Hampigadra Mandrapahafatiny Ireo Olona Mitovy Fananahana Mifankatia Ny Volavolan-dalànan'i Ogandà Manohitra Ny Fifankatiavan'Olon-droa Mitovy Fananahana

Protest against Uganda anti-gay legislation

Ireo mafana fo John Bosco, (rojo vy) sy Bisi Alimi (sorabaventy) anatinà akanjon'olom-boafonja hanoheran'izy ireo any Londona ny fanaovan-dalàna manohitra ny fifankatiavan'ny lahy samy lahy any Ogandà ny 10 Desambra 2012. Sary an'i Reporter#20299. Fizakàmanana Demotix.

Nolanian'ny ankamaroan'ny tao amin'ny Parlemantan'i Ogandà ny 20 Desambra 2013 teo ny volavolan-dalàna manohitra ny fifankatiavan'olon-droa mitovy taovam-pananahana izay miteraka resabe, hanasazy an-tranomaizina mandrapahafatiny amin'ny tranga sasany ireo lahy sy vavy tia ny mitovy fananahana aminy ary koa hampigadra ny olona izay tsy nitoroka ny olona tia ny mitovy aminy any amin'ireo manam-pahefana.

Nekena io volavolan-dalàna io taoriana kelin'ny naneken'ilay parlemantam-pirenena mpitahiry ny soatoavina ara-tsosialy ny volavolan-dalàna manohitra ny horonantsary mamoafady izay hanameloka ny fitafiana mampiseho ny fem-behivavy, tahaka ny zipo fohy kely.

Ny mpikambana ao amin'ny parlemanta Ogandey, David Bahati, izay nanolotra ny volavolan-dalàna manohitra ny fifankatiavan'olon-droa mitovy tamin'ny 2009, dia namerina nametraka io volavolan-dalàna io taorian'ny nanatsoahany ireo fepetra mikatsaka ny sazy fanamelohana ho faty taorian'ny tsindrim-bahoaka sy ny tsindry iraisam-pirenena. 

Nandritra ny adihevitry ny parlemanta, nisy ny fifandirana teo amin'ny Praiminisitra Amama Mbabazi sy ny Mpitondratenin'ny Parlemanta Rebecca Kadaga, taorian'ny nitsikeran'ny praiminisitra fa tsy ampy ny isan'ireo mpikambana ambany indrindra tokony tratrarina mba hanaovana izany latsabato izany. 

Miandry ny sonian'ny filoha io lalàna io ankehitriny. Manana roa volana latsaka ny filoha hanaovana sonia ilay lalàna, na handefasana izany hiverina any amin'ny efitry ny parlemanta hoasiam-panitsiana.

Eto ambany ireo angonà fihetseham-po vitsivitsy tao anaty aterineto:

Nibitsika i Frank Mugisha, ilay mpitarika ny Sexual Minorities Uganda, fikambanana iray izay miady ho an'ny zon'ireo lahy samy lahy mifankatia:

Vaovao Farany : Tsy ara-dalàna aho : Lanin'ny Parlemantan'i Ogandà ny Volavolan-dalàna Manohitra ny Fifankatiavan'olon-droa mitovy fananahana natao tamin'ny 2009

— Dr. Frank Mugisha (@frankmugisha) 20 Desambra 2013

Velom-panantenana ilay mpanao gazetin'ny onjam-peo BBC ao Ogandà, Alan Kasujja:

Toa tsy dia inoana hanaiky io volavolan-dalàna manohitra ny Fifankatiavan'Olon-droa Mitovy io ny Filoha. Nanohitra izany i @AmamaMbabazi sy ny hafa rehetra.

— Alan Kasujja – BBC (@kasujja) 20 Desambra 2013

Nanondro toe-javatra iray izay mety hanekena io volavolan-dalàna io, na tsy misy ny sonian'ny filoha aza, ilay LGBT mpikatroka mafana fo, Pepe Julian Onziema :

Afaka mamerina mandefa izany fanindroany ny Parlemanta, ary raha ohatra ka dia olavina fanindroany indray. Afaka mampanaiky izany ny roa ampahatelon'ny mpifidy na tsy eo aza ny Filoha. #AHBUganda

— Pepe Julian Onziema (@Opimva) 20 Desambra 2013

Ontsa ny fon'i Amaka Okechukwu manoloana ilay volavolan-dalàna:

Tena mampalahelo ny fandaniana ilay lalàna #AntiGayBillPassed ao #Uganda. Heloka bevava ihany koa ve ny fahalalana olona tia olona mitovy aminy ka tsy mampahafantatra ny fisiany? Adala

— Amaka Okechukwu (@AmakaOke) 20 Desambra 2013

Nanamarika i @EJS:

Miverin-dàlana amin'ny hoavy i Ogandà. Lalàna mandrara ireo vehivavy hisafidy ny fitafiny, sy ny fandaniana ny lalàna manakana ny olona tia olona mitovy aminy #AntiGayBillPassed. #HumanRights

— EjS. (@EyvindJS) 20 Desambra 2013

Na izany aza, nankalaza izany i James Howlett‏ taorian'ny nandrenesany ireo vaovao:

#AntiGayBillPassed!! Aleloia!!!! #ForGodAndMyCountry!!!  (lany ny lalàna manohitra olona tia olona mitovy aminy!! Aleloia !!! Ho an'Andriamanidra sy ho an'ny fireneko)

— James Howlett (@NotCalled_Aswad) 20 Desambra 2013

Nitsikera ny mpamaky iray ao amin'ny vohikalan'ny Daily Monitor, EJS :

Ridiculous! Ban on homosexuality and mini-skirts. NO WONDER THIS IS ONE OF THE WORLD'S LEAST DEVELOPED COUNTRIES!!! Lol (MPs; get a real job and stop stealing tax payers money!)

Mampihomehy! Fandrarana ny Fifankatiavan'olon-droa mitovy sy ny zipo fohy kely. TSY MAHAGAGA RAHA IRAY AMIN'IREO FIRENENA ERAN-TANY TSY MIVOATRA INDRINDRA!!! Laolina (Solombavambahoaka; ‘ny asa tena atao izy ary ajanony ny fangalarana ny volan'ireo mpandoa hetra!)

Nilaza ny mpamaky iray hafa, John Buluma, fa misy ireo olana goavana kokoa tokony hifantohana, tahàka ny kolikoly, mihoatra noho ny fifankatiavan'olon-droa mitovy fananahana:

This just confirms that Uganda is the worst place to be gay on earth. Why focus on none [sic] issues when they country is decaying with corruption?

Manamarina fotsiny izany fa i Ogandà no toerana ratsy indrindra eran-tany ho an'ny olona tia ny mitovy aminy. Maninona no mifantoka amin'ireo olana tsy misy [sento kely] raha toa ka mitotongana anaty kolikoly ny firenena?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.