Media Factory: Fandòdona (accélérateur) Ho An'ny Vaovao Ao Amerika Latina

Media Factory

Ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fiovàna misy ankehitriny izao, marobe ireo tolo-kevitra milaza amintsika ny fomba isan-karazany atao mba hanombohana media fanampariaham-baovao ao anatin'ity taonjato ity. Mikasika izay indrindra, mahita fomba fijery tahaka ny Media Factory izahay, “orinasa mpamokatra mediam-pifandraisana”, araka ny fanoloran-dry zareo ny mombamomba azy rahateo– amin'ny teny hafa, dia fandòdona iray ho an'ireo orinasa dizitaly vaovao, mifantoka fotsiny amin'ny famoronana fitaovana media ao Amerika Latina

Tahaka ny nazavainy ao amin'ny tranonkalan-dry zareo [es], ny “tambajotra ahitàna mpiahy sy mpampiasa vola ao amin-dry zareo” no mahatonga azy ireo ho afaka hiantsoroka andianà mpanao gazety, izay ampiasàn-dry zareo 75.000  dolara amerikana isaky ny tetikasa, ary andraisany 17% avy amin'izany. Eo ampiandohany dia manana lohahevitra manokana ireny media dizitaly ireny: 

Vamos a crear medios de comunicación digitales inicialmente enfocados en política y economía para luego crecer hacia otras temáticas, con ambición de convertirlos en plataformas digitales dominantes.

“Mamorona media dizitaly mifantoka amin'ny politika sy ny toekarena fotsiny aloha izahay ety ampiadohana fa aoriana kely dia hitombo mankany amin-javatra hafa, miaraka amin'ny tanjona hoe hamadika azy ireny ho lasa sehatra dizitaly tsy azo ialàna/filamatra

Hazavain'i Mariano Blejman, mpitantana ary mpiara-miombon'antoka ao amin'ny Media Factory sy Knight Fellow ao amin'ny ICFJ ireo dingana natao isaky ny tetikasa tsirairay nofinidy :

Vamos a elegir equipos de diversos países para que vengan a Buenos Aires por un periodo de cuatro meses y puedan crear los medios desde cero. La apuesta es a que en un período corto de tiempo los medios puedan crecer y generar audiencias reales y de tráfico y, con el conocimiento de los “lectores”, pasar a la monetización y las segundas rondas de inversión.

Hifidy tarika avy aminà firenen-tsamihafa izahay ho aty Buenos Aires mandritry ny efatra volana eo ary hamokatra fitaovana media fanapariaham-baovao miainga amin'ny tsy misy izy ireo. Ilokànay fa ao anatin'ny fe-potoana faran'izay kely dia kely dia afaka hitombo sy hahasarika olona ary fivezivezena be ireo fitaovana fanapariahana ireo, ary miaraka amin'ny fahalalàn'ny “mpamaky” azy ireo, ho azon-dry zareo atao ny mikisaka mankany amin'ny famadihana azy ho vola sy miditra amin'ny dingana faharoa amin'ny fampiasàm-bola

Ho fanombohana ity tetikasa ity hatomboka ao Buenos Aires ny Janoary 2014, ary mba hanatanterahana fomba vaovao hamatsiana ireo fitaovana fanapariaham-baovao, dia naka tarika ahitàna manampahaizana manokana hifanotrona aminy izy ireo, isan'ireny ny : Sasa Vucinic avy amin'ny IndieVoic.es, sehatra famatsambola avy eny ifotony, mifantoka amin'ny fikarohana làlana vaovao hamatsiana vola ny asa fanaovana gazety; James Breiner, mpianatra momba ny lasitra fandraharahana mifandray amin'ny ICFJ (International Center for Journalists) Foibe IRaisampirenena Ho An'ny Mpanao Gazety; Christopher Altcheck, Tale jeneralin'ny PolicyMic, fanapariaham-baovao iray mitodika amin'ireo andian-taranaka taty aorian'ny Aterineto; na Jim Frederick, tonian'ny famoahana ao amin'ny gazetiboky TIME ao amin'ny Time Inc.

Lahatsoratra avy amin'i Paula Gonzalo nivoaka voalohany tao amin'ny Periodismo Ciudadano [es]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.