Diferencial CAC: Hacklab Ao Quito, Ekoatera

Ambientes del Centro de Arte Contemporáneo donde funciona Diferencial. Quito, Ecuador.

Foiben'ny Zavakanto Ankehitriny misy ny Diferencial ao Quito

 Fanamarihana: Mankany amin'ny pejy miteny Espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy fanamarihana hafa manokana.

Saintsaino hoe tahala iray sady hackerspace [fr], no toerana hoan'ny coworking (fiaraha-miasa) [fr], no mpandrisika ny tetikasa momba ny zavakanto sy ny kolontsaina nomerika no fampitan-kevitra amin'ny fiaraha-miasa sy ny teknolojia isan-karazany. Antsoina hoe Diferencial CAC izany sehatra izany.

Afaka nihaona tamin'i Juan Carlos León, mpanangana ny Diferencial aho tamin'ny volana mey 2013 hahafantatra bebe kokoa momba ity tetikasa ity. Natsangana tamin'ny taona 2011, tao amin'ny Foiben'ny Zavakanto Ankehitriny ao Quito ity tetikasa ity amin'izao fotoana izao, ary tsy mitsaha-mivoatra.

Nanazava ny bilaogy niandohan'ny tetikasa fa ny Diferencial Media Hub (anarany tany amboalohany) dia:

…independent, non-profit space, dedicated to the connection, promotion and production of projects that favor the development of a digital culture by means of productive dialogue and creative learning about art, technology and culture.

.., sehatra tsy miankina tsy natao hitadiavan-tombombarotra, natokana amin'ny fifaneraserana, fampiroboroboana ary famokarana tetikasa mirona ho amin'ny fampandrosoana ny kolontsaina nomerika amin'ny alalan'ny fifampiresahana mamokatra sy fianarana vaovao momba ny zavakanto, ny teknolojia ary ny kolontsaina.

Nampian-dry koa hoe:

El Diferencial Hub Medial tiene como objetivo principal la circulación, investigación, archivación, y presentación de prácticas y productos culturales vinculados al desarrollo tecnológico en la sociedad contemporánea. Se enfoca en la práctica colaborativa y aspira a la creación de redes de socialidad con otros espacios y proyectos afines en la región.

Ny tanjona voalohan'ny Diferencial Media Hub dia ny fivezivezena, fanadihadiana, fandraketana an-tahiry ary ny fampahafantarana ireo fanao sy vokatra ara-kolotsaina izay mifandraika amin'ny fandrosoan'ny teknolojia ao anatin'ny fiarahamonina ankehitriny. Hifantohana ny fomba fiaraha-miasa sy fananganana fifandraisana miaraka amin'ireo sehatra sy tetikasa hafa ao amin'ny faritra mitovy tanjona aminy.

Nanomboka teo, nahitàna fiovana maromaro ny tetikasa, anisan'izany ny fifindra-toerana avy tao an-tanànan'i Guayaquil nankany Quito renivohitra, sy ny fitomboan'ny taham-pandraisana anjara mikasika ny fampandrosoana ireo hevitra teknolojika, miampy ny fahavitrihan'ny vahoaka. Ity ambany ity ny nolazain'i Juan Carlos mikasika ny lalana nodiavin'ny Diferencial:

Na dia eo aza ireo fiovana ireo, dia mitahiry ny hevitra nananganana azy hatrany am-boalohany ny tetikasa, ary manaja ireo hevitra teo taloha, mora roritina izy ka afa-miroborobo ny hevi-baovao. Ny tanjony amin'izao fotoana izao dia:

  • Potenciar y consolidar alianzas a partir de redes de trabajo que permitan el intercambio a nivel local, regional y mundial con instituciones públicas y privadas que mantenga interés en el desarrollo de programas de formación que contemplen el uso creativo, la producción y difusión de proyectos que democraticen el acceso a las tecnologías y a las ciencias informáticas.
  • Generar un grupo de usuarios: artistas, programadores y emprendedores en general que compartan conocimientos y estén aptos para el desarrollo de proyectos interdisciplinarios.
  • Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny alalan'ny vondron'asa ahazoana mifanakalo eo anivon'ny faritra, firenena ary ny iraisam-pirenena miaraka amin'ny fikambanana miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana liana amin'ny fampivelarana laminasam-pampianarana ka mankasitraka ny famokarana, fampielezana ary fananganana zava-baovao ahafahan'ny daholobe miditra amin'ny siansan'ny teknolojia sy ny fahalalam-baovao.
            
  • Fananganana vondrona mpikirakira ahitana mpanakanto, mpandaminasa sy mpandraharaha mba hizara ny fahaizan'izy ireo sy hampandroso ireo tetikasan-taranja maro miaraka.

Amin'ity lahatsary manaraka ity, mampiseho anay ny toerana nampiasaina hampiantranoana ny famakiam-boky Diferencial CAC sy ny fijoroan'ny coworking ao i Juan Carlos.

Araka ny efa nohazavain'i Juan Carlos, Ny Foiben'ny Zavakanto Ankehitriny (CAC) ao Quito no mampiantrano sady manohana ny Diferecial CAC amin'izao fotoana izao, ary ny ny Diferencial CAC indray avy eo no manome sehatra hoan'ireo fisantaran'andraikitra hafa. Ohatra iray amin'izany ny onjam-peo antserasera BOOM BAP HC. Nihaona tamin'iray tamin'ireo mpikarakara aho nandritra ny fitsidihako ny Diferencial CAC ka afaka niresaka taminy mikasika ny tetikasa.

 

Misy ny fifanohanana eo amin'ny Foiben'ny Zavakanto Ankehitriny sy ny Diferencial CAC, miara-miasa amin'ireo hetsika isan-karazany ao amin'ny CAC ary mandray anjara amin'ireo tetikasan'ny vondrona ny Diferencial. Nampiseho ahy ireo toerana ampiasaina amin'ny atrikasa sy ireo hackathons i Juan Carlos ary niresaka tamiko mikasika ireo tetikasany hafa amin'ity taona ity. Niresaka tamiko tantara mahafinaritra maneho fahalalahan-tsain'ny tetikasa ihany koa izy.

Nanatontosa hetsika mahaliana isan-karazany ny Diferencial tamin'ity taona [2013] ity, ny tena miavaka dia ny Seminera (fampiofanana) momba ny Rindrambaiko malalaka niarahana tamin'i Richard Stallman, eo koa ny hackathon hampiroboroboana ny manodidina ny tanànan'i San Juan, ny Platforme Futugrama, tapatapak'ahitra miresaka ireo tetikasa hoavy sy ny fanohanany ary firotsahany an-dalambe niaraka tamin'ny SlutWalk, ary ny atrikasa, fiarahamiasa sy hetsika hafa isan-karazany.

Raha te-hahare bebe kokoa azy ireo ianao amin'ity 2014 ity, dia afa-manaraka azy ireo ao amin'ny Facebook.

Juan Carlos León, Director de Diferencial CAC. Quito, Ecuador.

Juan Carlos León, Talen'ny Diferencial CAC. Quito, Ekoatera.

Lahatsoratra mitovy aminy:

Spaces: The Escuelab Community in Lima

Nalefa tao amin'ny bilaogy Globalizado ny niavian”ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.