Nosamborina Fa Nilaza Ny Filoha Zambiana Michael Sata Ho ‘Vomanga Malemy’

Raha niantso ny filoha Michael Sata ho vomanga malemy [mamy na mangahazo na ovy ihany koa] tao amin'ny radiom-piarahamonina kely any ambanivohitr'i Zambia ny pretra katolika lasa mpanao politika ny mompera Frank Bwalya, dia mety ho tsy nanana eritreritra kory fa ho lasa fiteny malaza manerantany tao anatin'ny ora vitsivitsy monja izany ka halain'ny famoaham-baovao lehibe iraisampirenena ny tantara.

Nipoitra tao amin'ny Radio Mano any Kasama, mihoatra ny arivo kilometatra avaratry ny renivohitra Lusaka i Fr. Bwalya, izay mitarika ny antoko politika mpanohitra Alliance for Better Zambia [Fiarahana ho amin'ny Zambia Tsara kokoa], ka tamin'izany no nilazany ny filoha ho mivilana tahaka ny vomanga mamy tsy azo ahitsy, izay fomba fiteny mahazatra amin'ny fiteny ao an-toerana, Bemba. Nanakorontana ny studio ny Polisy na dia mbola tsy vita akory aza ny tafatafa ary nidaroka azy. Nosamborina izy taty aoriana ary nampangaina ho manivaiva filoham-panjakana.

A picture combo mocking the evolution of President Sata from

tamba-tsary maneso ny fivoaran'ny filoha Sata niainga tamin'ny “Mpanjaka Cobra” ka tonga any amin'ny “vomanga mamy malemy” nivoaka ao amin'ny Facebook.

Nandrombaka ny tantara ny Huffington Post, Yahoo ary ny seha-baovao maro tsy noho ny nisamborana ilay pretra fa noho ny antony nisamborana azy—nampitaha ny filoham-panjakana tamin'ny vomanga [na mangahazo na ovy] malemy [mamy] .

Tsy very ny kivazivazy tamin'ny nosoratan'ny mpisera Twitter iray niaraka tamin'ny resadresaka noforomporonina teo amin'ny Filoha Sata sy ny mpiandraikitra ny firesahana amin'ny famoaham-baovao George Chellah:

Miraondraona ny raharaham-bomanga [na mangahazo na ovy] ao Zambia: Hoy Chellah tamin'ny filoha Sata: [arahaba] Maraina sefo. Ny vaovao tsara dia lazain'ny gazety manerana izao tontolo izao ianao…

Milaza ny alahelony amin'ny antony nampalaza iraisampirenena an'i Zambia ny mpisera hafa:

mampalahelo moa fa dia resaka… toy izao no zavatra tokana manaitra ny gazety iraisampirenena momba an'i Zambia!

Filoham-paritry ny fikambanana mpandray andraikitra an-tanana Kairos Society antsoina hoe Erasmus Mweene nanoratra hoe taiza no nandrenesany voalohany ny tantara:

Tao amin'ny Feon'i Rosia androany no nandrenesako voalohany ny tantaran'ny ‘mangahazo’ [na vomanga na ovy]… mahakivy.

Business consultant Trevor Simumba told of where he saw the story from:

Mamaky amin'ny toerana rehetra eto San Francisco ihany koa aho! Raha tsy nosamborina izy dia tsy nisy naheo izay momba an'i Frank Bwalya akory

Nitatitra momba ny mangahazo lasa malaza haingana manerana izao tontolo izao ny tranonkalam-baovao Zambia Reports:

The story of the arrest of Father Frank Bwalya for calling President Michael Sata a potato has gone viral on a number of news websites including the Independent of UK, Yahoo, Metro UK, Yahoo, BBC and Al-Jazeera.

Several other websites in South Africa and the United States of America including the traditional Zambian websites have carried the article. The internet was also agog with various images of sweet [potatoes]

Nalaza vetivety tamin'ny tranonkalam-baovao maro ny tantara nisamborana ny mompera Frank Bwalya milaza ny filoha Michael Sata ho mangahazo [na vomanga na ovy] ka anisan'izany ny Independent ao Angletera, Yahoo, Metro UK, Yahoo, BBC ary ny Al-Jazeera.

Maro ny tranonkala hafa any Afrika Atsimo sy Etazonia ary tafiditra amin'izany ihany koa ny tranonkala Zambiana mahazatra no namoaka ny lahatsoratra. Feno karazana mangahazo malemy ihany koa ny aterineto.  

Voatsonga tao amin'ny Al Jazeera i Fr. Bwalya ho niteny toy izao izay navoakan'ny Zambia Reports indray:

On that radio program, I strongly criticized the bad leadership of the president. I called him a crooked sweet potato that cannot be straightened. It is a commonly used phrase which is not insulting. It is to explain the attitude of a person who doesn’t want to be advised who doesn’t want to be counselled.

Tao amin'izany fandaharana amin'ny radio izany aho nitsikera mafy ny haratsian'ny fomba fitondran'ny filoha. Nilaza azy ho mangahazo mamy malemy tsy mety ahitsy [na vomanga na ovy] aho. Fomba fiteny mahazatra izay tsy manompa izany. Izany no fomba hanazavana ny fihetsik'olona iray tsy mila toroina hevitra

Tsy vahiny amin'ny fanelingelenana ataon'ny polisy i Bwalya izay mpitari-dalana tamin'ny fanentanana “Karatra mena” talohan'ny fifidianana 2011 izay nidika fikasana handaka ho any ivelany ny antoko mitondra tamin'izany fotoana izany (Hetsika ho amin'ny Demokrasian'ny Antoko Maro) tsy hitantana ny firenena ka niandany tamin'ny Mandatehezana Tia Tanindrazana an'ny filoha Sata.

Taoriana kely nananganana ny governemanta PF, dia notondroina ho Filoha Mpitantana ny orinasa mpamokatra herinaratra Zambia Electricity Supply Corporation i Bwalya, izay naka fotoana sabatika amin'ny maha-mpitondra fivavahana azy, saingy niala tamin'ny toerana nanendrena azy tao anatin'ny herintaona ka nanangana ny antoko politika Alliance for Better Zambia [Fiarahana ho amin'ny Zambia Tsara kokoa].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.