Tsy Mandray Zazavavy Ilay Sekolim-panjakana Vaovaon'ny Tontolo An-Habakabaka Ao Japana

Photo taken at Jaxa Space Center in Tsukuba by Phil Knall (CC BY-NC)

Sary nalain'i Phil Knall  tao amin'ny Foiben'ny Fikarohana an'Habakabaka Jaxa, ao Tsukuba (CC BY-NC)

Miomana handray mpianatra avy ao Japana, noho ny fiarahamiasa amin'ny Sampam-pitrandrahana an'Habakabaka ao Japana (JAXA), ny sekolim-panjakana vaovao momba ny fizikankintana (astrophysique) mijoro ao amin'ny saikanosy farany atsimo ao amin'ny prefektioran'i Kagoshima.

Miorina 20 kilometatra avy ao amin'ny Foibe fikarohana an'Habakabaka Uchinoura, ny sekoly, hampianatra ankizy manomboka kolejy ka hatramin'ny faran'ny lisea ny sekoly manomboka amin'ny volana aprily 2015. Sekolim-panjakana voalohany handray mpianatra hanao kilasimandry izy ity.

Noraisin'ireo mpiserasera ho zavatra tsara ity vaovao ity. Naneho hevitra am-pientanentanana ilay mpisera Twitter sady mpianatra, ririri:

Sekoly mampianatra ny “Haitontolo (Fikarohana An'habakabaka), mahafinaritra izany. Toa mampientanentana. Mino fa hanampy an'i Japana ho voalohan-daharana amin'ny vanim-potoanan'ny habakabaka ity sekoly ity.

Mpiserasera sasany nahita fa misy ifandraisany amin'ilay sarimiaina mitohy manga antsoina hoe Twin Spica, tantara foronina mikasika ireo vondro-mpianatry ny lisea Japoney miofana ho lasa mpanamory na mpandeha sambondanitra ny sekoly. Ao amin'ny sarimiaina, miditra ao amin'ny Akademian'ny Habakabaka ao Tokyo ilay mpilalao fototra Asumi Kamogawa, vehivavy mpianatra::

TwinSpica

Sary amin'ny Rakitsary voalohany amin'ilay sarimiaina manga, Twin Spica, mampiseho ilay mpilalao fototra Asumi Kamogawa (Sary tao amin'ny Wikipedia, ©mediafactory)

Mampatsiahy ahy an'ilay sarimiaina Twin Spica izany.

Toa maro ireo olona mitovy eritreritra amiko mikasika ny Twin Spica. 

Na dia izany aza, misy ny fahasamihafana goavana eo amin'ilay sekolin'ny sarimiaina noforonina sy ilay sekolim-panjakana vaovao: Natokana hoan'ny zatovolahy irery ihany ity farany ity (sekoly vaovao). 

Mpisera Twitter APICa nanontany tena tamim-pahadisoam-panantenana: 

Toa tena romantika ilay sekoly, saingy nahoana no natokana ho an'ny lehilahy ihany izany kanefa manana vehivavy mpanamory sambondanitra isika, ary misy ireo sekoly ambaratonga faharoa manokana hafa manana trano hoan'ny kilasimandrin-jazalahy sy zazavavy iray sekoly?

Hatena nanamarika hisongadina [ja] ny mpisera Unimmo nilaza ny heviny [ja] wtamin'ahiahy raha niniana hanavakavaka ny vehivavy ny sekoly:

女性は宇宙にふさわしくないとでも?

Milaza ve ianao fa tsy natao ho an'ny vehivavy ny habakabaka?

Nanontany i Yuki raha tsy dia noho ny resaka miralenta loatra no nahatonga ny fanapahan-kevitra fa noho ny toekarena kokoa:

Mampalahelo raha tsy misy mpiantsambondanitra vehivavy ao. Angamba natokana ho an'ny zazalahy ihany noho ny halafony?

Tsy niteraka adihevitra an-tserasera, na izany aza, ilay vaovao, na dia maro aza no naneho ny fahadisoam-panantenany tamin'ny famerana. Na dia eo aza ny fepetran'ny ho an'ny zazalahy ihany, dia mbola hahasarika ny mpiserasera tia ny habakabaka ihany ity sekoly tokana ity.

Ny lahatsoratra miaraka amin'ny lohateniny dia nisy fanitsain'i L.Finch

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.