Nisafoaka Noho Ny Fitsidihana An'i Assad-n'i Syria Ireo Mpomba Ny WikiLeaks

Wikileaks Party

Antoko Wikileaks
Sary: Courtesy Takver (Flickr CC BY-SA 2.0)

Maro ireo mpomba ny WikiLeaks no tsy nanampò raha nihaona tamin'ny filohan'i Syria Bachar al-Assad ireo mpikambana ao amin'ny Antoko Wikileaks tamin'ny volana Desambra.

Ahitàna ny filohan'ny antoko, John Shipton, rain'ny mpanorina ny Antoko, Julian Assange, miaraka amin'ireo solontenan'ny vondron'ny mpandresy lahatra (lobbying) ao Sydney, Hands off Syria (Avoahy ny tanana), ireo solontena vitsy Aostraliana nankany Syria. Nitatitra ilay mpanao gazety Chris Ray, izay tao an'efitra nanaovana ny fivoriana naharitra 45 minitra fa “mitsipaka ny fanohanan'ny miaramila vahiny ireo mpikomy Syriana” ny roa tonta ary mandroso vahaolana ara-politika hamahana ny krizy.”

Avy hatrany ny sehatra Wikileaks dia nihataka tamin'izany fisantaran'andraikitra izany tao amin'ny Twitter.

Hevitra tsara ny mitady filaminana, saingy natao tsy am-piheverena ny fivoriana an-karihary. Tsy nahafantatra na mankatò.

Nanameloka ny fivoriana ny ankamaroan'ireo antoko politika Aostralianina. Tamin'ny valinteny somary mahavariana, nandrahona hitory ny Praiministra Tony Abbot sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Julie Bishop noho ny fanalàm-baraka i Shipton, noho ny tsikera nataon'izy ireo tao amin'ny gazety nasionaly mikasika ny fitsidihana tany Syria. Notaterin'ny Australian Broadcasting Corporation ho niteny toy izao i Bishop,

It's an extraordinarily reckless thing for an organisation registered as a political party in Australia to try and insert itself in the appalling conflict in Syria for their own political ends.

Fahadisoana andraikitra goavana avy amin'ny fikambanana misoratra anarana ho antoko politika ao Aostralia no miezaka sy misisika anaty ady mampivarahontsana ao Syria noho ny tanjona politikan”izy ireo manokana

Raha vao nivoaka tao amin'ny Aterineto ny vaovao momba ny fivoriana, nazava fa tsy dia nahalala zavatra firy momba ny antoko nitsidika an'i Syria ireo mpomban'ny habaky ny fangaraharana WikiLeaks. Natsangana tamin'ny 2013 ho fanohanana ny filatsahan'i Julian Assange hofidiana tao amin'ny Antenimieran-doholona Aostraliana ny antoko WikiLeaks, na dia misaraka ara-dalàna amin'ny habaka aza. Nandritra ny fifidianana federaly tamin'ny Septambra, nitarika vondrona kandidà hofidiana loholona tao New South Wales i Assange, miaraka amin'ireo mpikambana sasantsany ao amin'ny Antoko Wikileaks mijoro any amin'ny fanjakana hafa. Montsana tanteraka tamin'ny fifidianana i Assange sy ny antokony, nahazo vato latsaky ny 1,0% tamin'ny fifidianana loholona.

Nandritra ny fampielezan-kevitra, miaraka amin'ny endriny mipetaka eo amin'ny ambasady Ekoateriana ao Londra, niharitra fivakisana goavana teo amin'ireo mpikambana ny antoko. Nametra-pialàna ny kandidà iray sy ny mpikambana hafa tao amin'ny antoko hiaraka amin'ireo antoko noho ny filazana fironan-tsafidy mankany amin'ny antokon'ny ankavanana . Habaka ara-teknolojia Aostraliana Delimiter naneho hevitra hoe:

Is the party purely a vehicle for WikiLeaks founder Julian Assange to get elected to the Federal Senate, and thus c? Or is it a legitimate new political movement in Australia, which will achieve legitimacy beyond Assange personally?

Fitaovan'ilay mpanorina ny Wikileaks Julian Assange hahavoafidy azy Antenimieran-doholona federaly fotsiny ve ny antoko? Sa hetsika politika vaovao ara-dalàna ao Aostralia, izay hahatratra ny maha-ara-dalàna  azy mihoatra an'i Assange manokana?

Angamba ny fandehanana tany Syria dia fiezahana hanitarana ny mombamomba ny antoko politika. Araka ny nampidirina farany tao amin'ny Wikipedia hoan'ny Antoko Wikileaks :

Shipton subsequently stated that the meeting with al-Assad was “just a matter of good manners”, and that the delegation had also met with members of the Syrian opposition.

Nilaza avy eo i Shipton fa “resaka fahalalam-pomba” fotsiny ny fivoriana niaraka tamin'i Assad, ary nihaona tamin'ireo mpikambana avy ao amin'ny mpanohitra Syriana ihany koa ny delegasionina.

Na dia nilaza aza i John Shipton sy ny Wikipedia fa nihaona tamin'ny mpanohitra Syriana ny delegasiona, dia mbola tsy vonona ny antsipirahan'ny fihaonana. Tsy nilaza izany fihaonana izany tao amin'ny lahatsorany ilay mpanao gazety Chris Ray nanara-dia tany . Tamin'ny famaliana ny sioka voalohany nalefan'ny Wikileaks, nisioka ny Filankevi-pirenen'ny Antoko Wikileaks, Kellie Tranter fa tsy nahafantatra mialoha mikasika ny fivoriana ihany koa izy.

Nitarika fanontaniana maro mikasika ny hoavin'ny antoko izany:

Mbola mijoro tsara ve ny maha-mpikambana anao ao amin'ny antoko Wikileaks sy ny firotsahana hofidiana amin'ny fifidianana amin'ny anaran'ny antoko taorian'ny dia tany Syria?

Mpaneho hevitra malaza ao Afovoany-Atsinanana, Antony Loewenstein, naneho ny fahadisoam-panantenany tamin'ny antoko, izay notohanany:

Nihaona tamin'i Assa-n'i Syria ny Antoko Wikileaks ary tsy mahafantatra ny zava-misy ao amin'ny firenena. Andro voalohan'ny taona 2014 izany ary …

Nahazo fijery mifanohitra marobe ny sioka sy ny rohy niaraka taminy. Nanazava bebe kokoa mikasika ny ahiahiny tao amin'ny bilaoginy i Loewenstein :

As a Wikileaks supporter since 2006, right from the beginning (and I remain a public backer of the organisation), it’s tragic to see the Wikileaks Party in Australia, after a disastrous 2013 election campaign, descend into political grandstanding.

Amin'ny maha-mpanohana ny Wikileaks ahy hatramin'ny 2006, hatramin'ny fiandohany (ary mitoetra ho mpanohana avy amin'ny vahoaka io fikambanana aho), mampalahelo ny mahita ny Antoko Wikileaks ao Aostralia, taorian'ny fampielezan-kevi-pifidianana nandamoka tanteraka tamin'ny 2013, midina any amin'ny adilahy politika.

Lasa iadian-kevitra ny Forum Mpanohana ny Wikileaks. Navitrika dia navitrika tamin'ny fandraisana anjara ilay mpanao gazety Jess Hill. Niha-nafàna ny resaka :

 Fijery tokana manohitra an'i Assad = fanambarana diso mikasika ny toe-java-sarotra mandringotra ireo antoko maherisetra maro

Ankoatra izany, mikendry ireo hopitaly sy sekoly, mampijaly/managadra ny maro i Assad. Mitsipaka fa fahadalàna izany

Tokony horaisina ho toy ny fampitandremana hoan'ny tontolon'ny twitter ity sioka ity:

Raha mihevitra ianao fa afaka manombana na mitsara ny fijerin'ny hafa avy amin'ny sioka vitsivitsy, dia badobado ianao.

Fanontaniana marobe no miandry an'i Doubtless, Shipton ary ireo mpikambana hafa ao amin'ny delegasiona rehefa tafaverina aty Aostralia izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.