Molhem Barakat: Tanora Mahery Fo Lavo Tao Siria

Araka ny vaovao dia nisy namono i Molhem Barakat, mpaka sary tsy miankina niasa ho an'ny Reuters, raha toa ka nitatitra ny ady nisy teo amin'ny fanjakan'i Bashar Al-Assad sy ireo mpikomy tany amin'ny Trano Fitsaboana Al-Kindi ao Aleppo, ny 20 desambra 2013.

Nilaza tamin'ny Mpanao Gazety Miombona i Hassoun Abu Faisal, avy amin’ny Ivotoeran'ny Haino aman-jerin'i Aleppo fa maty niaraka tamin'ny rahalahiny i Barakat, mpiadin'ny tafika sirianina malalaka, tao amina fanamboarana karipetra tsy lavitra ny hopitaly. Hita teny an-toerana ny fakan-tsariny miosin-drà:

Mulhem Barakat, tanora mpaka-sary izay niasa niaraka tamin'ny Reuters sy ny @aleppomediacent, dia novonoina raha nitatitra ny ady tany Aleppo: pic.twitter.com/VBlZggMQBN

— Omar (@omarsyria) December 21, 2013

Nanamarika ihany koa i Abu Faisal fa vao volana vitsivitsy monja izay i Barakat no nanomboka nitatitra ny ady, raha nanomboka niasa ho an'ny Reuters izy tamin'ny volana Mey.

Ilay tanora sirianina, teraka ny 8 Marsa 1995 araka ny voalazan'ny facebookiny, dia nilaza tamin'i Stanislav Krupar, mpanao gazety mpaka sary monina any Prague nandritra ny fihaonan-dry zareo fa nokaramain'ny Reuters 100$ haka sary 10 isan'andro izy, ary miampy 50$ – 100$ raha misafidy sary iray ny Bilaogin'ny New York Times hataony “Sary Androany”.

Raha niteny anefa i Krupar fa mino ny fanomezan'ny Reuters fakan-tsary an'i Barakat izy, nomarihiny kosa fa tsy nitondra ”fiarovana amin'ny bala – tsy nitondra akanjo matevina, tsy nitondra satro-by” i Barakat.

Niteny i Randa Habib, monina any Amman raha nitatitra ny fahafatesany :

 

Tanora mpaka-sary novonoina tany #Siria. Tokony hatsahatry ny mpamoaka vaovao ny fampiasàna tanora izay manao ny ainy tsy ho zavatra.

— Randa HABIB (@RandaHabib) 21 Desambra,2013 nitatitra ny fahafatesany, niteny ny mpanao gazety Amman-based journalist Randa Habib:

Raha nanazava ny fihetsiny i Stuart Hughes, Tompon'andraikitra misahana ny Vaovaon-draharaha maneran-tany, dia nibitsika fa tsy nihafahafa ny Reuters namaly ireo fanotaniany mikasika ny taona sy ny tsy fahampian-traikefan'i Barakat. Ireto no fanontaniana napetrany tamin'ny Reuters:

- Nisy tatitra nifanipaka mikasika ny taonan'i Molhem manomboka amin'ny 17 ka hatramin'ny 19. Ahoana no fanazavanareo izany?

- Raha tsia, ahoana ny hamalian'ny Reuters ireo tatitra sasany milaza fa 17 taona i Molhem, izany hoe tsy ampy taona araka ny lalàna Anglisy sy Amerikana?

- Inona no fikarohana nataon'ny Reuters hanamarinana ny taonan'ireo tanora mpanao gazety miasa amina tontolon-kerisetra?

- Fantatry ny Reuters ve hoe nahavita nitatitra hatramin'ny farany ny tontolon-kerisetra iray i Molhem Barakat na nanao fiofanana vonjy taitra. Nisy fitaovam-piarovana na fitaovana vonjy taitra ve teny aminy?

- Inona no politikan'ny Reuters mikasika ny fividianana fitaovana ho an'ireo mpanao gazety any Siria?

izay novalian'ny Reuters tahaka izao:

Tena nalahelo izahay tamin'ny fahafatesan'i Molhem Barakat, izay nivarotra sary tamin'ny Reuters amin'ny maha-tsy miankina azy. Mba hiarovana tsara ireo mpanao gazety maro eny amin'ny toerana mampidi-doza ary mipoak'ady, mieritreritra izahay fa tsy mety ny fanohizana ny tsikera amin'izao fotoana izao.

Nanampy i Corey Pein, mpanoratra Amerikanina mipetraka any Angletera, fa na dia nanampy an'i Molhem Barakat hiala lavitra ny loza aza ny Reuters, tsy afaka miala amin'ny fanontaniana mikasika ny fahafatesany izy ireo:

Fantatro ihany koa fa maloto ny ady, ary raha tsy naka sary i Molhem dia mety ho nitam-piadiana. Mety nieritreritra ny ekipan'ny Reuters tany Siria hoe niangatra azy izy ireo – ary amin'ny lafiny iray, mino aho fa izany tokoa no izy.

Tsy midika anefa izany hoe afaka mitsoaka ireo fanontaniana mikasika ny nahatonga ny fahafatesan'io tovolahy io ny fikambanana.

Nilaza tamina lahatsoratra blaogy i Hannah Lucinda Smith, mpanao gazety sady mpaka sary Britanika izay nanadihady an'i Barakat momba ny  Asharq al-Awsat arabo tamin'ny Mey, fa sahiran-tsaina i Barakat noho ny lahalasa azy “tanora sambatra” ho “tovolahy misavorovoro”, ka nisy fotoana izy nanizingizina fa te-hiaraka amin'i al-Qaeda [hanao kamikaze] saingy nanomboka niasa nanao mpaka sary, ary nanantena fa hitovy amin'ireo mpanao gazety sasany niaraka taminy”.  

 

Molhem Barakat, self portrait, taken February 14, 2013 [photo source: Barakat's Facebook profile]

Molhem Barakat, sary nalainy ihany, ny 14 febroary 2013 [ Nakàna ny sary: pejy facebookin'i  Barakat]

Nilaza ihany koa i Lucinda Smith fa mety avy amin'ny tsy fahafahany mandao an'Aleppo ny adin-tsainy:

Rehefa niresaka ela taminy tao amin'ny Facebook aho dia niezaka ny nandresy lahatra azy mba handao an'Aleppo ary hifindra aty Torkia. Nandà izy. tsy manana pasipaoro izy, ary tsy misy vola ihany koa. Ny fianakaviany rehetra dia any Siria daholo, ka tsy te-handao azy ireo na ny namany izy.

Kanefa teo am-pamaranana dia manantena izy fa hanome voninahitra an'i Barakat ny Reuters amin'ny fandraisana an-tanàna ny raharaha:

Manatena aho fa nandray ny andraikiny taminy ry zareo amin'ny fomba tsy vitako, ary manatena ihany koa aho fa raha ny fakana sary mba hovidian'ity masoivoho ity no nahafaty azy, dia handray ny andraikitra momba izany ihany koa ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.