Shina Sy Korea Avaratra: Ny Lahatra Tsy Azon'i Jang Song Thaek Nialàna Teo Ambany Fitondrana Jadona

Kim Jong Il's statue at Pyongyang. Photo by Flickr user: Matt Paish (CC: AT-SA)

Sarivongan'i Kim Jong ao Pyongyang. Sary an'i Matt Paish mpampiasa Flickr (CC: AT-SA)

Nampivanàka an'izao tontolo izao ny fanadiovana sy famonoana an'i Jang Song Thaek, dadatoan'ilay mpitarika ao Korea Avaratra, Kim Jong Un, indrindra fa i Shina mpifanolo-bodirindrina sady mpiara-dia aminy.

Jang, izay niandraikitra ny fanavaozana ara-toekarena tao Korea Avaratra, dia niara-niasa akaiky tamin'i Shina nikotrika ny fiarahamiasa ara-toekarena teo amin'ny tany roa tonta. Ao anatin'ny iray amin'ireo fiampangàna an'i Jang ny hoe nivarotany gaboraraka ny otrikarena sarobidy ananan'ny firenena

Raha toa ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny ao Shina milaza am-pahatoniana hoe “raharaha an-tokantranon” i Korea Avaratra ny famonoana an'i Jang, ireo Shinoa mpisera anaty aterineto kosa tezitra ary nandray fiovàna handinika momba ny endrika tsy maha-olona ny fanaovana jadona 

Ao amin'ny Sina Weibo, tranonkala miendrika Twitter, nokianin'i Lian Pang, mpikirakira lohahevitra sady mpanoratra, ny tsy fanànan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny hazondamosina:

张成泽被枪毙了,某国外交部发言人说“这是朝鲜的内部事务”。好吧,那发展核武器算不算内部事务?朝鲜发生这样残酷的人道灾难,国际社会其他成员都负有道义责任。[…]如此表态只会给外界一种站在邪恶一边的观感。

Novonoina i Jang Song Thaek ary niteny ny sasany amin'ireo solontenan'ny firenena vahiny fa  “Raharaha an-tokantranon'i Korea Avaratra io”. OK, ary ahoana ny fivoaran'ny resaka nokleary? Raharaha an-tokantrano ve izany?  Izay mitranga ao Korea Avaratra izao dia famotehana ny maha-olona ary tokony handray andraikitra ny mpikambana tsirairay ao anatin'ny fiombonambe iraisampirenena. […] Mahatonga ny erantany hanana fomba fijery anao ho mijoro eo anilan'ny devoly ny fihetsika misy ankehitriny

Namerina nijery ny tantara maoderin'i Shina i Christophfer Jing, mpanoratra iray, no sady nanontany momba ny fifamatoran'i Shina sy Korea Avaratra:

抗美援朝,无数中华儿女长眠异乡(战斗伤亡36万,非战斗伤亡41万,被俘2.1万),难道就为了传承白头山世袭血统金正恩这个80后暴君?朝鲜对中国的战略价值已成反作用,金家三代深谙中国,玩弄的正是中国,杀张成泽涉及与中国资源合作,一个喜怒无常的君主制,一翻脸就是中国的死敌,一有原子弹,投谁?

Shinoa tanora marobe no maty tao anatin'ny ady nanohanana an'i Korea Avaratra nanoloana an'i Etazonia (Miaramila Shinoa 360.000 no maty ary sivily 410.000; nalaina an-keriny ny 21.000 ). Izany rehetra izany ve no nataontsika sorona mba hanampiana an'i Kim Jung Un, andian-taranaka mpanao jadona taty aorian'ny taona 80, mba handovàny ny fanjakàna? Ankehitriny ny toerana stratejika misy an'i Korea Avaratra ho an'i Shina dia mitondra vokatra mifanohitra amin'izay nandrasany. Namadika an'i Shina ireo andian-taranaka telo avy amin'i Kim. Mifandray amin'ny fiaraha-miasany amin'i Shina no namonoana an'i Jang Song Thaek. Vantany vao mivadika ho fahavalon'i Shina ilay mpitondra tsy refesi-mandidy, raha manana baomba atomika izy, aiza io no hatodiny?

Notetezin'i Xia Shang, Shinoa mpanoratra tantara, ireo kiana miantefa amin'ny rafi-pitondrana jadona:

三胖杀姑父根本不是国家事件,而是打着党名义的金家私事。张成泽作为独裁政权的捍卫者和帮凶,也不过是入瓮之君,死得其所。专制的游戏规则就是没有规则,一切均以一党一己之私利为纲。也别嘲笑白头山血统的说辞,井冈山血统依然伟大光荣正确。

Tsy misy ifandraisany amin'ny tombontsoam-pirenena mihitsy ny namonoany ny dadatoany. Avadiny ho fandraharaham-pianakaviana ny antoko. Namandri-tena ihany i Jang Song Thaek amin'ny maha-mpanohana ny fitondrana jadona azy. Mendrika azy araka izany ny ho faty. Ny hany fepetran'ny fitondràna jadona dia ny tsy misy lalàna. Ny hany jerena dia ny tombontsoan'ny antoko. Aza ihomehezana ny fitakian'ny Tendrombohitr'i Paektu [ao Korea Avaratra] mba haha-ara-dalàna ny taranaka mitondra ny ràn'i Kim, manana ny rà nipoirantsika avy ao amin'ny tendrombohitra Jinggang [Fototry ny Tafika Mena an'ny Antoko Kaominista Shinoa] isika

Betsaka no nanakoako teny amin'ireo mpisera anaty aterineto momba ireo kiana tsara pasok'i Xia Shang natao ho an'ny fitondrana jadon'ny Antoko Kaominista Shinoa. Eto ambany ny fantina avy amin'ireo fanehoankevitry ny mpisera anaty aterineto, nadikan'i ChinaSmack :

“Top Tomb”: Potehan'ny mpitondra ny maha-olona ny vahoaka. Na iza na iza mitafy endrik'olona mitàna fahefana avo dia tsy tsara lavitra noho ny amboa. Ao anaty fiarahamonina iray misy jadona tsy refesi-mandidy, tsy misy olona afaka hahatsapa fitoniana!

mdjswc: Miaraka aminà fanadiovana mihoson-drà tahaka izao, mety efa miandry ao aloha ao koa ny andro farany ho anao! Rehefa ny dadatoanao izao aza tsy afa-miala amin'ny resaka fanadiovana, iza no azonao ianteherana? Araka ny fitenin'ny ntaolo hoe: Tsy misy hahazaka hikaika ny hatezeram-bahoaka! Na ny fiafaran'i Kim Jong-un aza mety mbola ho mampalahelo kokoa noho izao!

Nicolai: indrisy, tena mitovy! Anaty firenena toy itony, na dia ny tànan-kavanana aza tsy mahafantatra akory hoe mbola ho velona ve rahampiso, toerana izay naha-olo-manan-kaja azy ny omaly ary tampoka teo, tanaty indray mipi-maso,  dia lasa mpifonja, mainka fa ny olon-tsotra

Raha ny marina, ny famonoana an'i Jang dia nampitamberina tao an-tsain'ireo mpisera marobe ny fanadiovana goavana nandritra ny Revolisiona ara-Kolontsaina Shinoa. “Reincarnation-back-to-world”, mpampiasa Weibo tsy nitonona anarana, no nanoritra ny fifandraisana tamin'ny fomba tsy miolakolaka :

朝鲜对张成泽反革命集团进行大清洗,是当年文革的翻版;当年文革中,灭老刘、杀贺龙、整老彭、戮林彪,挑动全国武斗;也是当年苏联大清洗的翻版;斯大林杀害苏联高级军官老百姓上千万!清洗、镇压、独裁分子都这么干!

Famerenana ny Revolisiona Ara-kolontsaina ny fanadiovana an'i Jang Song Thaek, ilay mpanohitra ny revolisiona tao Korea Avaratra. Nandritra ny Revolisiona ara-Kolontsaina, ireo mpiara-dia fahiny Liu [Shaoqi], He Long, Peng Dehuai, sy Lin Biao dia samy novonoina avokoa ary ny firenena manontolo dia samy nitàna fitaovam-piadiana hahafahany mifamely daholo. Io koa dia famerenana ny fanadiovana goavana tao URSS (Firaisana Sovietika fahiny). Namono olom-panjakana ambony sy olon-tsotra maro i Stalin. Mankafy fanadiovana sy famoretana daholo rehefa mpitondra jadona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.