Tsy Azo Atao Intsony Ny Manao Hetsi-panoherana Sy Famoriam-bahoaka ao Kambodza

Civilians wearing red arm bands joined the police in dispersing the crowd gathered inside the Phnom Penh Freedom Park. Photo from Licadho.

Nanatevin-daharana ny polisy ireo sivily manao fehin-tsandry mena tamin'ny fanaparitahana ny olona nitangorona tao amin'ny Kianjan'ny Fahafahana ao Phnom Penh. Sary avy amin'i Licadho.

Taorian'ny fanaparitahana an-kerisetra ireo mpiasan'ny fanenoman-damba nitokona, noraràn'ny governemanta Kambodziana tsy hikarakara famoriam-bahoaka ao Phnom Penh, renivohim-pirenena intsony ny mpanohitra politika. Voarara hatramin'ny fitangoronan'ny olona roa eny an-dalambe ihany koa.

Olona efatra no namoy ny ainy omaly ary am-polony ireo naratra taorian'ny fitifiran'ny polisy ireo mpiasan'ny fanenoman-damba izay nitaky karama farany ambany ho 160 dolara Amerikana isam-bolana. 80 dolara isam-bolana amin'izao fotoana izao no raisin'ireo mpiasan'ny fanenoman-damba.

Nahazo ny fanohanan'ny Antokon'ny mpanohitra, Fanavotam-Pirenena ao Kambodza ireo mpiasa, antoko nampanantena hampitombo ny karaman'izy ireo raha tonga eo amin'ny fahefana izy ireo. Manatontosa fihetsiketsehana isan'andro ao amin'ny Kianjan'ny Fahafahana Phnom Penh, fantatra koa amin'ny anarana hoe  Kianjan'ny Demokrasia ny mpanohitra mba hanery ny fihonganan'ny governemantan'ny Praiminisitra Hun Sen, izay voampanga ho nanodikodina ny valim-pifidianana tamin'ity taona ity. Tsy nandray anjara tamin'ny fivorian'ny antenimiera ny mpanohitra na dia manana toerana 55 ao aza.

Nahavita nahangona olona an'aliny teny an-dalambe ny mpanohitra nanomboka tamin'ny volana Desambra. Fihetsiketseham-panoherana ny governemanta goavana indrindra tao Kambodza tao anatin'izay taona vitsy izay.

Noravain'ny herim-pamoretan'ny governemanta an-keriny ny tobim-pihetsiketsehana androany [tamin'ny andro nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy]. Nilaza ny governemantam-paritra fa nofoanana ny fanomezan-dalana ny mpanohitra hanao fihetsiketsehana noho ny antony ara-piarovana.

Licadho, vondrona mpiaro ny zon'olombelona namariparitra ny fomba nanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny Sahan'ny Fahafahana:

The violence began at around 11.00 this morning when hundreds of police and military police blocked roads surrounding Freedom Park and rapidly and without warning moved in to clear the park of protesters. As they approached, the residing protesters, many of whom were monks or women with their children fled in fear leaving behind their belongings. The forces were accompanied by hundreds of thuggish civilians wearing red arm bands who used metre-long steel poles to beat and intimidate the peaceful protesters

Nanomboka androany maraina tamin'ny 11 ora ny herisetra raha nanao sakàn-dalana manodidina ny Sahan'ny Fahafahana ireo polisy sy miaramila an-jatony ary haingana dia haingana sady tsy nandefa fihetsika fampitandremana hanaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny toby. Raha vao nanatona izy ireo, dia nandositra tamin-tahotra sy namela ny entana teny aminy ireo mpanao fihetsiketsehana ambiny teo izay moanina sy vehivavy miaraka amin'ny zanany no ankamaroany. Niaraka tamin'ireo sivily karazana jiolahimboto mitondra fehin-tsandry mena ireo mpitandro ny filaminana, ary mampiasa kobay manana halavana iray metatra sy mampitahotra ireo mpanao fihetsiketsehana milamina izy ireo.

Vao avy nilaza tamiko ireo jiolahimboto miaraka amin'ny kibay vy fa “mitsangatsangana izy ireo mba hanao fanazara-tena kely”

Kambodza, fanalan'andro ankafizin'ireo jiolahimboto sy ireo polisy

Nampian’ i Ruom ny tatitr'i Licadho mikasika ny fisafoana teny an-dalambe nataon'ireo polisy manam-pahefana niaraka tamin'ireo sivily jiolahimboto mitondra fehin-tsandry mena:

On January 4th, seemingly intent on preventing any further protest, police surrounded Freedom Park, the major rallying point for the Cambodian National Rescue Party – the main opposition party. Uniformed officers and plain clothed citizens, armed with wooden rods and pieces of rebar, forced CNRP supporters – largely comprised of rural seniors – out of the park. For the next hour they destroyed the tents and stage that had been host to rallies since October

Tamin'ny 4 janoary, fikasana miharihary hanakana izay fihetsiketsehana hafa, nohodidinin'ny polisy ny Sahan'ny Fahafahana, toerana voalohany ambohi-pihaonanan'ny famoriam-bahoaka ataon'ny Antokon'ny Fanavotam-Pirenena Kambodziana, antokon'ny mpanohitra matanjaka indrindra. Noteren'ireo polisy manao fanamiana sy olom-pirenena nitafy sivily, nitondra fitaovam-piadiana tahaka ny langilangy sy karazam-piarovana hivoaka ny Saha ireo mpomba ny PSNC, izay olona efa antitra avy any ambanivolo ny ankamaroan'izy ireo. Noravan'izy ireo avy eo ireo trano lay sy lampihazo nampiasaina nandritra ny famoriam-bahoaka nanomboka tamin'ny volana Oktobra

Manamarina ny famoretana ny fihetsiketsehana tamin'ny fomba feno herisetra izay baiko avy amin'ny governemanta androany ihany koa ireo vaovao tao amin'ny twitter:

Mangingina aty amin'izao fotoana izao. Tsy dia misy olona mihitsy eny an-dalana ankoatra ny motodop azo isaina amin'ny rantsan-tanana. Fiaraben'ny mpitandro ny filaminana reraka jerena no mitari-dalana.

Fifandonana madinidinika nandritra ny tontolo andro tao amin'ny manodidina an'i Wat Phnom, ahitana polisy sy tafika — mingonongonona manaloka ny arabe ireo angidimby

Noroahidroahina sy nodarohana ireo mpanohitra politika rehetra. Didy fampisamborana hoan'ireo mpitarika. Voaràra ny fitangoronan'ny olona mahery ny roa ankehitriny

Hery bontana nampiasaina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana milamina nodarohana tsy misy antra, anisan'izany ireo moanina.

Na dia ireo mpanao gazety aza dia notafihan'ireo jiolahimboto teny an-dalana ihany koa:

Tsy tadidiko ny endriny, saingy mpaka sary iray izay toa nitondra fahazoan-dalana amin'ny maha-mpanao gazety no notafihan'ireo mpanara-dian'ny mpitandro ny filaminan'ny governemanta.

Tezitra noho ireo zava-nitranga ny Ou Virak ao amin'ny Foibe Kambodziana miaro ny Zon'olombelona ary nampitandrina manoloana izay herisetra mbola ho ataon'ny fanjakana:

…the time for free speech is over. The events that have taken place over the past several days are a major step backwards for Cambodia in terms of democracy and human rights.

…efa tsy fotoanan'ny fanehoan-kevitra malalaka intsony izao. Dingana goavana mampihemotra an'i Kambodja eo amin'ny sehatry ny demaokrasia sy ny zon'olombelona ireo zava-nitranga tao anatin'izay andro vitsy izay.

Nanambara ny antokon'ny mpanohitra PSNC, fa hahemotra ny famoriam-bahoaka kasaina atao amin'ny Alahady noho ny fanenjehana niseho ary noampangaina ny famoretan'ny governemanta, anisan'izany ny famoahana didy fampisamborana hoan'ireo mpitarika ao amin’ [ny mpanohitra].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.