Singam-baovao Tsara 7 Mety Mbola Tsy Henonao Momba an'i Yemen

Anivon'ireo vaovao mampalahelo sy mifono herisetra heno mikasika an'i Yemen, ireo famonoana olona, fanapoahana baomba, ireo fidarohan'i Etazonia “drone” sy ireo fakàna an-keriny, dia afaka nangady vaovao vitsivitsy izay mety tsy tratranao izahay:

1. Taorian'ny roa taona nihibohany tany an-tranomaizina nefa tsy nisian'ny fiampangana azy ireo, navoaka ny vitsivitsy tamin'ireo tanoran'ny Fanovàna ao Yemen, na dia mbola misy vitsivitsy aza mijanona am-ponja mandrak'androany.

Yemen's Revolution's Youth released in front of Sanaa's central prison

Ireo tanoran'ny Fanovàna ao Yemen navoaka teo anoloan'ny fonja foiben'i Sanaa

2. Navoaka sady nahazo ny Mari-pankasitrahana Alkaramah ho an'ireo mpiaro ny Zon'olombelona ny mpanao gazety Abdulillah Hayder Shaye izay nofonjaina efa ho telo taona izay, noho ny famborahany ny fanafihan'i Etazonia tamin'ny bala afomanga ny vohitra misintak'i Al-Ma'jallah, izay namono olona 41, saingy tsy afaka nanatrika ilay lanonana tany Genève sy nandray izany mivantana satria eo ambany fanaraha-maso akaiky ny tenany ary tsy manana alàlana hiala ny firenena.

Nandray ny mari-pankasitrahana tamin'ny anarany ny mpanao gazety Iona Craig sy Jeremy Scahill, ilay mpanao gazety mpanadihady sady mpanoratra ny “Drone Wars”.

Miaraka amin'i @ionacraig aty Genève ho an'ilay mari-pankasitrahana @AlkaramaHR hanomezam-boninahitra ny mpanao gazety Yemenita @AbdulEla pic.twitter.com/hghkDZDqT9

— jeremy scahill (@jeremyscahill) 6 Desambra 2013

3. Tafiditra ho isan'ireo horonantsary fohy hifantenana izay hahazo ny Oscar ilay sarimihetsika fohy “Karamah Has No Walls – Tsy Manan-drindrina i Karamah” mitahiry ireo hetsika feno rà latsaka tamin'ny 18 Martsa tao anatin'ny revolisionan'i Yemen, novokarin'i Sara Ishaq ilay Yemenita-Ekôse mpanatontosa sarimihetsika. Amin'ny teny Arabo ny Karamah dia midika ho Fahamendrehana.

Nisahana ilay horonantsary fanadihadiana “The Mulberry House” ihany koa i Sarah Ishaq, izay nalefa nandritra ireo fetibe iraisam-pirenena ho an'ny horonantsary manerana izao tontolo izao.

4. Rehefa nahomby ny fandefasana azy tamin'ny herintaona,  dia nanao hetsika hafa indray ny TedxSanaa tamin'ity taona ity teo ambanin'ny fotokevitra hoe “Manan-danja ireo Fihetsika” izay nahomby tahaka izany ary nalefa koa ny 11 Desambra ny TedxAden. Nisy ezaka sy lamina maro natao tanatin'izany, manomboka amin'ny hetsika tselatra nahitàna fahaiza-mamorona nentina nanambarana azy, ka hatramin'ny takelak'ireo mpitondra teny manome aingam-panahy sy ireo fotodresaka samihafa hita ao anatiny.

 

5. Navotsotra tsy maty fo aman'aina ihany ireo Nerlandey mpifankatia, ny mpanao gazety Judith Spiegel sy ny olon-tiany Boudewijn Berendsen, rehefa notanana nandritra ny enim-bolana. Tsy naratra izy ireo ary nilaza fa tsara fitantanana avy any amin'ireo naka an-keriny azy. Izao no nolazain'i Judith tanatin'ny lahatsorany voalohany tao amin'ny Facebook taorian'ny namotsorana azy:

Ie ie ie ie afaka izahay! Salama tsara izahay. Hifandray aminareo rehetra tsy ho ela izahay, fa amin'izao aloha: misaotra anareo be dia be tokoa tamin'ny fanohananareo rehetra. Tsy azonareo an-tsaina ny nampahafinaritra sy mbola mampahafinaritra izany ho anay sy ny fianakavianay. Tianay ianareo ary mbola tia an'i Yemen koa izahay

Dutch journalist Judith Spiegel and her partner Boudewijn Berendsen

Ilay Nerlandey mpanao gazety Judith Spiegel sy ny olon-tiany Boudewijn Berendsen

A graffiti by Yemeni artists Murad Subay in solidarity with Judith during her kidnap

Graffiti iray nataon'ny Murad Subay, Yemenita mpanao sary hosodoko, ho firaisan-kina amin'i Judith nandritra ny fakàna an-keriny azy

6. Taorian'ireo taona maro nikendren'ireo fanafihan'i Etazonia tamin'ny “drone” tsy an-kiato azy ary indrindra taorian'ny fanafihanà “drone” iray an'i Yemen ka nahafaty olom-pirenena 17 tanatinà fiara milahatra ho anà fampakarambady dia nandany lalàna fandraràna ireo fanafihanà “drone” ny Parlemantan'i Yemen ny Alahady 15 Desambra 2013. Eny toa vaovao tsara izany, saingy mbola fombafomba fotsiny ihany izany satria voafetra ny fahefan'ireo mpanao lalàna, indrindra rehefa ny filoham-pirenena mihitsy no nanaiky ireo “drone” ary tsy misy ny fambàra hoe mety hijanonan'izany atsy ho atsy.

Nisy nilaza fa tsy nisy Solombavambahoaka na iray aza nifidy nanohitra ilay “drone” androany. Filazana. #yemen

— Adam Baron (@adammbaron) 15 Desambra 2013

Raha izao, vitsy ny famantarana fa zavatra hafa ankoatra ny fombafomba fotsiny ihany ny hetsiky ny parlemantan'i #yemen tamin'ny lalàna fandraràna ny “drone”.

— Adam Baron (@adammbaron) 15 Desambra 2013

7. Tanteraka ihany ny tondrozotra hamahàna ny olan'ny “ao atsimo”. Nisy ireo fizakantena vitsivitsy nomena ireo faritra Atsimo ao Yemen na teo aza ny hetsika nitaky fisintahana izay nangataka ny fitsaharan'ny firaisana misy eo amin'i Yemen Avaratra sy Atsimo, izay nitranga tamin'ny 1990. Hisafidy na ny famoronana faritany roa any atsimo sy efatra any avaratra, na vondrona roa lehibe, ny iray atsimo ary ny iray avaratra, ny kaomity natsangan'ny Filoha Abdu Rabu Mansour Hadi.

Mbola aloha loatra ity ampaham-baovao farany ity hahafantarana na tsara na ratsy izany, saingy mandray izany amin'ny lafintsaran'ny lahatsoratra isika ary manantena haheno vaovao tsara misimisy kokoa avy any Yemen amin'ny taona hoavy!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.