LAHATSARY: Ny Nofinao Dia Nofin'ny Antoko Kaominista Shinoa

Avy hatrany taorian'ny fahombiazan'ny lahatsarin-dry zareo “Ahoana no haha-mpitarika ambony?” ampitahàny ireo Shinoa mpitondra ambony amin'ireo mpampianatra Kungfu, nampakatra lahatsary iray hafa “Antoko Kaominista Shinoa miara-dàlana aminao” ny ekipa mpamokatra “Road to Revival“, ao amin'ilay tranonkala media sosialy lehibe “youku”

Toy ny dokambarotra maharitra telo minitra ho an'ny Antoko Kaominista Shinoa (CCP) ilay lahatsary, ezaka iray hitrandrahana ny hery malefaka amin'ny alalan'ilay lahatsary. Toy ilay lahatsary voalohany, ity iray ity koa dia miresaka mikasika ireo fanantenan'ny vahoaka Shinoa:

Fampidirana fohy momba an'i Shina maoderina no anombohan'izy io, ary avy eo mitohy amin'ny fanehoana ireo vahoaka Shinoa tsotra miresaka mikasika izay mba fanirian-dry zareo :

Tiako mba ho bebe kokoa ny fisotroan-dronono, maniry lanitra manga sy rano madio aho. Maniry tontolo tsy misy ady aho.

Any amin'ny farany, manindry ilay lahatsary fa ireo nofinofin'ny vahoaka tsotra dia tanjon'ny Antoko Kaominista Shinoa ihany koa. Ilay lahatsary misy fitantaràna amin'ny teny Anglisy dia milaza fa :

A screenshot of the video from youtube

Dikasary iray avy amin'ilay lahatsary “Miara-dàlana aminao” avy ao amin'ny “youku”

Eny am-pihazakazahana manenjika ny nofintsika, mifanao havia havanana isika, mifampizara ny soa sy ny ratsy, mihoatra lavitra ny fahasamihafàna ary miaraka mandrafitra ny hoavy, miara-dàlana aminao ny Antoko Kaominista eto Shina

Miara-tonga ireo lahatsary roa ireo satria ny Filoha Xi Jinping manisy tsindrim-peo amin'ny lanjan'ny hery malefaka misonga ananan'i Shina sy ny fampifandraisana amin'ny olon-tsotra, isan'izany ireo vaovao vao haingana mikasika azy nihinana mofokely taminà toaram-pisakafoana iray ho an'ny daholobe.

Toy ny mahomby ity fomba fanao ity, ary marobe ireo mpisera anaty aterineto no nankamamy ilay lahatsary, satria heverin-dry zareo fa fanombohana tsara ny hoe ny governemanta mahatsapa ny lanjan'ny fikolokoloana ny sariny izany. Mpisera iray “huyong210nanoratra hoe :

绝对国际范儿的中共对外形象片!话说中共就该这么对外推广下,让老外看看当下的中共在干什么想什么为什么,别老以为中共就是原来的苏共!

Dokambarotra tena manana lenta iraisampirenena mikasika ny CCP! Tokony ho ny CCP tenany ihany no hankalaza ny momba azy ivelan'i Shina, amin'izay ireo vahiny dia hahafantatra ny zavatra ataon-dry zareo sy heveriny ary ny antony anaovan-dry zareo izany, fa tsy hoe hanohy hihevitra ny CCP ho toy ny antoko kaominista fony andron'ny firaisana Sovietika foana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.