Manandratra ny Fampianarana Ara-pananahana Sy Ny Miralenta Ny Alimanaka Miboridan'ny Twitter Ao Makedonia

Niombon-kery tamin'ireo Makedoniana hafa mpampiasa Twitter i Ivana Batev, Mpampiasa Twitter mafana fo sady mpanao gazety an-tsary tsy miankina, roa taona nisesy izay mba hamoronana sy hamoahana alimanaka manandratra ny fampianarana ara-pananahana sy ny miralenta amin'ny alalan'ireo lohahevitry ny fitanjahana sy ireo foto-kevitra fanomezana endrika ny ati-trano.

Taorian'ny fahombiazan'ny hazakazaka voalohany ny taona 2013, dia nalefa ny alahady 29 Desambra 2013 tany Skopje kosa ny alimanaka fanaovana asa soa amin'ity 2014 ity izay ahitana sary kanto maneho ireo mpampiasa Twitter Makedoniana miboridana, izay nanolotra ny fotoanany sy ny vatany. Raha fanentanana mikasika ny homamiadan'ny nono ny tamin'ny taona lasa, ny lohahevitry ny alimanakan'ny Twitter tamin'ity taona ity kosa dia ny fampianarana ara-pananahana ary hifantoka ihany koa amin'ny fanomezana endrika ny ati-trano. Ahitana karazana modely marobe koa ny fanontàna ankehitriny, ao anatin'izany ireo lehilahy, raha toa ka vehivavy avokoa no naseho nandritra ny alimanaka tamin'ny taona lasa.   

Macedonian Twitter Calendar 2014. Message for November: Gender equality is not a threat to the family.

Alimanaka 2014-n'ny Twitter ao Makedonia, hafatra iray ho an'ny volana Novambra: “Tsy rahona ho an'ny fianakaviana ny miralenta.” 

Avoaka eo ambanin'ny lisansa Creative Commons Attribution NonCommercial NoDerivatives (CC BY-NC-ND 4.0) daholo ireo sary ao anatin'ilay alimanaka Twitter.

Nibitsika i Ivana Batev, ilay hery mpanosika ao ambadiky ny alimanaka 2014, fantatra amin'ny anarana @ref ao amin'ny Twitter, hoe:

…Ireo izay mieritreritra fa ny fitanjahana any Makedonia dia tsy fivoarana, dia tsy miaina miaraka aminko anatin'ny fiarahamonina, ary mitsiriritra azy aho.

Noresahan'i Kristofer Blomdahl avy any Soeda ihany koa io bitsika io tao anatin'ny lahatsorany amin'ny teny anglisy mikasika ilay alimanaka. Nanoratra izy hoe:

Manaiky an'io aho ary heveriko fa io no fanambaràna matanjaka indrindra azontsika alefa miaraka amin'ny sary ankehitriny. Deraina ireo olona rehetra izay nanana finiavana ny hiboridana teo alohany.

Ankoatra izay, fisaorana mitafotafo ho an'i HERA izay nanolotra ireo torohevitra tamin'ny fampianarana ara-pananahana tamin'ny tarehin-tsoratra 140 mitovy amin'ny fampiasa anaty twitter ary ho an'ireo izay nividy sary. Ny vola azo dia ampiasaina hanampiana ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika any Makedonia.

Macedonian Twitter Calendar 2014, message for January: No always means No! Nakedness is not a substitute for consent.

Alimanakan'ny Twitter Makedoniana 2014, hafatra ho amin'ny volana Janoary: “Rehefa tsia dia tsia! Tsy fanoloan-toerana ny fanekena akory ny fitanjahana”.               

Ana Vasileva, izay mpikambana ao amin'ny hetsika “Fight like a woman” (Miadia tahaka ny vehivavy)  (@borisezenski), izay nanohana mivantana io alimanaka io, dia nanoratra tao anatin'ny bilaoginy [mk]:

Isanandro, vehivavy an'arivony eran-tany no iharan'ny fandemena saina milaza fa diso matavy loatra izy ireo, diso bota, diso voloina, na koa hoe mainty loatra ny hodiny, tsy ampy ny hatsaran-tarehiny, ny hakingan-tsainy, ny hatsarany. Vehivavy an'arivony eran-tany no mividy fikarakarana ara-tsimika ny tarehy sy vatana  ary akanjo tsy an-kiato mba hanatsarany ny tenany, mba hanafenany ny  tenany, mba hanaronany ireo “tsy fahalavorariany.”

Eo am-piatrehana izany, miteny izahay fa: “Tianay araka izay maha-izy azy ny vatanay. Mitondra anay any amin'ny toerana tianay ny tongotray, manao zava-mahagaga ny tànanay, mameno fankasitrahana anay ny tratranay, mamorona tilikambo sy mamaky rindrina ny lohanay. Tsy zavatra ny vatanay ka hofaizina na hoterena hameno ireo fenitra ara-piarahamonina sasany, natao ho an'ny fahafinaretanay ny vatanay – ary tsy ho an'olon-kafa, anay irery ny vatanay!”

Ankoatra ny fiovàna ara-tsosialy sy ny fahatongavan-tsaina izay tian'ireo mpanoratra sy ireo mpandray anjara hotairina, misy endrika asa soa ihany koa ity tetikasa miavaka ity. Izany hoe, ireo vola azo amin'ny fivarotana ireo alimanaka an-taratasy dia hatolotra ireo olona voahilikily ny fiarahamonina any Makedonia.

Nahitana fihetseham-po maro miabo naneho fanekena ilay adihevitra tany anaty Twitter manodidina ny tenifototra #твитеркалендар (# Twittercalendar), miainga amin'ny fitehafana ny fahasahian'ireo mpandray anjara ka hatramin'ny fanandratana ireo toetoetran'ireo modely sasany, tao ireo nametraka tsikera tamin'ny anarany ao amin'ny Twitter ary tao koa ireo tsy nitonona anarana tany anatin'ireo sary miboridana kokoa. Tsy ela ireo trolls vitsy mimenomenona ao amin'ny Twitter dia notoherin'ireo bitsika mivantana, tahaka ity iray ity iray avy amin'ilay Makedoniana mpampiasa Twitter @ordanoskiv:

Alefaso amin'ny kisary adalan'ny Vardar Quay ny tifitrareo, fa aza mitsikera (tsy misy fahamarinany) ny alimanakan'ny Twitter.

[Miresaka momba ilay fananganana ny tetikasa Skopje 2014 izay nifarana tamin'ny fahazoan'ny Skopje anaram-petaka hoe “renivohitry ny kisary adala” avy amin'ny media eran-tany tahaka ny AP sy ny Spiegel]

Araka ny Time.mk, ilay fitaovana fampahafantarana vaovao ao an-toerana, media 40 eo ho eo ao anaty aterineto any Makedonia no nitatitra momba ilay alimanaka. Na eo aza izany, vitsivitsy tamin'izy ireo ihany no nametraka rohy mankany amin'ilay alimanaka iray manontolo ary, na dia tsy mitondra famantarana ho sary vetaveta aza, nisy tamin'izy ireo nanamarika ireo lahatsoratra sy ireo sary ho natokana ho an'ny “18+”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.