SARIPIKA: Olona 20 000 Nafindra Toerana Noho Ny Fipoahan'ny Volokano Tao An-Tendrombohitra Sinabung Indonezia

Mount Sinabung erupted when a cloud of dust and heat to form an image of human skull. Photo by Abdullah Arief Siregar, Copyright @Demotix (1/9/2014)

Nipoaka ny Volokano tao amin'ny tendrombohitra Sinabung ka namoaka sarinà karandohan'olona ny rahon-davenona sy ny hafanana. Sary avy amin'i Abdullah Arief Siregar.  Copyright @Demotix (1/9/2014)

Nirefotra in-200 ny Volokano tao amin'ny Tendrombohitra Sinabung ao Avaratr'i Sumatra, ao Indonezia tamin'ny taon-dasa ary efa namindra toerana ireo mponina maherin'ny 20 000 sahady. Efa tsy nihetsika ilay volokano hatramin'ny taona 1600s.

Mitatitra izay fihetsehana Volokano (Afotroa) farany tao Sinabung ny Volcano Discovery:

The actively growing lava dome, being a mass of unstable, moderately viscous lava, frequently collapses in parts and produces hot bloack and ash avalanches (pyroclastic flows) that reached up to 4.5 km distance. According to the latest figures, the number of refugees from the 5-7 km exclusion zone has reached approx. 25,000.

Ny rihitr'afotroa mihabetsaka mivoaka eo amin'ny vavany dia vaingan-drihitr'afotroa miovaova habetsakana mitosaka, somary miraikidraikitra ka mahatonga fibosahan-davenona (torajofon-davenona miakatra matevina)sy bolongam-bato mamay izay mety mahatratra hatrany amin'ny 4,5 km ny fipitiny. Araka ny tarehimarika farany, tafakatra eo amin'ny 25000 eo ny isan'ireo mpialokaloka avy ao amin'ny faritra tsy azo hijanona ( 5-7 km) .

Manana Volokano mbola mety hipoaka maherin'ny 100 i Indonezia izay miorina ao amin'ny Tomandavan'afon'i Pasifika. Saingy mihevitra i Carl fa fipoahana antonontonony ihany no ataon'i Sinabung:

The magmatic system under Sinabung does not in any way contain enough magma for a supereruption.

Since so little is known about this volcano it is probably a good idea to look at the surrounding volcanoes to get an idea of what might be in store. Just a few kilometers away is the double volcano system of Mount Sibayak/Mount Pinto, and that might give a good clue at what might be in store.

Tsy betsaka hahatonga fipoahana goavana ny firafitry ny magma ambanin'i Sinabung.

Raha mbola kely loatra no fantatra mikasika ity volokano ity, dia mety ho hevitra tsara ny mijery ireo volokano manodidina mba hahafantarana izay mety voatahiry ao anatiny. Kilometatra vitsivitsy monja miala avy eo dia efa misy ny rafitra volokano roa ao amin'ny tendrombohitra Sibayak / Tendrombohitra Pinto, ary mety hanome hevitra tsara izay mety ho ao anatiny.

Ireo manampahefana no nanome baiko ny famindrana olona ary nampanantena an'ireo mponina voakasika fa ho alefa haingana hoan'ireo mpialokaloka vonjimaika ny fanampiana. Saingy ankoatra ny fifindra-toeran'ireo mponina, nisy fiantraikany ratsy dia ratsy tamin'ny fambolena ao amin'ny faritra ihany koa ny fipoahan'ny Volokano (Afotroa) Sinabung.

Naneho firasainkina tamin'ireo izay niharan'ny fipoahana i Utami Irawari:

Fahatsiarovana sy vavaka hoan'ireo mponina manodidina an'i Sinabung. Matanjaha, ary hivavaka aho mba hihatsara ny toe-draharaha atsy ho atsy: “(

Mampiseho ny Tendrombohitra Sinabung mamoaka lavenona sy rihitr'afotroa ao ivelany ireto sary eto ambany avy amin'i Demotix ireto.

Mount Sinabung ejected lava and hot clouds over Berastepu and Bakerah villages. Photo by by Abdullah Arief Siregar, Copyright @Demotix (1/5/2014)

Tendrombohitra Sinagung namoaka rihitr'afotroa sy rahona matevina manerana ny tanàna Berastepu sy Bakerah. Sary avy amin'i Abdullah Arief Siregar, Copyright @Demotix (1/5/2014)

Farmers harvest tomatoes covered in a thick layer of ash from the eruption of Mt. Sinabung. Photo by Ahmad Ridwan Nasution, Copyright @Demotix (1/6/2014)

Mpamboly mioty voatabia rakotry ny lavenona matevina tamin'ny fipoahan'ny volokano tao amin'ny Tendrombohitra Sinabung. Sary avy amin'i Ahmad Ridwan Nasution, Copyright @Demotix (1/6/2014)

The eruption of Mount Sinabung on November 24, 2013 ejected ash in the air with a height of about 10,000km. Photo by Abdullah Arief Siregar, Copyright @Demotix (11/24/2013)

Ny fipoahan'ny volokano Sinabung tamin'ny 24 Novambra 2013, namoaka lavenona teny amin'ny rivotra ary manana haavo eo amin'ny 10 000 m eo. Sary avy amin'i Abdullah Arief Siregar, Copyright @Demotix (11/24/2013)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.