Sodana Atsimo No Foko Niaviako Ka Misafidy Ny Fandriampahalemana Aho

Taorian'ireo krizy izay nandentika ity firenena vaovao be eto an-tany ity, Sodana Atsimo, namorona ny tenifototra #MyTribeIsSouthSudan sy #iChoosePeace ireo Sodane Tatsimo sy ny sakaizan'ny vahoaka Sodane Tatsimo mba hiantsoana fandriampahalemana sy firaisam-pirenena ao an-toerana.

Lasa nahaleotena i Sodana Atsimo tamin'ny 19 Jolay 2011, taorian'ny fitsapankevi-bahoaka izay natao mba hamaritana raha tokony hanambara ny fahaleovantenana manoloana an'i Sodana i Sodana Atsimo.

A South Sudanese girl at independence festivities

Ankizivavy Sodane Tatsimo tao amin'ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena. Sary hoan'ny daholobe – an'i Jonathan Morgenstein/USAID tao amin'ny flickr

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo hafatra tao amin'ny Twitter ho fanohanana ny fandriampahalemana sy firaisam-pirenena :

Tsy politisiana aho, tsy anatin'ny tafika, tsy miasa ho an'ny governemanta. Fa fotsiny #iChoosePeace (misafidynyfandriampahalenana aho) ho an'ny tanindrazako #SouthSudan

— إيڤا (@Evalopa) 20 Desambra 2013

Mivavaka mba hifarànan'ny hadalàna…hifarànan'ny foto-pisainana tia mizarazara #africa mijoro miaraka amin'i sodane tatsimo #MTISS #MyTribeIsSouthSudan

— #♥♥♥♥|■| (@Gracetandeamara) 20 Desambra 2013

@zelalemkibret @TameZKafir ny hoe #MyTribeIsSouthSudan tsy midika akory fa tsy manana endrika na Foko niaviana izahay, midika fotsiny izao io fa tokana / miray hina izahay, Sodane Tatsimo

— إيڤا (@Evalopa) 20 Desambra 2013

Manan-danja lavitra noho ny fitiavana ny tena manokana, ny hambo diso toerana ary ny politika ny fireneko & ny vahoakany & ny fitonian'izy ireo. #MyTribeIsSouthSudan #Ichoosepeace

— Aguil Lual Blunt (@AguilB) 20 Desambra 2013

#MyTribeIsSouthSudan io no tokony ho hafatra. Atsaharo ny mifanandrina amin'ny rahalahinao noho ny tombontsoa politikan'olon-kafa

— It's Theö™ (@theoScouse) 20 Desambra 2013

South Sudan's Vice-President Riek Machar is seated in his office, June 30, 2012

Filoha lefitra teo aloha tao Sodana Atsimo i Riek Machar, voampanga ho mikotrika fanonganam-panjakana. Sary ho an'ny daholobe – Voice of America.

Laviko ny hihazakazaka indray, amin'ny fitenenana hoe TSIA amin'ny ady iray hafa indray #Ichoosepeace #MyTribeIsSouthSudan pic.twitter.com/RLJBB3KihN

— إيڤا (@Evalopa) 20 Desambra 2013

Tokony hotsaroantsika lalandava fa ny governemanta dia miasa ho antsika, fa tsy ny mifanohitra amin'izay no izy. Mitolòma ho amin'ny fandriampahalemana #MyTribeIsSouthSudan

— Atima (@missalier) 20 Desambra 2013

taorian'ireo taona maro nifamelezana, nahoana isika no tsy maintsy mbola hanohy izany ihany ? #iChoosePeace #MyTribeIsSouthSudan http://t.co/JN4mvOVaRc

— amanie illfated (@AmanieIllfated)  20 Desambra 2013

Ny ady no nampizarazara ilay Sodana-ko, tsy ilainay hisy aty amin'ny Atsimo izany amin'izao fotoana izao. Izaho manohana ny #MyTribeIsSouthSudan #ichoosePeace

— M.Hamror (@MHamror) 20 Desambra 2013

Eo amin'ny foko 64 eo no miantso an'i #SouthSudan ho tanindrazany / tranony. #MyTribeIsSouthSudan sy #iChoosePeace #Juba #SouthSudan

— CHRIS KWOJI (@KWOJI) 21 Desambra 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.