Mandeha Ny Fandrotsahambato Hifidianana Ny Ho Filoha Eto Madagasikara

Ballot Collecting in one polling station via Andrimaso with permission

Fanangonam-bato tao amin'ny biraom-pifidianana iray via Andrimaso ary nahazoana alalana

Nandeha tany amin'ny biraom-pifidianana i Madagasikara androany [zoma] hanapa-kevitra amin'izay tiany ho filoha. Ny fizotry ny fihodinana voalohany moa dia nampifanatrika ankolaka ny filoha teo aloha lasa an-tsesintany, Marc Ravalomanana, sy i Andry Rajoelina, izay nanongana an-dRavalomanana tamin'ny alalan'ny fanampian'ny miaramila tamin'ny 2009. Nanolotra tsara ny fehin'ny toe-draharaha moa i Brian Klaas ao amin'ny Bilaogy DemocracyinAfrica :

This Friday, Madagascar heads to the polls to elect a new president and a new parliament. The election is the first major step out of the never-ending ‘transition’ that began in 2009 when Andry Rajoelina, a radio DJ turned mayor, toppled Marc Ravalomanana, a dairy magnate turned president, in a military coup d’état.

Those two figures dominate Malagasy politics, but neither is running for president—at least not directly. Instead, they have put forth proxy candidates in their stead as part of an internationally brokered deal to end the impasse. Dr. Jean-Louis Robinson, a former Ravalomanana Minister and WHO official, is standing in place of his former boss. Hery Rajaonarimampianina, the Minister of Budget and Finance for the post-coup regime, is standing in place of President of the Transition, Rajoelina.

Amin'ity zoma ity, mitodi-doha ho any amin'ny biraom-pifidianana i Madagasikara hifidy filoha sy parlemanta vaovao. Ny fifidianana no dingana lehibe voalohany hialana amin'ny ‘tetezamihitatra’ nanomboka tamin'ny 2009 rehefa nanongana an'i Marc Ravalomanana, mpanakarembe lasa filoha, tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana ara-miaramila i Andry Rajoelina, DJ radio lasa ben'ny tanàna.

Mahazo vahana eo amin'ny politika malagasy ireo olona roa ireo, saingy tsy nisy nirotsaka ho filoha – na farafaharatsiny tsy mivantana. Fa nanoloetra olona akaiky ho kandidà ry zareo araka ny fifanarahana iraisampirenena nifanaovana hamaranana ny kizo. Ny dokotera Jean-Louis Robinson, minisitry ny fahasalaman-dRavalomanana teo aloha sady manana toerana lehibe ao amin'ny OMS, no mijoro eo amin'ny toeran'ny lehibeny teo aloha. Hery Rajaonarimampianina, Minisitry ny vola sy ny tetibola tao amin'ny fitondrana nanaraka ny fanonganam-panjakana, izay misolo toerana ny Filohan'ny Tetezamita, Rajoelina.

NIjery ny andiana adi-hevitra intelo miantoana nifanaovan'ny kandidà mirahalahy tamin'ny fahitalavitra ny mpifidy malagasy. Tsy dia nampientanentana loatra ny voalohany, araka ny notaterin'ny lahatsoratry ny Madagascar Tribune, satria samy nitandrina loatra sy tsy manan-kevi-baovao ny roa tonta:

Nous devons nous demander si les candidats ont vraiment la conviction que leurs idées seraient la solution à nos problèmes ou s’ils se contentent de répéter des solutions génériques que la communauté internationale et autres bailleurs de fond aiment entendre. (Pour être juste, les débats présidentiels peuvent aussi être utilisés pour envoyer des signaux forts pour attirer des partenaires potentiels, ou même des sponsors.) À certains moments, les candidats avaient l’air de répéter les mêmes programmes arrachés de placards à idées – il n’est pas juste de resservir le même vieux « tambavy » repackagé dans de nouvelles bouteilles et puis de clamer que « cette fois-ci c’est différent ». Pour les vingt millions et quelque de citoyens malagasy, cette fois-ci, ça devrait vraiment être différent. Lançons un défi aux candidats de sortir des sentiers battus et de montrer aux électeurs qu’ils sont aussi différents.

Tsy maintsy mba manontany ihany isika raha tena resy lahatra amin'ny heviny hamaha ny olantsika tokoa ny kandidà na mionona amin'ny valinteny moravidy tian'ny fiarahamonina iraisampirenena sy ny mpanohana ara-bola ho henoina fotsiny. (Raha ny marina, ny adihevitry ny kandidà filohampirenena dia mety ho fanomezana hafatra mahery hahazoana fiaraha-miasa, na mpanohana ara-bola ihany koa). Matetika misy fotoana tahaka ny manao tsianjery fandaharan'asa avy any amin'ny talatalan-kevitra any ny kandidà—tsy mety ny mampiasa “tambavy” antitra ampidirina any anaty tavoahangy vaovao indray dia avy eo miteny hoe “hafa indray ity.” Ho an'ny olom-pirenena roapolo tapitrisa miampy vitsivitsy hafa, tokony ho tena hafa tokoa ny amin'ity indray mitoraka ity. Andao hihaika ny kandida isika hivoaka amin'ny lala-masaka ary hampiseho amin'ny mpifidy fa tsy mitovy koa ry zareo!

Natao tamin'ny teny frantsay ny fiadian-kevitra faharoa, ary niompana tamin'ny raharaha iraisampirenena. Somary nasiaka kokoa ny kandidà andritra ny adihevitra fahatelo. Mbola banga hatrany anefa ny famoahana hevitra na izany aza, satria ny ankamaroan'ny famelezana dia mamely olona manokana, tahaka izay nitranga nandritra ny fanaovana fampielezan-kevitra manontolo, izay nifantoka tamin'ny fihetsiketsehana sy fandihizana an-dalambe ny raharaha fa tsy tamin'ny alalan'ny fampiadiana hevitra. Ary izany indray no notaterin'i Brian Klaas :

The campaign has not progressed much beyond dueling spectacles. Malagasy politics are not based on policy, and few would claim that they are voting based on anything other than patronage and personality. Today’s vignettes of political strategy—balloons, dancing, and blaring music—are comical, but unfortunately, the comedy may turn tragic if Madagascar does not manage to pull itself out of desperate poverty by building democracy and pursuing development.

tsy nisy fivoarany tamin'ny fifaninanana fanaovana fampisehoana loatra ny fampielezan-kevitra. Ny politika malagasy tsy mifototra amin'ny fandrafetana politika, ary vitsy ny hilaza fa ny fifidianan-dry zareo dia izay mety ho zavatra rehetra ankoatra ny fanohanan'olo-malaza sy ny mahaizy ilay olona. Mampihomehy ny teti-panorina politika amin'izao fotoana izao miankina amin'ny balaonina, fandihizana ary ny mozika mitabataba, saingy mety hiteraka voina ilay fampihomehezana rehefa tsy miezaka ny miala amin'ny fahantrana mahakivy amin'ny alalan'ny demokrasia sy ny fanohizana ny fampandrosoana i Madagasikara.  

Mitohy ny fampisehoana rehefa misy ny fiarahan'ny mpanao politika noheverin'ny rehetra ho mpifahavalo no niara-dia tampoka tamin'ny kandidà iray na ny hafa – sy ny fihariharian'i Andry Rajoelina, noheverina ho tsy mitongilana, nivoaka nanohana ny minisitry ny tetibolany teo aloha, Hery Rajaonarimampianina :

Fihodinana faharoa, kandidà ofisialin'ny filoham-pirenena 2018… Tafatafa tamin'i Andry Rajoelina

Nandritra ny fandrotsaham-bato, nisy ny tsy fanarahan-dalàna notaterina tao amin'ny Twitter.

ny vondrona misy ny kandidà Dr Jean Louis Robinson miampanga ny ekipa mifanohitra aminy ho manome vola hifidianana azy any biraom-pifidianana. Nifanena taminay. 

Andao antenaina hitondra fandriampahalemana sy fiovana ho an'i Madagasikara ny taona vaovao 2014, fa mbola miandry hatramin'ny Janoary ny olom-pirenena vao hahita ny vokatry ny fihodinana faharoa.

Mpifidy 7,6 tapitrisa; biraom-pifidianana 20.115; vokatra hivoaka amin'ny Janoary

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.