Fidiram-bola Ambany Indrindra Tsy Arahana Fepetra Ho An'ny Eoropeana Rehetra

Mihamahazo vàhana ao Eoropa ny hetsika iray natao hanomezana “Fidiram-bola Ambany Indrindra Tsy Arahana Fepetra” ho an'ny isam-batan'olona—tsy mila miasa 

Tao anatin'ny 11 volana farany, ny European Citizens’ Initiative (ECI) no nisava làlana tamin'ny fanaovana fanentanana nandritry ny herintaona hanangonana sonia an-tapitrisa ho fanohanana ny “Unconditional Basic Income (UBI), na Fidiram-bola Ambany Indrindra Tsy Arahana Fepetra” ho an'ny Eoropeana rehetra.

Irian'ny ECI ny isam-batan'olona mba hanana karama fototra, tsara antoka, izay ampy hisahanana ny fandaniana isanandro.

Raha toa ry zareo mahangona sonia iray tapitrisa mahatratra ny ambany indrindra takiana any amin'ireo firenena fito mpikambana ao amin'ny Fiombonambe Eoropeana raha kely indrindra hatramin'ny 14 Janoary 2014, dia tsy maintsy handinika izany fandraisan'andraikitr'izy ireo izany ny Kaomisiona Eoropeana ary hikarakara fivoriana azon'ny daholobe atrehana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana.

Ao anatin'ny fotoana fohy, te-hanao “fandalinana-filamatra” sy handinika lasitra samihafa momba ny UBI ry zareo. Ary anaty fotoana maharitra dia tanjon'izy ireo ny hanome ny isam-batan'olona ao anatin'ny Fiombonambe Eoropeana ny zo tsy misy fepetra amin'ny maha-olon-tsotra azy, ny hanànany ny filàna ara-pitaovana hiantohany ny fiainana mendrika amin'ny fampidirana ny UBI.

Ilay vinavinanà Fidiram-bola Farany Ambany indrindra dia natolotr'ireo olon-tsotra avy amin'ireo firenena 15 mpikambana ao amin'ny Fiombonambe Eoropeana (Aotrisy, Belzika, Danemarka, Frantsa, Alemàna, Gresy, Ireland, Italia, Luxembourg, Pays-Bàs, Poland, Slovakia, Slovenia, Espaina, Royaume-Uni).

Tamin'ity Zoma ity, ho an'ny GV Face, dia niresaka tamin'ireo mpikatroka mafàna fo nanangona ny sonia sy nanaitra ny sain'ny rehetra mikasika ny filàna Fidiram-bola Farany ambany indrindra aho 

Stanislas Jourdan | Mpiandraikitra voalohany ny Fandraisan'andraikitry ny Olon-tsotra Eoropeana hisian'ny Fidiram-bola Farany Ambany indrindra ao Frantsa

Martin Jordö | Mpiandraikitra voalohany ny Fandraisan'andraikitry ny Olon-tsotra Eoropeana hisian'ny Fidiram-bola Farany Ambany indrindra ao Soeda

Carlos Arias| mpandray anjara amin'ny Global Voices ao Espaina

Anne-Béatrice Duparc | Soisa

Barb Jacobson | Royaume-Uni

Nanontaniako azy ireo ny fivoaran'ilay fanentanana hatreto, ny fomba hiatrehan'ny UBI ny tsy fitoviana ary ny hatraiza no mety ho sandan'izay rafitra izay.

Raha hitady vaovao bebe kokoa, dia tsidiho ny Tranonkalan'ny Basic Income EU, ny pejy Facebook ary kaonty Twitter.

Inty ny rohy mankany amin'ny pejy Google + ho an'ny andian'ity hetsika ity napetraka ao amin'ny GV Face.  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.