Endrik'ireo Olona Niharan'ny Tsunami Tamin'ny Taona 2004 Tany Amin'ny Ranomasimbe Indiana

the three-dimensional terrain of Google Earth, and the testimony of the victim who survived the tsunami disaster, a photo that is collected from immediately after the disaster.

Dikasary tao amin'ny Tetikasa Fandraketana ny Tsunami tao Aceh. Azon'ireo mpampiasa Google Earth ijerena ny tany amin'ny rirany telo miaraka amin'ny tantaran'ireo olona sisa velona tamin'ny tsunami ary koa ireo saripika voahangona avy hatrany taorian'ny loza ny pejin'ny tetikasa.

[Mifitondra mankany amin'ny tranonkala amin'ny fiteny japoney ny rohy rehetra, raha tsy misy fanamarihana manokana]

Andianà mpanao fikarohana avy ao Japana, miara-miasa amin'ny Ivontoerana Fikarohana sy Fanangonam-baovao Momba ny Tsunami sy ny Loza Voajanahary ao amin'ny Oniversiten'i Syiah Kuala any Indonezia no nampiasa ny Google Maps mba hamoahana ny tahiry nomerikan'ireo tantara sy sary marobe an'ireo olona any amin'ny faritanin'i Aceh any Indonezia, iray amin'ireo faritra tena niharan'ny horohorontany sy tsunami-n'ny ranomasimbe Indiana, nandravarava mafy indrindra tamin'ny taona 2004 [fr].

Novokarin‘ireo profesora telo Hidenori Watanave, Hiroyuki Yamamoto, ary Yoshimi Nishi, sy ny mpianatr'izy ireo, ny Tetikasa Fandraketana ny Tsunami tao Aceh, mba hitahirizana ara-nomerika ireo tantaran'ny faharavana naterak'i Aceh  sy ny asa fanarenana ho amin'ny ho avy tsaratsara kokoa

Nizara ny fanantenany i Hiroyuki Yamamoto fa misy zavatra izay azon'ny tsirairay hianarana avy amin'io fizotran'ny fanarenana taorian'ny voina io:

被災から復興への過程は人類共通の財産です。その過程そのものが他の被災地域にとっても大変参考になる資料ですし、被災地域以外にとっても教育・防災で参考になる点が多くあります。この点で、復興に向けて町が変化すること自体が記録すべきものだと考えます。モニュメントとして一部の象徴的な爪跡などを残す動きはありますが、復興の過程で被災の面影が全く感じられなくなるほど変化するエリアもあります。私たちが継続的に定点調査し、日々の変化を記録しているアチェ津波モバイル博物館のデータをもとに、一般の人に使いやすくデザインされたアチェ津波アーカイブにより、被災地の内と外が繋がり、アチェの経験が人類共通の財産となることを期待します。

Misy tombontsoa ho an'ny manan'aina rehetra ny fizotry ny fanarenana ny fahavoazana. Hatao ohatra izay tena ilaina amin'ireo faritra maro hafa voadona, ary koa ilaina mikasika ny fanabeazana ireo faritra tsy voakasiky ny voina ho amin'ny fisorohana ny loza. Mikasika io tranga io, mieritreritra izahay fa tokony ho voarakitra ireo fiovàna misy eo amin'ny faritra mankany amin'ny fanarenana. Na dia misy aza hetsika atao mba hitehirizana ireo faharavàna ho toy ny rakitra, niharan'ny fiovàna goavana ireo faritra sasany nandritra ny asa fanarenana izay tsy ahafahana mahita taratra intsony ny fahavoazana. Nanao fikarohana mikasika ireo faritra ara-dalàna miaraka tamin'ireo angon-drakitra fototra avy amin'ny Tranombakoky Mitety Vohitry ny Tsunami tao Aceh aho. Antenaiko fa hanampy amin'ny fampifandraisana ireo olona ao anaty sy ivelan'ny faritra voakasika ny fanelanelanana nataonay, ary koa hozaraina ho toy ny fananana iombonan'ny manan'aina rehetra ny zava-niainana tao Aceh.

Afaka misafidy izay fampahafantarana tiany hiseho eo amin'ny sarintany ireo mpampiasa, toy ny tantara, ireo sary ary ireo firenena nanampy. Rehefa manindry ireo faritra boribory misy ny sarin'ireo olona, afaka mamaky ny tantaran'ireo indoneziana sy japoney niharan-doza  ireo mpampiasa. Narafitra sy navoakan'i Badan ARSIP Provinsi Nanggroe Aceh Darussalam ireo tantaran'ny olona sisa velona ireo tany amboalohany, sampana iray an'ny tranombokin'ireo Arsivam-pirenen'i Indonezia ao Aceh, ary hampanarahana ny toetrandro ato anatin'ny fotoana tsy ho ela satria betsaka ny lahatsoratra no voadika ho amin'ny fiteny japoney.

Screenshot of Aceh Tsunami Archive

Dikasin'ny Tahiry Momba ny Tsunami tao Aceh maneho ny tantaran'i Intan Mayasari, olona sisa velona tamin'ny loza izay vetivety dia tsy nisy ny trano intsony taorian'ilay horohorontany.

Setrin'ilay efa navoakan'ny East Japan Earthquake Archive [ja] ny Tetikasa Fandraketana ny Tsunami tao Aceh, araka izany izy roa ireo dia samy mametraka fampahafantarana azo jerena eo aminà bolabolan-tany natsofok ao amin'ny Google Map.

Nanoratra i Hidenori Watanave, izay niasa tamin'ny andianà tetikasa fandraketana amin'ny fomba dizitaly, anisan'izany ireo rakitra lnoloazaina tetsy aloha ka hatramin'ny Tuvalu Visualization Project [en], Nagasaki [atomic bomb] ArchiveHiroshima Archive ary ny Peace Learning Archive in Okinawa, hoe:

現地の学生たちは、口を揃えて「津波の記憶が薄れつつある」と話していました。このことには、日本とインドネシアの国民性の違いもあらわれているかも知れません。しかし学生たちは、未来に記憶をつなぐ研究活動を精力的に続けています。また、被災遺構である発電船や、打ち上げられた船の周りに集って遊ぶ子どもたちなど、津波の記憶が「日常」のなかに定着しつつある例も見受けられました。こうしたバンダアチェの被災状況、そして現状を知ることは、日本の将来を考える手がかりとなるかも知れません。

Niray feo ireo mpianatra tao amin'ny faritanin'i Aceh nanambàra fa miha-levona ireo fahatsiarovana ny tsunami. Zavatra hafa io ho an'ireo japoney niharam-boina, izay azo itarafana ireo toetra maha-samihafa ny firenena tsirairay avy. Saingy, miasa mafy ireo mpianatra ireo mba ho voatahiry ho an'ny hoavy ny zavatra niainan'izy ireo. Hitanay koa ireo ankizy milalao manodidina ny sambo mbola anatin'ny tanjany sy ny sambo rendrika, izay sisa navelan'ny tsunami. Ireo sary ireo ohatra dia fahatsiarovana tavela tamin'ny tsunami izay hitoetra amin'ny fiainana andavan'andro, ary amin'ny fahafantarana ny vokatra sy izay navelan'ny loza dia mety ho singa hanome fanampiana hahafahantsika mandinika momba izay ho avin'i Japana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.