Voaheloka Ho Faty Noho Ny Namonoany An'i Ghazala Javed Mpihira Pashto Ny Vadiny Taloha

Voaheloky ny fitsarana ao amin'ny distrikan'i Swat any Pakistana avaratra andrefana ho faty ny vadin'i Ghazala Javed (vehivavy mpihira Pashto sady mafana fo mpanohitra ny Taliban) taloha noho ny namonoany ilay mpihira sy ny rainy tamin'ny 2012.

Ghazala Javed (1988-2012). Image courtesy Wikipedia

Ghazala Javed (1988-2012). Sary tao amin'ny Wikipedia

Nanohitra tamin-kafanam-po ny faneren'ny Talibana azy tsy hihira i Ghazala Javed fony fahavelony ary nijoro nanohitra ny fametrahana ny Taliban tany amin'ny Swat tanindrazany. Efa nifehy fotoana fohy an'i Swat ny Taliban ary voaroaka tao taorian'ny paik'ady nataon'ny tafika Pakistane tamin'ny 2009.

Fanamelohana ho faty roa sosona no azon'i Jehangir Khan vadin'i Ghazala taloha, miaraka amin'ny onitra 70 tapitrisa Rs (0,7 tapitrisa dolara amerikana). Nilaza ny fanapaha-keviny hampakatra fitsarana ambony izy.

Nanohina ireo Pakistane maro ny didim-pitsaràna ary dia notsarovana tao amin'ny Twitter ilay mpihira mahery fo.

Naneho ny fisindàn'ny ahiahiny i SAbaseen taorian'ilay sazy :

Tsara ny mahalala fa nahazo ny fahamarinana ihany ny farany ilay malalanay taloha i #GhazalaJaved — somary diso tara… nefa aleo tara toy izay tsy nisy mihitsy, eh.

— SAbaseen (@SesapZai) 16 Desambra 2013

Zanatany Pashtun i Ghazala ary nihira tamin'ny fiteny Pashto, fiteny avy any Pakistana Avaratra-andrefana. Nankasitrahan'ny iray amin'ireo mpankafy azy, mpiserasera amin'ny Pashtun Twitter, ilay didy : 

Tiako ho hita mihantona ho vonoina ho faty mihitsy io bandy io noho ny namonoany an'i #GhazalaJaved. Hevitra tsara. http://t.co/fZd1eaZufp

— Schazad Bangash (@schazad)  16 Desambra 2013 

Izao no nolazain'i Nazrana Yousufzai, mpiserasera amin'ny Twitter Pashtun tamin'ny nanehoany hevitra momba ilay didy : 

#RIP GhazalaJaved- Nahazo izay mendrika azy ny mpamono anao — http://t.co/nmGtukImUj

— Nazrana Yousufzai (@NazranaYusufzai) 16 Desambra 2013

Izao kosa no navalin'ny ampanjaka Pashtoon ho fanehoany ny tsy fahatokisany ny rafitra ara-pitsaràna sy ny lalàna:

@NazranaYusufzai Ho hitanareo fa hihena 6 taona io sazy io mandra-pahatongan'ilay Fitsarana Avo.

— Royal Pashtoon (@samzmer)  16 Desambra 2013

Navoakan'ilay mpanao gazety Javed Aziz Khan ny sarin'ilay mpihira :

Ny mpihira #GhazalaJaved, novonoina tamin'ny 2012 tany #Peshawar. Nomelohin'ny fitsaràna ho faty ny vadiny taloha tamin'ny namonoany azy  pic.twitter.com/pKoCTsQgtq

— The Commoner (@JavedAzizKhan) 16 Desambra 2013

Nalaza be tany Afganistana ilay hira Pashto an'i Ghazala. Iray amin'ireo fiteny fampiasaina andavan'andro any Afganistana ny Pashto. Nalefan'i Hyprgee ny horonantsarin'ilay fampisehoana farany nataon'i Ghazala tany Kabul :

Fampisehoana farany tamin'ny hira Pashto nataon'i Ghazala javed tao Kabal tamin'ny 2013, YouTube fizarana faha 5: http://t.co/YrFMCSVMF1 via @YouTube

— Hyprgee (@hyprgee) 18 Desambra 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.