[Mankany amin'ny pejy amin'ny fiteny Espaniôla daholo ny rohy rehetra, raha tsy misy fanamarihana.]
Ny marainan'ny 26 Desambra 2013, nanao bemidina tao an-tranon'i Fernando Villavicencio nitondra didy avy amin'ny fitsaràna navoakan'ny Lehiben'ny Fampanoavana ireo olona sangany ao amin'ny polisy ao Ekoatora (GIR)
Villavicencio no mpanolotsaina araka ny lalàna an'i Clever Jiménez, mpikambana iray ao amin'ny antenimiera ary avy amin'ny antoko Pachakutik [en]. Tany ampiandohan'ny taona 2013, Jiménez sy ilay mpikatroka mafàna fo, Carlos Figueroa, dia voaheloka hifonja 18 volana noho ny resaka fanalàna baraka ny filohan'i Ekoatora, Rafael Correa. Tamin'ny 2011, nampangain'ireto lehilahy telo ireto ny filoham-panjakana ho nanome baiko fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny Hospital de la Policía (Hopitalin'ny Polisy) nandritry ilay fitroarana [en] tamin'ny Septambra 2010 [en]
Naharitra hatramin'ny 3 ora maraina ilay hetsika natao tany an-tranon'i Villavicencio – natao teo ambanin'ny didy navoakan'i Jorge Blum, ilay mpitsara ao amin'ny Fitsaram-Pirenena. Ny biraon'ny fampanoavana ao amin'ilay distrika dia nikaroka vaovao voatahiry tany anatin'ny solosaina na findainy, izay nogiazana ho toy ny ampahany amin'ny fanadihadiana mikasika ahiahy raharaham-pitsikilovana mifandray amin'ireo mailaka nalefan'ireo manampahefana ambony ao amin'ny governemanta.
Mahavoarohirohy an'ilay mpikambana ao amin'ny Antenimiera, Clever Jiménez, ihany koa ilay fanadihadiana, izay nanaovana bemidina ihany koa ny biraony tao amin'ny antenimiera. Niaiky ampahibemaso i Jiménez fa manana mailaka marobe avy amin'ny Filoha sy ny Filoha lefitra, Jorge Glas, mifandray amin'ny raharaha Chevron [en]
Tondraky ny fanehoankevitra momba ilay raharaha ny media sosialy, isan'ireny ny avy amin'i Alfredo Velazco (@alfredovelazco) izay nibitsika sy naneho hevitra tao amin'ny Facebook mikasika ny fifanoheran-kevitra sy ny mizàna tsindrian'ila eo amin'ny firenena :
#Ecuador da asilo a #Assange por publicar emails de funcionarios de #EEUU pero allanan casa de #Villavicencio… http://t.co/MTpzhXj6al
— Alfredo Velazco (@alfredovelazco) diciembre 27, 2013
Nanome fialofana ho an'i #Assange i #Ecuador noho ny namoahany ireo mailaky ny manampahefana ambony ao amin'ny #EEUU (USA) fa kosa manao bemidina any an-tranon'i #Villavicencio… http://t.co/MTpzhXj6al
Notsindrian'i Verónica Potes (@veropotes) tsara fa tsy kilalao ny resa-pitsaràna :
con el debido proceso no se juega, @Galo_Chiriboga @ppsesa, eso lo deberían saber como abogados q creo q alguna vez fueron #Villavicencio
— verónica potes (@veropotes) diciembre 29, 2013
Tsy manao kinanga amin'ny dingana tokony harahana ianareo, @Galo_Chiriboga @ppsesa, tokony ho fantatrareo izany vantany vao lasa mpisolovava #Villavicencio
Carlos Andrés Vera (@Polificcion), mpamokatra sarimihetsika dia nandray ilay tranga ho fanararaotam-pahefana izay toa horakofana fampielezan-kevitry ny media hamelezana an'i Villavicencio:
11.- Todo esto constituye un abuso más del Estado, que se tapará con una campaña infame contra Villavicencio en medios públicos y cadenas.
— Carlos Andrés Vera (@Polificcion) diciembre 27, 2013
11.- Izao rehetra izao dia maneho indray ny fanararaotam-pahefana izay horakofana aminà fampielezankevitra tsy alehany hamelezana an'i Villavicencio any anatin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra
Nibitsika fanehoankevitra iray manesoeso mikasika ny Sekretariam-panjakana momba ny Fifandraisana na SECOM i Diana Amores Moreno (@Diana_Amores) mikasika ilay bemidina :
¡Buenos días Revolución de lobotomías televisivas! ¿Ya les dijo la SECOM que opinar sobre el atropello a #Villavicencio ? ¡Excelente!
— Diana Amores Moreno (@Diana_Amores) diciembre 30, 2013
Arahaba maraina ry Revolisionan'ny fanaovana fandidiana atidoha alefa fahitalavitra! Efa nilaza izay tokony hosainina momba ny fanafihana an'i #Villavicencio ve ny SECOM? Tsara loatra!
Plan V, tranonkala iray nanokan-tena amin'ny famokarana izay votoaty ho azy manokana miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ireo mpanao gazety avy amin'ny tontolon'ny asa fanaovana gazety Ekoatoriana, dia namoaka lahatsoratra hoe “Cuando el terror llama a tu puerta…” (Rehefa mandom-baravarana ao aminao ny horohoro…”). Miresaka ny zavatra niainan'i Fernando Villavicencio, ny vadiny Verónica ary ireo ankizy kely zanany ilay lahatsoatra ary nozaraina betsaka tety anaty tambajotra maro
Namoaka ity saripika manaraka ity i Pablo Jaramillo Viteri tao amin'ny kaontiny Twitter :
Diez agentes del GIR armados allanaron la casa de Fernando Villavicencio, por orden del juez nacional Jorge Blum pic.twitter.com/KJSh3HpXDL
— PabloJaramilloViteri (@JaramilloViteri) diciembre 27, 2013
Polisin'ny GIR niisa folo nirongo fiadiana no nanao bemidina tao an-tranon'i Fernando Villavicencio, nanatontosa iraka niaraka tamin'ny didy navoakan'ilay mpitsaram-panjakana, Jorge Blum.
Ny Filohan'i Ekoatora, Rafael Correa, dia nandefa hafatra tao amin'ny kaontiny Facebook sy Twitter (@MashiRafael) fa nisy firaketana an'ilay bemidina ary mazava loatra fa haseho ho hitan'ny besinimaro izany amin'ny fotoana maha-mety azy :
Hace meses hackeo de cuentas del Presidente y altos funcionarios. Investigaciones llevaron a Cléver Jiménez y su “asesor”, Fernando…
— Rafael Correa (@MashiRafael) diciembre 28, 2013
Volana vitsy lasa izao, nijirika ny kaontin'ny Filoha sy ireo manampahefana ambony hafa izy. Napetraka ny fanadihadiana manenjika an'i Cléver Jiménez sy Fernando “mpanolotsaina” azy …
…Villavicencio. Con orden judicial se han hecho allanamientos. Descubrimientos sorprendentes. Tenemos todo filmado, así que no les…
— Rafael Correa (@MashiRafael) diciembre 28, 2013
…Villavicencio. Natao niaraka tamin'ny didy avy amin'ny fitsarana ilay bemidina. Nampivanàka ny zavatra hita. Voarakitray anaty sary daholo izany rehetra izany, araka izany ny fironan-dry zareo amin'ny filalaovana ny …
…servirá de mucho victimizarse como de costumbre. Se han descubierto cosas realmente graves, que en su momento y de acuerdo al debido…
— Rafael Correa (@MashiRafael) diciembre 28, 2013
…hoe iharan'ny tsy rariny dia tsy hanampy azy ireo velively. Misy zavatra tena saropady tratra tao. Tamin'ny fotoana nilàna azy ary mifanaraka amin'ny…
…proceso en su momento las sabrá el país. ¡Es terrible lo que ha estado haciendo esa gente!
— Rafael Correa (@MashiRafael) diciembre 28, 2013
…zotra ara-dalàna tokony ho izy dia ho fantatry ny firenena ny rehetra miasika azy ity. Tena mampivarahontsana ny fetran'ny zavatra vitan'ireto olona ireto!…