Espaina : Sary Sy Tantara 10 Mamintina Ny Taona 2013

1. Voaheloka ny Printsesa  Cristina de Borbón

Princess Cristina. Image from Diego Armario's blog.

Printsesa Cristina. Sary avy amin'ny bilaogin'i Diego Armario.

Nampanantsoin'ny mpitsara ho any amin'ny fitsarana mba hohadihadiana  momba ilay raharaha Palma Arena ny Printsesa Cristina tamin'ny volana Aprily. Tamim-pahagagana sy tsy finoana no nanarahan'ny vahoaka Espaniola akaiky ilay fiampangana voalohany ny fianakavian'ny mpanjaka aminà vesatra mikasika ny kolikoly. Teraka noho ny fanesorana  haingana ny fiampangana ny Printsesa ny tsy finoan'izy ireo. Ny tenan'ny mpampanoa lalàna miady amin'ny kolikoly mihitsy, i Pedro Horrach, amim-panesoana, no mpisolovava tsara indrindra niaro an'i Cristina de Borbón [es]. Nandoto tsy misy fanafany ny fianakavian'ny mpanjaka efa miha-manalavitra hatrany ny vahoaka ilay raharaha, ny vahoaka izay mahatsikaritra akaiky fa poak'aty ilay fanambarana nataon'ny Mpanjaka tamin'ny Noely farany teo hoe : ” mitovy ny lalàna ho an'ny olona rehetra”.

2. Ny fahasimban'i ‘Prestige’, tsy misy meloka

Chapapote

Solika mainty mitopa eo amoron-dranomasin'i Galice. Sary avy amin'ny  Wikimedia Commons ary lisansa CC  avy amin'ny SA 3.0

Vita fotsiny tamin'izao tsy misy voaheloka taorian'ny folo taona nanaovana fanadihadiana sy sivy volana nanaovana fitsarana ny faharendrehan'ilay sambo mpitondra solika Prestige sy ny fahaverezan'ny solika nentiny tany amin'ny sisintanin'i Galice izay niteraka ilay loza ekolojika ratsy indrindra tsy mbola fahita tany Espaina sy niteraka ilay fihetseham-bahoaka iray isan'ny lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena. Tsy tonga nanoloana ny hazomeloka akory ilay mpanao politika voarohirohy tamin'ilay raharaha, izay voatsikera mafy ny fanapahan-keviny. Voatery nandoa ilay faktioranà 4.328 tapitrisa euro izay tomban'ny faharavana ny vahoaka espaniola- mandrak'izao. 

3.Nofoanana ny Foto-kevitra Parot

vista.general

Fahitana ny Plaza Colón any Madrid fenon'ireo mpanao fihetsiketsehana nokarakarain'ny Fikambanan'ireo Niharan'ny Fampihorohoroana. Sary nakarin'i Isabel Durán tao amin'ny Twitter (@IsabelDuran_).

Ny 21 Oktobra no namoahan'ny Fitsaràna Eoropeana momba ny Zon'olombelona any Strasbourg ny didy farany momba ilay antsoina hoe ” foto-kevitra Parot ” izay milaza fa tsy azo ampiharina amin'ny sazy tany aloha ny fampitomboana ny sazy any am-ponja. Nisy fiantraikany avy hatrany tamin'ny famoahana ireo mpampihorohoro maro avy ao amin'ny ETA sy ireo mpanao heloka bevava atahorana io didy io, izay niteraka fanehoankevitra mivaivay tao amin'ny tambajotra sosialy, na izany ho fanohanana , na ho fanoherana ny Fitsarana Eoropeana. Nikarakara diabem-panoherana ny Fikambanan'ireo Niharan'ny Fampihorohoroana (AVT) ny faha 27-n'ny volana Oktobra. 

4. Ny Lalàna ho fiarovana ny mponina

antiprotesta

Ireo mpikatroka ao amin'ny Greenpeace mamelatra sora-baventy avy eny an-tampon'ny trano avo ao amin'ny Plaza de España any Madrid. Sary nakarin'i  @thomsh1 tao amin'ny Twitter.

Tamin'ny faran'ny volana Novambra teo no nivoaka ilay lalàna vaovao ho fiarovana ny mponina izay efa heverin'ny governemanta hankatoavina. Io lalàna io dia mamerina  manakilasy heloka madinika sasantsasany ho toy ny fandikan-dalàna nanaovana heloka bevava, mamela ny governemanta hanasazy avy hatrany ireo olom-pirenena tsy ilàna akory ny fitondràna azy ireny hiatrika fitsaràna, araka izany dia fisorohana dingana iray izay matetika no manapa-kevitra manomerariy an'ilay voaheloka. Raha ohatra ka ankatoavina io lalàna io dia voasazy handoa onitra hatramin'ny 600.000 euros ireo izay manatrika hetsi-panoherana tsy nahazoana alàlana, ary onitra 30.000 euro kosa ho an'ireo izay ‘manivaiva’ an'i Espaina. Antoko sy fikambanana mpisolovava maro no mametra-panontaniana ny amin'ny maha-araka ny lalàm-panorenana io lalàna vaovao io.

5. Ny hetsi-panoherana “escrache”

escraches1

Hetsi-panoherana “escrache” nataon'ny PAH tao Zaragoza  . Sary avy amin'ny Bilaogin'i El ventano.

Nitarika ny hetsiky ny “escraches” [karazana hetsi-pikomiana mivantana ] izay ikendrena ny mpanao politika , ny banky ary ny foiben'ireo antoko ny Vondron'ireo Olona Niharan'ny Antoka (PAH) tamin'ny volana Martsa sy Aprily raha toa ka mbola nodinihina tao amin'ny Parlemanta ilay lalàna momba ny antoka. Tezitra mafy tamin'ny nitsikeran'ny mpanao politika avy ao amin'ny PP sy ireo mpamoaka vaovao mitovy fisainana aminy, izay tonga hatrany amin'ny fiampangana azy ho “nazis” sy “mpomba ny ETA” ireo “escraches”. Fa na izany na tsy izany dia nomen'ny parlemanta Eoropeana ny lokan'ny mponina Eoropeana 2013 ny PAH tamin'ny volana Jona 2013. 

6. Wert, mifanandrina amin'izao tontolo izao

Ministro.Wert1

Ny minisitry ny fampianarana Espaniola, i  José Ignacio Wert. Sary avy amin'ny bilaogin'ny Cinereverso.org.

ZZZZZZEo am-pametrahana fanentanana faran'izay ratsy hanaovana fampihenana ny tetibolan'ny fampianarana izay tsy mbola hita teo amin'ny firenena mihitsy ny Minisitry ny fampianarana. Fa vitany ihany koa ny nampahatezerana ny vahoaka rehetra miaraka amin'ny teny fanevany izay nanjary zavatra iray nahazatra tao amin'ny tambajotra sosialy. Tamin'ny volana Oktobra efa teo amoron'ny tsy firaharahiana intsony ireo mpianatra an-jatony “nihitsoka” tany Eoropa izy fony nampidininy ambany be ny vatsim-pianarana Erasmus, fa fotoana fohy taorian'izay dia nambaran'ny Kaomisiona Eoropeana ny tsy fitokisana azy intsony araka ny nilazan'ny mpitondra tenin'ny fanabeazana avy ao aminy fa “zava-poana” ireo fanambaràna nataon'i Wert izay nilazany fa hidina ambany be ny vola omen'ny CE ho vatsim-pianarana Erasmus ho an'i Espaina amin'ny 2014. 

7. Ny Zo ho adinoina

Online privacy

Antontan'isan'ny UE momba ny fiainana manokana ety anaty aterineto. Sary avy amin'ny tranonkalan'ny Parlemanta Eoropeana, fampiasàna nahazoana alàlana. Loharano: European Parliament.

Nentin'i Espaina ho tsaraina tao amin'ny Lapan'ny Fitsaran'ny Firaisambe Eoropeana ny Google mba hiarovany ny zo ho adinoina, izay manome safidy ny vahoaka Eoropeana mba hangataka hoe : aoka ho azo vonoina ao amin'ny aterineto izay rehetra mikasika olona iray ka tsy tiany ho hitan'ny olon-drehetra ny mikasika azy. Mifandona matetika amin'ny zo hanana fiainana manokana ny zo ho hahazo vaovao, ka nahatonga fifanoherana eo amin'ireo mpanohana ny zo hahazo vaovao sy ireo mpanohana ny fiainana manokan'olon-tsotra. Farany anefa dia nomba ny google ny fitsarana.

8.Ny fandrosoan'ny hery farany havanana 

la-extrema-derecha.01

Hetsi-panoheran'ny farany hery havanana any Espaina. Sary avy amin'ny bilaogin'i Xavier Casals.

Arakaraky ny hanatonan'ny fifidianana Parlemanta Eoropeana no hitebiteben'ireo Eoropeana maro fa hitranga indray ny hery farany havanana sy ireo antoko politika, izay manararaotra ny krizy ara-toe-karena mba hanaovana kabary miezinezina mamabo fo sy mankahala mpiavy. Nofoanana ny vondrona Grika Golden Dawn taorian'ny fahafatesan'ilay lehilahy tanora izay heverina fa nataon'ny mpikambana tao aminy ihany, nefa any amin'ireo firenena Eoropeana sasany dia tonga amin'ny haavom-pahefana tsy mbola fahita hatrizay ny hery farany havanana hatramin'ny Ady Lehibe Faharoa. Aty Espaina, manamarina mandrakariva ny fihetsik'ireo mpikambana ao aminy ny Antokon'ny Vahoaka isaky ny porofoin'ny haino aman-jery fa  mifandray amin'ny hery farany an-kavanana ry zareo.

9. Eurovegas

Protesta en contra del proyecto Eurovegas. Foto tomada por Valentin Sama-Rojo. Derechos de autor: Demotix.

Hetsika manohitra ny tetikasa Eurovegast. Sary nalain'i Valentin Sama-Rojo, tamin'ny 26 Janoary 2013. Fizakàmanana: Demotix.

Tonga any Madrid toy ny hitondra fanàfana ny tetikasa vaovao Eurovegas, izay mampanantena fa hamorona asa maherin'ny 300.000 ao amin'ny firenena izay misy tsy an'asa maherin'ny 5 tapitrisa. Fa efa nanomboka naneno sahady ny kiririoka fanairana : Las Vegas Sands, orinasan'i Sheldon Adelson, mpanao maritranon'ilay tetikasa, dia nangataka alàlana maromaro tsy hanaraka ny sasany amin'ny lalàna mifehy ny asa, ny hetra, eny hatramin'ny fahasalamam-bahoaka aza, ary nanandrana namorona tsy fanarahan-dalàna madinidinika tao amin'ny tanin'ny Espaniola. Na dia te-hanaiky sahady ireo fanirian'ny LVS aza ireo mpanao politika sasany, ny fiarovana ny fampiasam-bola tian'i Adelson apetraka sy ny vinavina tsy dia mankaiza loatra nataon'ny sampan-draharaha mpandinika dia nampiato sy nampitsahatra tanteraka ilay tetikasa tamin'ny Desambra.

10. « Kafe “con leche” iray kaopy ho fialan-tsasatra»

Nangataka ny firotsahany hofidiana hampiantrano ny Lalao Olaimpika 2020 i Madrid. Mba hanohanana ny firotsahan'ny tanàna dia solontena matanjaka – maherin'ny olona 200- no nankany Buenos Aires tamin'ny Septambra. Na izany aza anefa dia nolavina tamin'ny fihodinana voalohany ilay fangatahana, ary nahatonga fipoaham-pihomehezana nanerana ny firenena sy namela teny ho tsaroan'ny taranaka amam-para hoe : ” kafe con leche iray kaopy ao amin'ny Plaza Mayor” ny teny Anglisy mibadabadan'i Ana Botella, ben'ny tanànan'i Madrid sy ny kabariny nanana endrika toy tantara an-tsehatra dieny mbola tany amin'ny fihodinana voalohany.

http://www.youtube.com/watch?v=aT0BqONBgNsAna Botella's speech to the IOC. Lahatsary nampakarina ao amin'ny YouTube nataon'i  BEGO DANGER

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.