Rosiana Natao Andevon'ny Filàna Ara-Nofo, Namono Tena Tao Astrakhan

Galia Borisenko before her disappearance and suicide. Text reads, "Not the last victim..." alluding to rumors that North Caucasians operate a sex slave ring in downtown Astrakhan. (Image circulated anonymously online.)

Galia Borisenko talohan'ny nanjavonany sy namonoany tena. Mivaky toy izao ny soratra, “Tsy mbola ho ny farany amin'izay idiran'andro…” kisarinteny amin'ilay honohono milaza fa mitantana toerana fanandevozana ara-nofo ao afovoan-tanànan'i Astrakhan ireo teratany avy any Kaokazy Avaratra. (sary mivezivezy ao anaty aterineto, tsy misy anaran'ny tompony.)

Nanjavona tany amin'ny tapaky ny Jolay tamin'ny taona lasa i Galia Borisenko teny an-dàlany handeha hizaha mpitsabo. Bevohoka telo volana izay tamin'izay, 23 taona, ary andro iray taorian'ny mariaziny io. Tsy nisy nahita an'i Borisenko indray raha tsy ny 1 Janoary 2014, rehfa nipoitra tampoka tao an-tranon'ny renibeny izy, nahia kaozatra, tsy nitondra zaza, sy  verivery saina, ary nilaza fa enim-bolana no niadiany aman'aina tamin'ny naha-andevon'ny filàna ara-nofo azy, nafatotra taminà fitaovana fanafanàna tao anaty lakavin'ny tranon'olon-tsotra iray. Nambaran'i Borisenko fa avy amin'ny faritra Kaokazy avaratr'i Rosia ireo lehilahy naka an-keriny azy, ary ny tatitra sasany [ru] dia manondro “Dagestani iray 50 taona” tsy fantatra anarana ho tompon'ilay trano lazainy fa nihazonana azy.

Nolazain'ny Polisy [ru] tamin'ny gazety Komsomolskaia Pravda fa nanimba ny fahasalamana ara-tsain'i Borisenko ny nampiasàna zava-mahadomelina taminy. ( Izay indrindra, tsy nahavita nitondra azy ireo tany amin'ilay toerana nambarany fa nihazonana azy izy, na dia nanaraka azy tany amin'ireo toerana samihafa noahiahiana aza ireo mpanadihady.) Araka ny tenin'i Borisenko, noteren'io naka azy an-keriny izy hitsindrona zava-mahadomelina hitazonana azy tsy ho afa-manoatra.

Ny hita ho tena hadisoana goavana dia ny tsy nandraisan'ny fianakavian'i Borisenko hitondra azy tany amin'ny toera-pitsaboana, taorian'ny niverenany nody. Taorian'izay, tao anatin'ny alin'ny 5 Janoary, nisafidy ny fahafatesana i Galia Borisenko raha nitsoraka avy eny amin'ny rihana faha-dimy tamin'ilay trano nonenany. Tsy mbola mazava na efa nanana raharahanà rarin-tsaina izy tany aloha na vory saina tsara nanapa-kevitra ny hamono tena. Tsy namela hafatra izy.

Lasa ivon-dresaka mafàna mikasika ny fakàna an-keriny ao Astrakhan ny fanjavonan'i Borisenko, ary ankehitriny ny famonoany tena nataony, izay anakianan'ny maro ao an-toerana ireo mpifindra monina avy any Kaokazy Avaratra. Noraisin'ireo vondrona tahaka ny “Nationalist Socialist Initiative”-  sy ny “Movement Against Illegal Immigration” – Hetsika Manohitra Ny Fifindramonina Tsy Ara-dalàna – ilay tantara, tamin'ny fitanisàny ny fanjavonan'i Borisenko ho toy ny ohatra farany indrindra tamin'ireo heloka bevava atao amin'ireo Rosiana fotsy, sy ny fandàvan'ireo manampahefana tsy hiloa-bava. (Manana rà Tatar sy Okrainiana i Borisenko).

Toa sahàla amin'ny vao mainka nanamafy ny fifanenjanan'ny samy foko aza no nataon'ireo mpanadihady Astrakhan  tamin'ilay fanambaràna an-gazety [ru] tamin'ny 6 Janoary, tamin'ny fandavàny ny filazàn'i Borisenko hoe nalaina an-keriny izy. Milaza ireo mpanadihady ankehitriny fa hoe manana vavolombelona ry zareo ary sary avy amin'ireo kamerà fanaraha-maso manamarina fa niriaria an-kalalahana teny an'araben'i Astrakhan izy nandritra ny fotoana nolazainy fa nitànana azy an-keriny. Tsy nisy fanomezana antsipirihany, manazava ilay fanambaràna an-gazety fa vokatry ny  “trangam-piainana teo amin'ny fiainany manokana” ny fanjavonan'i Borisenko tanaty fotoana lavabe, izay midika hoe mety nandositra ny fianakaviany noho ny tahotra izy na nandeha nitady zava-mahadomelina/fanafody.

Tamin'ahiahy tanteraka no nandraisan'ireo bilaogera Astrakhan ny dika avy amin'ny fanambaràna momba ilay tranga avy amin'ny Kaomity Mpanadihady. Araka ny ambaran'ilay mpikatroka mafàna fo ao an-toerana Alexandr Alymov, niantso azy ny [ru] sasany tamin'ireo manampahefana tao an-tanàna, ora vitsy monja taorian'ny namoahany am-bilaogy voalohany ny raharaha momba ny fakàna an-keriny sy ny famonoana tena nataon'i Borisenko, nitaky taminy ny hanesorana ilay tantàra tsy ho ao amin'ny LiveJournal. Nanesoeso an'i Aleksandr Zhilkin, governoran'i Astrakhan ireo bilaogera hafa, tamin'ny antso nataony ho an'ny olom-pirenena tsy handranitra fifankahalàn'ny samy foko. “Aleo tohizantsika ny fampiharantsika ny fandeferana, ry mpiray tanindrazana isany,” Tamin'ny fomba mampihomehy no nanoratan’ [ru] i Andrei Egorov, mpampiasa LiveJournal, tamin'ny 6 Janoary, talohan'ny nanolorany rohy iray mankany amin'ilay fanambaràna an-gazety nataon'ireo mpanadihady sy nanampiany hoe, “Ity ny dika feno fandeferana navoakan'ny Kaomity Mpanadihady [sento kely]. Izaho manokana, tsy mino an'io.”

Ny “National Socialist Initiative / NSI” (vondrona iray avy amin'ny elatra havanana, raha toa tsy azonao an-saina) dia miteny fa ny fandàvan'ny polisy hanaiky ny tantaran'i Borisenko dia ampahany aminà fironana midadasika be [ru] hanarontsarona ireo heloka bevava ataon'ireo Kaokaziana Tavaratra amin'ny Rosiana.  Ho an'ny NSI, mazàna ny fampihàrana ny lalàna Rosiana no “manatsiny ireo niharan-doza” mba hanafenana ireo vaovao momba ny heloka bevava nataon'ireo vondrom-poko vitsy an'isa sasantsasany. Ambaran'ny NSI fa tafiditra amin'ny fanasoketana ireo Rosiana isam-batan'olona sy ny vondrom-piarahamonina Rosiana manontolo, izay iharan-doza noho ny ataon'ireo Kaokaziana Tavaratra, ny polisy sy ny mpanao gazety, efa fotoana ela hatrany amin'ny fifandonan'ireo foko tamin'ny 2007 tao Kondopoga.

Mazava loatra, ny tsirairay tsy misy mahita ny zava-doza nahazo an'i Borisenko ho toy ny fikotrehan-javatra mikendry hamoritra ny fotsy. hren_morjov, mpampiasa LiveJournal sady mponina ao Astrakhan dia niezaka namadibadika ny fehinkevitr'ireo mpanadihady hoe tsy nisy fakàna an-keriny nitranga izany velively. Sarihany ny saina ho amin'ireo tsy fitohizan-javatra marobe [ru] ao anatin'ny tantaran'i Borisenko. Ohatra, nahoana no any amin'ny tranon-drenibeny tany Rastopulovka izy no nipoitra,  “ilay lava-b…in'izao tontolo izao” (vohitra iray mivoaka lavitra an'i Astrakhan), fa tsy nandeha nody tany an-tranon-dray sy reniny ary ny vadiny (izay ora roa monja avy eo afovoan-tanàna)? Hitan'i hren_morjov ho hafahafa ihany koa ny nisafidianan'ny fianakavian'i Borisenko tsy hitondra azy tany amin'ny toeram-pitsaboana taorian'ny niheverana azy ho niaritra fampandraisana zava-mahadomelina, daroka sy tsy fahampian-tsakafo. “Raha vady na ray sy reny salama saina,” hoy izy, “dia mety nitondra ny vadiny na ny zanaka vavin'izy ireo ho any amin'ny toeram-pitsaboana, ary niandry teo ivelan'ny varavarana mandra-pahavitan'ny fitiliana ny zavatra rehetra.”

Vao haingana mihitsy tamin'ny fararano tamin'ny taona lasa, ny Kaomity Mpanadihady ao  Astrakhan dia nampitandrina mikasika ny famoahana tantara mampihoron-koditra ety anaty aterineto mikasika ireo Kaokaziana Tavaratra mpaka an-keriny. Tanaty tatitra an-gazety [ru] nivoaka ny 3 Aogositra 2013, nampitandrina mihitsy aza ireo mpanao fanadihadiana  ny amin'ny fampifandrohizana ny fanjavonan'i Borisenko amin'ny fisianà faribolana miafina mpanandevo amin'ny resaka filàna ara-nofo. Tamin'ny fotoanany, ireo honohono dia natorak'ireo mpanadihady ho any amin'ny resaka “ankizivavy tsy manana vaovao marim-pototra,” izay  “mamorona korontana” ao anatin'ny dingana iezahana hampitandrina ireo vehivavy ao Astrakhan mikasika ny fisian'ny olon-doza avy any atsimo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.