Breziliana Dimy, Mitia Ny Zavatra Ataony Ary Manao Ny Zavatra Tiany

A revista #AMF, ou #AmoMeuFazer é uma publicação da Editora Florista. www.amomeufazer.com.br | www.editoraflorista.com.br | Facebook | @amomeufazermagr Fotos: Gleice Bueno, usadas com permissão

Ny gazetiboky #AMF ( fanombohan'ny #AmoMeuFazer: Tiako ny zavatra ataoko) dia avy amin'ny famoaham-bokin'ny “Editora Florista”. www.amomeufazer.com.br | www.editoraflorista.com.br | Facebook | @amomeufazermagr photos: Gleice Bueno, nahazoan-dalana

[amin'ny teny portiogey ny rohy rehetra] Nivoaka voalohany tamin'ny septambra 2013 ny #AanmoMeuFazer (#AMF) izay gazetiboky breziliana mivoaka indroa isam-bolana mikasika ireo olona izay mitia ny zavatra ataony, mitantara ny fiainan'izy ireo sy ny fomba famoronany.

Gente que – a partir de seu fazer – mudou sua trajetória de pensar, sentir, se relacionar, trabalhar e viver. Ou simplesmente encontrou uma forma de realização e de alegria cotidiana naquilo que produz. Retratamos os mais diversos fazeres, seus processos criativos e a beleza de cada um.

“Olona nanova ny fomba fisainany, fahatsapany, ny fifandraisany amin'ny hafa, ny fiasany ary ny fomba fiainany tamin'ny alalan'ny zavatra nataony. Na nahita tsotra izao ny fanatontosana ny asa andavanandro sy ny hasambarana amin'ny zavatra ataony. Hamelabelatra ireo fanao isan-karazany, ny fomba nentin-dry zareo nanagan-javatra, ary ny hatsaran'ny zavatra nataon'ny tsirairay tamin'izy ireo izahay.”

Bilaogy no nanombohany, A Florista, izay nandritra ny telo taona, nanangona sarin'endrik'olona mitia ny zavatra ataony, ka ireo no nantsoiny hoe “Voninkazo”. Vetivety avy eo dia nisy ireo vehivavy namana bilaogera: Karine Rossi, Gleice Bueno ary Dani Scartezini, nahatsikaritra fa ny tian'izy ireo tamin'ny bilaogy dia “ny fifaneraserana, mahafantatra akaiky kokoa, manoratra sy mizara ireo tantara marina sy manova fiainana”.

Izay no nandraisan'ity bilaogy ity ny anarana hoe Editora Florista, ka ny vokatra voalohany dia ny gazety an-tserasera #AMF, izay hamarana ny telovolany voalohany tamin'ny tafatafa miisa 18 arahina sary mahafinaritra sy horonantsary aza indraindray. Ny vokatra faharoa: Escola do Fazer (sekolin'ny fahaiza-manao), izay tetikasa mikendry ny olona hitia ny zavatra ataony, sy ireo olona te-hianatra zavatra iray mety hahitany fahasambarana, hizara ny fahaiza-manaony.

Amin'ity lahatsoratra ity ary, dia nifantina vehivavy dimy izahay izay notantaraina tao amin'ny gazetiboky #AmoMeuFazer. Ny zavatra iraisan'izy ireo dia ny fananana fahasahiana handao asa tokana na maro mba hanatanterahany izay zavatra tiany ary dia nanomboka nankafy tokoa ny zavatra ataony.

Mpahay maritrano lasa mpanabe

Nanao fiofanana momba ny maritrano i Fabi Diaz, dia nanokatra fivarotana toera-pisotroana tao Sao Paulo ary farany dia nandao ny zava-drehetra mba hiaina any Bahia. Tao amin'ity toerana ity dia Ny fifangarihan'ny hatsaran'ny natiora sy ny fahantrana manjaka ao an-toerana no nanosika azy hiasa ao amin'ny sehatry ny fanabezana ankizy. Enin-taona izay, nanangana sekoly iray izy, Jardim do Cajueiro, toerana lehibe hianarana zava-kanto, mozika, ny fiaraha-miaina ary ny fanentanana [fanairana] momba ny tontolo iainana:

 A coragem sempre presente, o olhar para as crianças, as necessidades delas e de suas famílias, nos norteava e a costura era feita através de muito estudo, antroposofia e pedagogia waldorf. […] A escola ainda vive de apadrinhamentos. Pessoas que pagam os custos da manutenção de uma criança na escola. Como trabalhamos com 75% de bolsitas, este apadrinhamentos são fundamentais.  A ajuda de cada um é importantíssima e estamos sempre nesta batalha de conseguir cada vez mais padrinhos.

Este ano conseguimos uma ajuda financeira para a construção de nossa sede própria, outro grandioso sonho! Ganhamos um terreno da prefeitura em reconhecimento por nosso trabalho e depois de um ano de batalha começamos nossa obra. Temos apenas um terço do valor total da obra, e para concluir este importante passo, precisamos também da participação de todos que possam ajudar de alguma forma, ou doando ou nos ajudando a captar estes recursos.

O tamanho da escola, 70 crianças hoje, e com a previsão de crescimento de uma turma por ano, já está com proporções que não cabem mais em casas alugadas. Precisamos mesmo de nosso espaço. Os planos são grandes, não dá mais para desistir, agora somos muitos, muitas famílias, muitas vidas, muitos destinos… A empreitada é enorme.

Sinto que precisamos de mais e mais sonhadores conosco: tocar corações é nossa meta, transformar amorosamente é nosso desafio. Quero proporcionar com essa história, um verdadeiro foco de luz para iluminar as diversas possibilidades de caminhos que existem para todos aqueles que cruzam o nosso caminho, e que de alguma forma, querem ajudar a fazer um mundo melhor.

Misy hatrany ny herim-po, ny topi-maso mankany amin'ny ankizy, ny filan'izy ireo sy ny fianakaviany, nanondroanay  ny lalana, ka dia tafapetraka avokoa ny zava-drehetra taorian'ny fianarana maro natao, fianarana ny fahendren'olombelona sy ny pedagojia Waldorf… Miankina indrindra indrindra amin'ny fanohanan'olona miantoka fikarakarana zaza iray ny sekoly. Tena zava-dehibe tokoa ity fanohanana ara-bola ity satria mandray vatsim-pianarana ny 75%-n'ny mpianatra ato aminay. Zava-dehibe ireo fiantohana mpianatra ireo, ary mitolona mandrakariva izahay hahazoana mpiahy bebe kokoa

Nahazo fanampiana ara-bola entina hanorenana ny ivon-toeranay izahay tamin'ity taona ity,  nofy iray lehibe [tanteraka]. Nanome sombin-tany ho anay ny fiadidiana ny tanàna ho fankasitrahany ny asanay ka herintaona nitolomana dia manomboka ny asa fanorenana izahay. Ny ampatelony amin'ny vola ilaina ihany no ampela-tananay hamitàna ny fananganana, ka hahatrarana io dingana lehibe io dia mila ny fandraisana anjaran'ny rehetra amin'ny fomba rehetra izahay, na manolotra fanampiana na manampy anay hanangom-bola.

Tsy mety amin'ny trano hofaina intsony ny haben'ny sekoly, mandray ankizy hatramin'ny 70, miaraka amin'ny vinavinam-pitomboan-kilasy iray vaovao isan-taona. Mila toerana manokana izahay. Lehibe ny fikasanay, tsy afa-miverina ilalana intsony satria maro, fianakaviana maro, aina maro, lalam-piainana maro izahay… goavana ny Fifanarahana.

Mino aho fa mbola mila olona maro dia maro hifampizara nofy aminay izahay. Ny tanjonay dia ny hahatratra fon'olona maro, fanambinay ny isian'ny fanovana amin'ny alalan'ny fitiavana. Te hanolotra zavatra tena tokony ifantohana hanazava izay lalana rehetra azo heverina amin'izay mifanena aminay izahay, sy ho an'ireo  te-handray anjara ho amin'ny tontolo tsara kokoa.

Fabi Diaz

“Ireto ankizy ao anaty fahafahana, mahafinaritra, saingy malalaka loatra ve ry zareo! Fahafahana tahaka ny ahoana moa izany mora mifangaro amin'ny fahaverezana izany” (Fabi Diaz)

Vehivavy Mpandihy Lasa Doula

Nanapa-kevitra ny handao asa telo i Maíra Duarte mba handehanana an-tany hafa, “mijery ranomasina, mandinika ary mieritreritra ny fiainana”. Tany amin'ny tanàna kely izay tsy misy herinaratra no nahitany ny talentany tamin'ny haifitsaboana isankarazany, ny fampiterahan-jaza amin'ny fomba voajanahary no iray tamin'ny dingana iray lehibe nitondra azy hanao ny asan'ny doula :

Estava sem dinheiro nem para voltar e meu plano não tinha dado certo. “O que eu faço agora?!“ O dono da casa em que eu me hospedava disse: “quando eu não sei o que fazer, desço o rio”. Peguei uma bóia bem grande e fui para o Rio Caraíva. Correnteza me levando até o mar. Olhando o céu, chorando, limpando o coração, deixei o corpo seguir no curso do rio. E entreguei para o mar os meus medos. No caminho fui fazendo uma retrospectiva mental. Lembrei das coisas fundamentais, das pessoas fundamentais, de minhas aulas de dança e das massagens que lá aprendi.

Chegando na praia me veio uma ideia. Em uma camiseta escrevi: “Massagem! Fale comigo” e desenhei uma mão aberta, com uma espiral no centro. Pedi umas dicas básicas para uma amiga massagista que estava por lá, relembrei o que já sabia e confiei nos meus sentidos. Saí pra andar na praia vestindo a camiseta. Logo uma pessoa se aproximou interessada, depois outra e outra… Foi um mês de bastante trabalho. Voltei com dinheiro no bolso e sabendo o primeiro passo a dar no novo ciclo: estudar Ayurveda*.[…]

Acompanho toda a gestação em um pré-natal terapêutico, paralelo ao médico, com massagens, conversas e orientações ayurvédicas. Procuro criar um espaço aberto para a gestante se informar, trabalhar os medos, se preparar física e emocionalmente para o parto e o pós parto. Esse espaço é também para os companheiros (ou companheiras em alguns casos) encontrarem seu lugar nisso tudo. Assim, aprendem a cuidar das mulheres e de si, entendendo melhor esse processo do qual por décadas foram excluídos. As massagens são momentos de forte conexão entre o bebê e a mãe. Sinto-me muito ligada a eles particularmente nessa hora. Massagear um bebê dentro da barriga de sua mãe durante vários meses estabelece um vínculo profundo. E assim vamos juntos trilhando um caminho para aquela gestação. Isso pode envolver muitas conversas, banhos terapêuticos, orientações alimentares e de práticas respiratórias. Cada gravidez traz uma demanda que a gente vai sentindo enquanto a gestação flui.

Tsy nanam-bola mihitsy aho hodiana, ary tsy nitondra na inona nainona ny tetikasako. “Inona re no ataoko?” Ny tompon-trano izay nipetrahako milaza amiko hoe :” Rehefa tsy hitako izay atao, dia midina mankany an-drenirano aho!”. Naka lakam-pingotra aho ka nankany Rio Caraiva izay nitaona ahy hatrany an-dranomasina. Mijery ny lanitra ampitomaniana aho, nanadio ny foko aho, ary navelako hanaraka ny fikorianan'ny ony ny vatako. Nanolotro ny ranomasina ny tahotro manontolo. Nandritra izany dia izany dia nanao tamberina an-tsaina aho ka nahatsiarovako ireo zavatra izay lehibe tamiko, ireo olona niara-nianatra dihy tamiko nanova ny fiainako ary ireo fomba fanorana haiko tany !

Nitsiry ny hevitro raha vao tonga teny amin'ny tora-pasika. Nosoratako ny akanjo iray hoe : “Otra, miresaha amiko !” Ary dia nanao kisarisary tanana izay mivelatra miaraka amina marika mitangolingolika avy eo afovoany aho. Nangataka hevitra tsotsotra tamin'ny namana tany an-toerana aho, noresahako taminy ny tetikasako. Nandeha teny amin'ny tora-pasika nanao ilay akanjo (nosoratako) aho. Kelikely, nisy olona iray liana nanatona, dia tonga koa ny hafa, ary toy izay hatrany… Niasa tokoa aho nandritra ny iray volana. Nanambola am-paosy aho, ary dia tratrako ny dingana voalohany amin'ny ambaratongako (kodiaram-piainako) vaovao : hianatra ny Ayurveda aho.

Nanaraka fomba fikarakarana bevohoka mialoha ny hahaterahana, mifaindran-dalana amin'ny dokotera aho tamin'ny fanaovana otra, fifampiresahana ary ny fanomezana torolalana ayurvéda. Niezaka nanokatra sehatra ahafahan'ny mpitondra vohoka maka toro-hevitra, ifehezany ny tahony, ary ny fiomanany na ara-batana na ara-tsaina aloha sy aorian'ny fiterahana. Io sehatra io ihany koa no ahafahan'ny namana na vady mahita ny anjara toerany hikarakaràna ny vehivavy sy hahafantarany kokoa ny fizotran'ny zavatra iray tsy noraharahian-dry zareo nandritra ny ampolotaonany maro. Ny Otra no fotoana mampifandray akaiky ny reny sy ny zaza, mahatsapa ho mifandray amin'izy ireo koa aho amin'io. Miteraka  fifandraisana lalina ny manotra zaza iray ao am-bohoka nandritra ny volana maro. Ary amin'izay fotoana izay no miara-manokatra lalana iray manamorany fitondrana vohoka. Mety mampiditra fifampiresahana izy io, fitsaboana amin'ny alalan'ny fandroana, toro-hevitra ara-tsakafo ary fomba fiaina. Misy zavatra takiana hatrany izay mety ho tsapantsika mandritra ny fitondrana vohoka ny fitondrana vohoka tsirairay avy

 

Maira Duarte

Nahazo ny zanako lahy faharoa aho taorian'ny fampiterahana voajanahary haingana sy mahafinaritra. Nanokatra varavarana ho ahy io fiterahana io, ary nitondra hery sy fahatakarana ho ahy. Nanaraka taranjam-piofananana doula sy mpanabe  alohan'ny fahaterahana aho” (Maira Duarte)

Mpampianatra Lasa Mpanao Mofo

Nanao fianarana momba ny siansa sosialy sy ny haifampianarana[pedagojia] i Luciana Sápia. Nanao ny asa maha-mpampianatra, mpitantara angano ary mpiantsehatra izy. Rehefa lasa reny anefa izy, no nahatsikaritra ny fahaizan'ny tanany ka izany no nanomboka nanamboarany mofo, mofomamy ary sakafo hafa. Tao an-dakoziany no nipoiran'ny Confraria Santa Barbara, trano fanaova-mofo an-trano mampiasa ny fomban'ny mpanao taozavatra amin'ny alalan'ny famoronana miainga amin'ny fahalalana nentim-paharazana.

Essa maneira de atuar no mundo, me permitiu resolver o dilema de muitas mães modernas: como trabalhar fora e cuidar dos meus filhos?

Antes de ser padeira, era professora em um pequeno jardim de infância, o que ganhava não era suficiente para arcar com as despesas da vida,  e não queria estar ausente da vida cotidiana de meus filhos.

Estar dentro do mercado de trabalho, em um “emprego” convencional, seguramente remunerado, me consumiria muitas horas diárias e seguramente não supriria minhas necessidades anímicas, não poderia ser tudo o que quero: ser mãe, mulher, amiga, cozinhar, pintar, plantar, dançar… ser verdadeiramente feliz.

Foi quando comecei a fazer pão. Era apenas uma maneira de incrementar a renda mensal fazendo algo que eu gosto e oferecendo alguma coisa boa para as pessoas, logo percebi que se eu realmente quisesse poderia me bancar e ir muito fundo com essa história.

Comprei o forno, ajeitei a cozinha, arrumei os pães num cesto e agora estamos aqui!  Assim, daqui, da minha casa, no aconchego do meu lar, ao lado dos meus filhos eu proponho á vc: quer um pão fresquinho?

Meus sonhos são grandes. E a cada pão concretizo e alimento um pouco de cada um deles.

Tamin'ny fomba fiasa iray teo amin'ny tontolo no nahafahako namaha ny olana mahazo ny reny maoderina maro ankehitriny amin'ny safidy roa mahasanganehana: Ahoana no iasana any ivelany sy hikarakarako ireto zanako?

Talohan'ny naha-mpanao mofo ahy, dia mpampianatra teny amin'ny akanin-jaza aho, tsy ampy amin'ny fandaniana andavanandro anefa ny vola azoko amin'izany ary tsy te ho banga eo amin'ny fiainana andavanandron'ireo zanako aho.

Ny fandraisana anjara eo amin'ny tsenan'ny asa amin'ny alalan'ny asa “ifanarahana” sy ampy karama dia ho nandaniana ora maro isan'andro nefa tsy mahefa ireo zavatra tena ilaiko, ary mety ho tsy mahavita ny zavatra rehetra tiako atao aho: amin'ny maha-reny, vehivavy, ary namana, mahandro, mandoko, mamboly, mandihy… mba tena sambatra

Ary dia nanomboka nanao mofo aho. Nentina hanampiana ny karamako isam-bolana amin'ny fanaovana asa izay ankafiziko fotsiny izany tany am-boalohany sy anolorana zavatra tsara hoan'ny olona, hitako anefa avy eo fa tena tiako tokoa ilay izy ary ampy enti-manana ahafahana manohy azy

Nividy lafaoro aho, nandamina ny lakozia, napetrako tanaty harona ireo mofo ary dia teo izahay! Araka izany, tao an-tranoko, tao anatin'ny hafanan'ny tokantranoko, teo anilan'ireo zanako no afahako manolotra anareo hoe : “Mila mofo mbola mafana ve ianao?”

Tsara ny nofinofiko. Ary samy mamelona ny nofinofiko ny mofo vitako tsirairay avy.

Luciana Sapia

“Ireo tanako no tena niova indrindra nandritra ny fitondrako vohoka : tanan-dreny izay mitsapa ny tontolo, izay mitady fitiavana mba hanolorana azy amin'ny zaza vao teraka”

Mpanaingo Lasa Mpanjaitra

Nandao asany maha-mpanaingo azy i Gisele Dias ka lasa mpanao akanjo lamaody, havanana amin'ny fitafim-behivavy noforonina miainga avy amin'ny dantelina sy ny voninkazo. Rehefa manjaitra ny akanjo araka ny itiavan'ny mpanao komandy izy no milaza ny tantaram-pitiavana amin'ny alalan'ny akanjo:

A Modista abriu em 2005. Foram tantas dificuldades… É normal encontrarmos muitas delas quando decidimos fazer algo novo que não dominamos. Abandonar uma profissão é uma difuculdade. A passagem de uma coisa para outra implica escolhas… Escolher e escolher certo é tarefa dificil! No meu caso, sou exemplo de alguém que tinha uma carreira e foi para o comércio. Sim, é comercio! A gente não se lembra dessa parte quando decide montar um negócio e tem uma cabeça criativa.

Gisele Dias

“ je crois que la philosophie de la vie qui me motive et qui motive également le travail d'une modiste est un grand écart : exprimer les sentiments les plus sincères et les plus profonds au moyen d'un costume de mariée.…” (Gisele Dias)

Particularmente, sofri bastante lidando com gente. Assumo que não sou a pessoa mais sociável do planeta. Sou muito, muito reservada, nunca tive muito contato com público e o comércio me obrigou a isso. Foi bem dificil no começo. Mas, na verdade, foi uma grande escola. As dificuldades nos fazem crescer, quando temos humildade para aprender com elas. […]

Estou muito feliz com o que faço, mas me acho uma insatisfeita incondicional. ;-P. Quando não é uma coisa é outra e, ao meu ver, estamos apenas começando, apesar dos oito anos da loja. Temos muitas conquistas na mão, muitos objetivos para serem alcançados ainda e é isso que me move e que me faz olhar pra frente e para o futuro. Para viver fazendo o que se gosta é preciso humildade e entrega incondicional. Sem dúvida também o que move os desejos de qualquer pessoa é determinação e muita coragem. Vai sempre haver momentos dificeis, momentos de felicidade total, enfim… Lembro sempre de um ditado zen que diz que o segredo é: ser flexível como uma árvore e balançar com o vento sem se quebrar. Na minha vida acho que tudo acontece de forma muito orgânica e não muito racional. Tudo movido muito pelo emocional.

Nanokatra ny varavarany tamin'ny taona 2005 ny tranombarotra ‘A modista’. Tsy vitsy ny fahasarotana… tsy maintsy atrehina ny tahaka azy ireny rehefa manapa-kevitra hanao zava-baovao izay tsy mbola fantatrao tsara akory. Sarotra ny miala amin'ny asa iray, mila safidy maro ny fiovana amin'ny zavatra iray mankany amin'ny zavatra hafa… Ary asa sarotra ny fakana sy fisafidianana ny tokony atao! Izaho no ohatra iray amin'ny olona izay nanana asa ikaramana ka nandao ny asany mba hanao varotra. Eny, varotra no ataoko, tsy dia tsaroantsika loatra izay toe-javatra iray izay rehefa manan-tsaina mahay manangan-javatra isika ary manapa-kevitra ny hanomboka fandraharahana.

Tena mijaly aho rehefa mifampiraharaha amin'ny olona. Miaiky aho fa tsy ny olona maha-te-miaramonina indrindra etoambonin'ny tany. Mitandri-teny loatra aho ary tsy dia mifandray aman'olona eo amin'ny fiaraha-monina, saingy nanery ahy hanao izany ny varotra. Somary sarontsarotra izany tany am-boalohany. Saingy fianarana tsara izany satria ny fahasarotana no mahalehibe antsika rehefa manana fanetren-tena hianatra avy aminy isika…

Sambatra tanteraka amin'ny zavatra nataoko saingy tsy mety ho afa-po mandrakizay. Rehefa tsy zavatra iray, dia hafa, ary amiko dia mbola eo am-panombohana hatrany izahay na dia efa valo taona nisokafana aza… nahomby ny zavatra maro, nefa mbola betsaka ny tetikasa tratrarina ary toy izany no fiasako, ny fiatrehako ny fiainako sy ny hoaviko. Raha hiaina hanao izay tiana atao, dia mila fanetre-tena sy fahalalahana tsy misy fepetra izany. Marina fa ny fahavononana sy ny fananana herim-po betsaka no mampandroso ny tetikasan'ny tsirairay na iza izy na iza. Hisy hatrany ny fotoan-tsarotra sy ny fotoam-pifaliana tanteraka…Mahatsiaro ohabolana zen iray aho manao hoe “ny tsiambaratelo lehibe dia ny afa-mihevotra toy ny hazo izay milefitra amin'ny rivotra fa tsy tapaka!” Eo amin'ny fiainako,  dia mino aho fa tonga araka ny fiasan'ny taova fa tsy ara-tsaina loatra ny zava-drehetra. Entin'ny fientanam-po matetika ny zava-drehetra.

Mpisolovava Lasa Mpitsabo (tsy dokotera)

Niasa amin'ny maha-mpisolovava azy eo amin'ny sehatry ny zon'ny fianakaviana nandritra ny taona vitsivitsy i Titi Vidal, nahazo asa tsara izy, saingy tamin'ny fialamboly iray no tena nahitany ny nanaovana azy. Ankehitriny dia mpijery vintana amin'ny alalan'ny laharan-kintana sy amin'ny alalan'ny karatra, ary mpitsabo amin'ny mahaolona feno izay tsaboiny fa tsy amin'ny maha-marary azy i Titi, miasa mandritra ny 12 hatramin'ny 14 ora isan'andro izy ary tsy mbola nahatsiaro ho sambatra tahaka izany :

Trabalhava como advogada durante o dia. À noite e aos finais de semana comecei aos poucos a atender e continuei a estudar. E fui me tornando Astróloga e Taróloga. 
Acabei conhecendo e estudando algumas técnicas terapêuticas e me tornei, também, terapeuta holística.

Sei que um dia, depois de muitos sinais que pedi, recebi um muito claro e pedi demissão em meu emprego. Já tinha recebido vários pequenos sinais, mas este não teve como não ser ouvido. Fazia, na época, um curso de mitologia. O professor falava de um determinado mito quando, no mesmo dia em que eu havia pedido aos anjos um claro sinal, interrompeu a aula do nada para falar sobre Apolo, que nada tinha a ver com o que vinha falando até então. Disse claramente que na vida tínhamos que ser como Apolo, que abandonou tudo para seguir sua verdadeira vocação. E sobre isso falou por um tempo considerável, talvez até que eu percebesse que o recado era para mim. Então decidi, no dia seguinte, pedir demissão. A minha surpresa foi quando me ofereceram o dobro para eu ficar. “E agora?” Pensei eu! “Será que o sinal era para isso?”. Mas firme e forte mantive minha decisão e comecei a me dedicar em período integral ao que em breve seria mesmo minha profissão.

E assim foi e ainda é. Sou Astróloga e Taróloga. E das técnicas terapêuticas que pratiquei encontrei-me principalmente na Radiestesia e então me tornei também Radiestesista.
 E estas são minhas profissões, minhas áreas de atuação e o que hoje me faz muito feliz. Amo o que faço. 

Nanao ny asa maha-mpisolovava aho amin'ny atoandro saingy mitady zavatra hafa atao sy nanohy mianatra ny alina sy ny faran'ny herinandro. Lasa mpijery vintana amin'ny laharan-kintana sy mpijery vintana amin'ny karatra aho. Farany aho lasa nianatra, namantatra fomba fitsaboana vitsivitsy ary lasa mpitsabo mijery ny mahaolona manontolo fa tsy amin'ny maha-marary azy.

Fantatro fa indray andro any, rehefa nangataka famantarana, dia nahazo hafatra iray tena mazava be aho ka niala tamin'ny asako.

Nanaraka fampianarana momba ny anganongano grika aho. Niresaka angano iray izay ny mpampianatra, no nangataka famantarana mazava tamin'ny anjely anjely aho, notapahiko ny fampianarana mba hiresahako momba ny Apollon izay tsy misy ifandraisana amin'izay noresahanay tamin'io andro io. Nolazaiko mazava fa tokony ho tahaka an'i Apollon isika eo amin'ny fiainana ary mba hanary ny zava-drehetra mba handeha amin'ny nanaovana antsika tokoa. Niresaka maharitra momba izany aho mandra-pahafantarako fa natao ho ahy izany hafatra izany. Tamin'io fotoana io, izay tena nahagaga ahy, no nampitomboina indroa avo heny ny karamako aho mba hijanonako ! Dia hoy aho hoe : dia ahoana, izay ve ilay famantarana ? Nofikiriko ny hevitro handeha aho ary nanokateny manontolo ho amin'izay lasa asako.

Mpandinika ny vintana amin'ny kintana aho, mpandinika ny vintana amin'ny karatra ary mandritra ny fomba fitsaboana ataoko no nahitako ihany koa ny fitsaboana amin'ny alalan'ny taratra. Ireo no asako, ny sehatra idirako, izay tena mahasambatra ahy ankehitriny. Tiako ny zavatra ataoko.

Titi Vidal

(Titi Vidal)”Fantatro fa hisy fotoana izay hitsapana antsika. Nisedra fitsapana tamin'ny rehetra isika izay manontany raha tena io tokoa no tiantsika atao” (Titi Vidal)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.