Mpanohitra Politika Saodina Karavasiana, Didy Navoakan'ny Mpitsara

Nosazian'ilay mpitsara Issa al-Matrudi higadra efa-taona an-tranomaizina sy kapoka karavasy 300 i Umar al-Saed, mpikatroky ny zon'olombelona noho ny fikatrohany milamina niaraka taminà Fikambanana miaro ny zon'Olombelona ao Arabia Saodita, ny Fikambanana miaro ny zo sivily sy politika (ACPRA).

Nosamborina tamin'ny 28 Aprily i Al-Saeed, 24 taona, rehefa nandà atao famotorana tsy misy mpisolovava. Mpikambana fito avy ao amin'ny ACPRA no any am-ponja amin'izao fotoana izao.

Umar al-Saed outside the interrogation office via @181Umar

Umar al-Saed tao ivelan'ny birao fanaovana famotorana, sary avy amin'ny @181Umar

Notapahana nandritra ny fotoam-pitsarana miafina natao tamin'ny Alakamisy 12 Desambra 2013 ny didim-pitsarana.

Tamin'ny volana Martsa, nanapa-kevitra hanafoana ny ACPRA ny mpitsara iray ary nanome sazy 10 sy 11 taona an-tranomaizina tsirairay avy ho an'ireo olona roa mpanorina ny fikambanana, Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid. Tamin'ny volana Jiona, mpikambana mpiara-manorina iray hafa, Abdualkareem al-Kader, no nambara fa meloka ary voasazy higadra valo taona an-tranomaizina.

Tamin'ny fotoam-pitsarana teo aloha, tsy navelan'ny mpitsara haka mpisolovava i Al-Saeed. Nandà hiresaka (atao famotoroana) i all-Saeed taorian'izany raha mbola voahitsakitsaka ireo zony, ka nanapa-kevitra hanemotra ny fotoa-pitsarana ny mpitsara. Tamin'ny Alakamisy, nanapa-kevitra tampoka hamoaka didy ilay mpitsara.

Namoaka fanambarana [ar] ahitana ny resadresaka an-tariby nifanaovan'i al-Saed tamin'ny mpisolovavany ny ACPRA: 

أخذت من السجن اليوم الساعة الثامنة صباحا وبعد أن قيدوني واركبوني السيارة, توجهوا بي إلى المحكمة, أدخلوني مكتب القاضي وكان خاليا, دخل القاضي عيسى المطرودي وقال: لديك جلسة اليوم. السعيد: أنت لم تحدد موعد في الجلسة السابقة, ووكيلي يحضر إليك كل أسبوع يسأل عن الجلسة القادمة ولم تحدد موعد, و الآن تريد عقد جلسة سرية! أنا أرفضها. القاضي: ليست سرية, وهذا الباب خلفك مفتوح! السعيد: الجلسة العلنية من شروطها أن تكون بموعد مسبق حتى يحضر وكلائي ويدعى الجمهور. القاضي: أنا رئيس الجلسة و أنا من يحدد هل هي علنية أم لا. السعيد: سبق الحديث عن هذا الموضوع وإعادة الكلام لا يفيد, لذلك أنا سأمتنع عن الحديث مطلقا.

Androany tamin'ny 8 ora maraina, nalain'ny fiara tao am-ponja aho rehefa avy nofatorana gadra vy ny tanako. Nitondra ahy tany amin'ny fitsarana izy ireo ary nentiny tao amin'ny biraon'ny mpitsara izay babangoana aho. Tonga ilay mpitsara antsoina hoe Issa al-Matrudi ary nilaza tamiko fa: «Manana fotoam-pitsarana ianao androany”. al-Saed: “Tsy namaritra fandaharam-potoana ianao tamin'ny fotoam-pitsarana teo aloha ary tonga isan-kerinandro ny mpisolovavako mba hanontany anao mikasika ny fotoam-pitsarana manaraka, saingy tsy namaritra daty ianao, ary amin'izao fotoana izao ianao te-hanatanteraka fotoam-pitsarana miafina! Laviko izany! “Mpitsara: «Tsia, tsy miafina na atao mangingina ny fotoam-pitsarana, misokatra ireo varavarana aoriananao.». al-Saed: “Ho an'ny fotoam-pitsarana azon'ny daholobe hatrehina, tokony ambara mialoha izany mba ahafahan'ireo solontenako manatrika izany sy ny olona mba hanatri-maso.” Mpitsara: “Izaho no lehibe sy mitarika ity fotoam-pitsarana ity ary izaho ihany no manapa-kevitra raha azo atrehin'ny daholobe izany na tsia.” al-Saed: “Efa noresahantsika izany teo aloha ka tsy ilaina ny mamerina izay efa nolazaina ka mandà tsy hiresaka mihitsy aho.”

Fanampin'izany, namoaka lahatsoratra nosoratan'i al-Saed tany am-ponja [ar] ny ACPRA izay mivaky hoe:

أنا المعتقل المفتخر بصنيعه عمر بن محمد السعيد أتلو لكم دوافعي ومسببات سجني وهي كرهي للظلم واختلاق الألم والتعاسة في وجوه الناس واستغلال جمودهم و استغفال عقولهم والحيلولة دون أرزاقهم ولوازمهم الإنسانية (تعليم مواكب للعصر/ وظيفة كريمة/ سكن مناسب) إزاء مطامع شخصية شرسة محتمية بالسلطة لتأمين هذه المناهب والفساد.

Gadra afa-mirehareha aho, Omar Mohammad al-Saed. Ampahafantariko anao ny antony nandrisika sy ny antony nanagadràna ahy: ny fankahalako ny tsy rariny, ny fijaliana, ny fahantrana, ny fanararaotana ny fahanginan'ny olona, ka mandray azy ho tahaka ny adala ary manaisotra aminy ny filàna maha-olombelona (fampianarana maoderina, asa sy fonenana mendrika) ho tombotsoan'ireo olona maherisetra tohanan'ireo manampahefana mba hiarovana ny halatra sy ny kolikoly.

Mpisera Twitter Sultan al-Fifi naneho hevitra momba ny didy mikapoka karavasy:

Tsy mahagaga ireo izay manasokajy ny olona ho toy ny andian'ondry raha mihevitra fa sazy sahaza ny kapoka karavasy no hoan'izay tsy mankatò ny mpiandry ondry.

Mpikambana ao amin'ny ACPRA sady ralahan'i al-Saed, Abdullah al-Saed nisioka hoe:

Voninahitra hoan'i al-Saed ity didim-pitsarana tsy rariny ity ary fahafaham-baraka hoan'ny mpitsara Issa al-Matrudi.

Fitantarana manokana ataonay momba ny fitsarana ireo reformista ao Arabia Saodita ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.