna resahana, dia notsipahan'i Katz ny fisian'ireo fikafika maro isan-karazany mombamomba ireo taratasim-pampiasambolan'i Liksutovs .

Alexandre Vinokourov, mpandraharaha Rosiana hafa manankarembe sy tompon'ireo fampahalalam-baovao liberaly tahaka ny TV Rain, Slon.ru, ary ny gazetiboky Bolchoï Gorod, namerina ity fihetseham-po ity tao amin'ny ​​Twitter:

Tsoriko fa tsy hitako ny fahadisoana raha manana kaonty, petra-bola na trano any ivelany ireo biraokratintsika ireo. Ny olan'i Liksutov dia miaraka amin'ny adin-tombotsoa ihany. Ary misy olana koa ao amin'ny Douma, izay manaiky ireo lalàna ireo ka manery ny olona hisara-panambadiana.

Eo amin'ny resaka adin-tombotsoa (izay avoitran'i Navalny ihany koa, amin'izao fotoana izao, manoloana ny filazana fa misy fisaraha-panambadiana), dia niaiky i Katz fa vala mankany amin'ny fanesorana an'i Liksutov izany kolikoly izany, saingy nilaza kosa ny fitanana an-tsoratra fa tsy nanome vahana ny orinasany ho azy samirery hahazo fifampiraharahana mampiahiahy i Liksutov. Marina fa efa nametraka tolo-barotra [ru] iray tamin'ny sombin-drenivolany i Liksutov, ny Transmashholding, hamokarana fiarandalamby an-tanàna (tramway) hoan'ny tanànan'i Moskoa tamin'ny volana Desambra 2012 saingy lasan'ny mpanana renivola hafa izany.

Raha tompon'andraikitra tokoa tamin'ny famoahana am-baovao an'i Liksutov (izay mety hamarana ny ny fitarihany ny departemantan'ny fitaterana atsy ho atsy) tamin'ity herinandro ity i Navalny sy ny kaontiny LiveJournal, dia efa nikotrika tao anatin'ny volana vitsivitsy kosa ny olan'ilay miliaridera. Notondroin'ny mpanao gazety ho ny vehivavy manankarena indrindra ao Estonia, iorenan'ny Transgroup Invest AS, ny vadin'i Liksutov, Tatiana, tamin'ny faran'ny volana Septambra 2013. Niteraka fitodihana tany amin'ny famindram-pananan'amin'ireo mpivady ireo ny toe-draharaha, raha mbola tsy nisy nilaza fa efa nisara-panambadiana izy roa. Ny zavanisy, tamin'ny 30 Septambra 2013, dia nahatsikaritra tamin'ny lahatsoratra Facebook [ru] ny mpanadihady ara-politika rosiana Alexander Pozhalov fa ny fanambaràna nataon'ny Estoniana no nanosika ny mpanao gazety Rosiana hamakafaka fandrao nandika lalàna i Liksutov.

Hatramin'ity herinandro ity, tafiditra ao anatin'ny radara ny momba an'i Liksutov. Saingy fantatry ny tsirairay ao Rosia, fa izay trangan-kolikoly ataon'ny olona ambony amin'ny fanjakana tsy taterin'ny fampahalalam-baovao, dia efa vonona i Alexey Navalny hitatitra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.