Mpitari-Pivavahana ao Bahrain : “Fahotàna Ny Mankalaza Fetim-Pirenena”

Google marked Bahrain's National Day with this Doodle

Nankalaza ny Fetim-pirenen'i Bahrain tamin'ity Doodle (kirangodrangotra tsy nokaliana) ity ny Google. Sary: @JustJa3far

Mibitsika toriteny iray nandritra ny fivavahana isan-Jomà tao Bahrain i Manaf Al Muhandis, barhaini bilaogera, ka ao anatin'izany no ilazan'ilay mpitari-pivavahana fa fahotàna ny fankalazàna ny Fetim-Pirenena.

Hoy izy :

Nandritry ny toriteny tamin'ny fivavahana isan-Jomà dia niteny ilay mpitari-pivavahana, Adel Al Hamad, hoe fahotàna (haram) ny fankalazàna Fetim-pirenena – ratsy lavitra noho ny fibobohana toaka

Manampy izy :

Milaza i Adel Al Hamad fa nofinofy ny fitiavan-tanindrazana (nasionalisma) ary tsy afaka ny ho iray ny vahoaka amin'ny fandalàna ny tanindrazana satria Allah (Andriamanitra) tsy mampiray ireo mpino sy tsy mpino ho eo ambany tanjona iray tokana.

Nandritry ny toriteniny, resahan'i Al Hamad ihany koa ny fifandraisana misy eo amin'i Bahrain sy Iran. Mibitsika i Al Muhandis  hoe :

Miteny momba ny fepetra eo amin'ny fifandraisana amin'i Iran i Adel Al Hamad hoe io dia firenena izay manozona ireo mpanara-dia ny mpaminany Muhammed (Mahomet). Ary izay olona tsy manaraka ny sekta Silamo Sionita dia olona adala

Al Muhandis manampy hoe :

Betsaka no manontany ahy ny antony ivavahako ao amin'i (Maoske) Al Nusuf. Fampisehoana an-tsehatra maimaim-poana

Mizara ity lahatsary ity izy ao amin'ny Instagram, izay ilazan'ilay mpitari-pivavahana fa ny fandihizana sy fivelesana amponga mba hanamarihana ny Fetim-pirenena dia fahotàna.

Manamarika ny Fetim-pireneny isaky ny 16  Desambra i Bahraïn

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.