Milina Famoronana Tantara: Meograph

categorie: media, interactive-storytelling

Fanamarihan'ny Rising Voices: Nivoaka tao amin'ny Transom.org io lahatsoratra io tamin'ny voalohany, izay fampirantiana sy atrikasa ho an'ny mediam-bahoaka, miaraka amin'ireo Atrikasa Momba ny Tantara indroa isan-taona ary Atrikasa anatin'ny Aterineto iray vaovao. Naverina navoaka teo ambany fahazoan-dàlana ny lahatsoratra.

Manohy ny resakay miaraka amin'ireo olona mpanamboatra Milina Famoronana Tantara izahay. Mametraka andiam-panontaniana izahay. Mandefa valiny sy ohatra amin'ireo fitaovana ampiasainy izy ireo. Ny manaraka amin'izany dia i Misha Leybovich, Mpamorona sady PDG-n'ny Meograph (“Fitantarana tantara amin'ny lafiny efatra”)   

Avy ao amin'ny vohikalan'ny Meograph:

“Ny Meograph no fomba tsotra indrindra hamoronana tantara “multimédias”. Na tsy misy fanofanana aza dia afaka mamorona tantara avy hatrany ianao momba ny vaovao, ny Tantara, ireo fivahinianana, ireo trangan-javatra eo amin'ny fiainana, ary hafa koa amin'ny alalan'ny fanakambanana lahatsary, feo, sary, lahatsoratra, rohy, sarintany sy alimanàka. Avy eo zarao amin'ny alalan'ny fametrahana izany n'aiza n'aiza ao anaty aterineto, na amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy tianao indrindra.

“Ampiasain'ireo fikambanana media goavana, ireo orinasa manerana izao tontolo izao, ireo sekoly an'arivony, ary ireo mpitantara an'alinaliny, ny Meograph . Eo andalam-panaovana ny fanehoan-kevitra ao amin'ny media ho demokratika izahay ary am-panamboarana ny fitohizan'ireo fitaovana mora ampiasaina”.

 
 

Meograph avy amin'ny andian-tantara an'onjam-peom-bahoaka PRI's The World:

Transom: Inona no mahasamihafa ny rindrambaikonao amin'ireo vahaolana hafa mikasika ny fitantarana tantara?  

Misha Leybovich (PDG-n'ny Meograph): Tena faran'izay mora ampiasaina ny Meograph, mitondra ireo karazanà “multimédias”, mamokatra tontolo sy trangan-javatra amin'ny fomba tsy ataon'ny hafa, sady azo avaozina amin'ny fotoana rehetra.

Meograph eo amin'ny asa fanaovan-gazety — Univision (amin'ny teny Espaniola) miresaka ny lova navelan'ny Papa Benoît XVI

Transom: Inona avy ireo singa azo ampidirina ao anatin'ireo zavatra arantinareo (miaraka amina traikefa inona avy)?

ML:

  1. Lahatsary (avy ao amin'ny YouTube)
  2. Feo (na nalaina mivantana avy ao amin'ny fitsidihana aterineto na nakarina)
  3. Ireo sary (na nakarina na avy amin'ny URL efa misy ao anaty aterineto)
  4. Lahatsoratra (any amin'ireo toerana maro)
  5. Ireo toerana (ao amin'ny Google Maps sy Earth)
  6. Fandrindràna ara-Tantara (ireo daty, fotoana, sy ny ampahan-java-niseho)     
  7. Ireo rohy (ho an'ireo URL hafa)

Transom: Misy endrka hafa vaovao ho tonga ve amin'ity taona ity?

ML: Nanampy sehatra fikarohana izahay. Manara-maso ny amin'ny hisianà hatsarana kokoa eo amin'ny zavatra azon'ilay vokatra atao, fanapariahana aminà dingana ampolony latsaka mankany ambony, ary fahaizana mifanaraka kokoa amin'ireo tolotra hafa.

Transom: Ireo tantara tsara rehetra mikasika ny fananganana ny fitaovana fitantarànareo: sàkana/safidy henjana/fanambaràna?    

ML: Kisendrasendra io  zavatra rehetra io. Niangaran'ny vintana izahay tamin'ny fametrahana vokatra toa tian'ny olona sy mahavonona azy ireo hizara ireo tamberina  mahakasika izany, sy tamin'ny fanananay tarika afaka handray andraikitra haingana. Ny zavatra tsy nety lehibe voalohany indrindra dia ny dika voalohan'ilay fitaovana fanoratana ho an'ny volana voalohany taorian'ny famoahana azy: be zavatra sarotra takarina loatra ka sarotra ampiasaina … na dia tamin'izany fotoana aza aho dia resy lahatra fa hahazo maripankasitrahana eo amin'ny endrika izany noho ny fivoarann'ny UI-ny.

Transom: Inona no voarainao mikasika ny fomba fitantaran'ny olombelona tantara? Mikasika ny fomba fijerintsika, famakiantsika, ary fihainoantsika azy ireo?       

ML: Mampihetsi-po ny fahaizan'ny olona mamorona, ary hahita fomba vaovao sy tsara maro hatrany izy ireo hampiasàna ireo fitaovana famoronana. Nanangona ireo fampiharana tsara vitsivitsy mikasika ny fomba fitantaràna dizitaly izahay (ny fomba hifidianana ireo teboka mivoitra indrindra sy hametrahana ny vanim-potoana manodidina azy ireo) sy momba ny fanoratana (tsotra, manome torolàlana amin'ny paika, saingy malefaka).

Meograph anatin'ireo Fikambanana tsy mitady tombontsoa – Manambara ny tantaran'izy ireo miaraka amin'ny media manankarena ny fikambanana iray tsy mitady tombotsoa

Transom: Afaka mandefa ny asany amin'ny endrika rehetra (HTML, XML), mitahiry izany, na mampiasa izany aminà rindrambaiko hafa mihitsy aza ve ireo mpampiasa izany? (Apetrako tsy an-kifonofono ity, raha toa ka tsy mahomby ny tetikasanareo, ary tsy maintsy hanakatom-baravarana, inona no azon'ireo mpampiasa izany avotana ka hampiasaina any an-kafa?)    

ML: Ny fitaovana ampiasainay dia HTML azo asisika, ary apetraka ho failo JSON ireo Meograph. Raha hitranga ny tsy ampoizina, sanatria, tsy hanana olana izahay hamela ireo mpampiasa hisintona ny votoatiny. Saingy tsy dia inoana hitranga loatra izany tranga mandavo izany.

Transom: Karazanà teknolojia toa inona no iankinan'ny vokatrareo sy ireo singa miaraka aminy?

ML: Ruby on Rails, CoffeeScript, Haml, Sass.   

Transom: Efa afaka nampiditra ireo zotra mpanome torolàlan'ny Web Accessibility Initiative sy ny Accessible Rich Internet Applications (WAI-ARIA) ve ianareo?

ML: Afaka nampiasa ny vohikalanay tsy misy olana ireo olona amin'ny taona rehetra sy manana traikefa.

Transom: Ahoana ny toerana misy ny tantara/ny asa fanaovana gazety/ny multimedia eo amin'ny fiainanao?

ML: Efa mpitantara foana izaho sy ny mpiara-mpamorona amiko, Francis hatrizay … izy teo amin'ny horonantsary sy multimédia, izaho mpilalao. Miara-miombom-pitiavana eo amin'ny hanamoràna ny fomba fitantaràn'ny olona ny tantarany izahay.

Transom: Misy hevitra mikasika ny fivoarana nananan'ny fitantaràna, sy ny vokatry ny Aterineto ary ireo media dizitaly ve? 

ML: Mbola eto ampanombohana ny homen'ny media feno izahay eo amin'ny lafiny fitantaràna feno izay azon'ny rehetra atao. Miaraka amin'ny Meograph, manantena ny hitari-dàlana izahay!

Meograph iray (amin'ny teny Espanola) mikasika an'i Jimi Hendrix:

 

I Misha Leybovich dia Mpamorona sy PDG-n'ny Meograph. Jereo ny famintinana Meografikan'ny Transom tamin'ny taona Roambinifolo sy roa arivo.

Afaka manaraka ny transom.org ao amin'ny vohikalan‘izy ireo ianareo. Ny hajian-tsary famantarana nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity dia sary nalaina tao amin'ny vohikalan'ny Meograph.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.