Mampiasa Ny Atidoha Ankavia Hampianatra Ny Ankavanana: FandaminanAsa Informatika Araka Ny Hita

Screenshot of the Scratch editor.

Pikantsary avy amin'ny tonian-dahatsoratra Scratch.

Raha miresaka momba ny hantsana nomerika isika, ny tsy fisian'ny fotodrafitrasa sahaza sy ny tsy fisian'ny fahalalàna no vato misakana roa lehibe manohintohina ny fiseraseran'ny daholobe amin'ny aterineto. Fepetra fototra ilaina ny fahaiza-mamaky teny nomerika amin'ny fampihenàna ny hantsana nomerika. Ary ny vahaolana amin'izany elanelana izany dia ny fampianarana ny fomba fieritreritry ny solosaina sy ara-tsiansa ho an'ny tanora amin'ny fomba tsotra sy manala andro.

 

Image via Wikimedia Commons. CC BY_SA

Logo (Fango) Scratch ao amin'ny Wikimedia Commons. CC BY-SA

Scratch angamba no valinteny. Fitaovam-pandaminanasa fampianarana fitenin-daminasa (langage de programmation) sy fitaovam-pamoaham-baovao marolafy ho ampisain'ny mpianatra, ray aman-dreny, ary mpampianatra momba ireo karazana tetikasam-pampianarana sy fialam-boly. Hita ao amin'ny tetikasa ny fanandramana sy fanopaza-maso traikefa, fandraketam-pampianarana miaraka amin'ny fanolorana arahin-tsary (na dika an-tsoratra), tantara miaina ho an'ny siansa sosialy, zavakanto sy mozika ifampiresahan'ny olona sy ny fitaovana sy ny sisa marobe.

Noforonina manokana ho an'ny ankizy na ny tanora 8 ka hatramin'ny 16 taona ny laminasa, saingy azon'ny mpianatra amin'ny sokajin-taona rehetra ampiasaina. Fandrafetana fitenin-daminasa informatika hita maso avy hatrany, arafitra amin'ny endrika biriky izy ity. Tsy mampiasa kaody informatika mivantana amin'ny Scratch fa arafitra toy ny amin'ny rarinteny (puzzle), ka mahatonga azy ho azo topazamaso sy mora hianarana kokoa. Namoaka tantara mahaliana sasantsasany ny MIT mampiseho ny fahamorany sy mahamampiala-voly azy. Nandritra ny TEDx ilay mpanorina Michael Resnick no niresaka tamin'ny tanora ny fanaovaona ny kaodiny:

Olona an-tapitrisany no nanangana tetikasa tamin'ny alalan'ny Scratch amin'ny karazan-javatra samihafa , any an-trano na any am-pianarana ka hatrany amin'ny tranom-boky, mozea ary ivontoeram-piarahamonina. Ampiasaina any amin'ny Firenena maherin'ny 150 ny laminasa ary vonona ho amin'ny fiteny mihoatra 40.

Tanora iray mpandaminasa niresaka momba ny Scratch:

I like Scratch better than blogs or social networking sites like Facebook because we’re creating interesting games and projects that are fun to play, watch, and download. I don’t like to just talk to other people online, I like to talk about something creative and new.

Tiako kokoa ny Scratch noho ny bilaogy na ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook satria mamorona lalao sy tetikasa mahaliana izahay sy tetikasa mampiala voly am-pilalaovana, am-pijerena, sy am-pisintonana. Tsy dia tiako ny miresaka fotsiny amin'ny olon-kafa ao amin'ny aterineto, tiako ny miresaka momba ny zava-baovao sy voaforona.

The first day of the Scratch 2012 Conference. Image from Flickr by ScratchEd team. Used under a CC license.

Andro voalohany tamin'ny Kaonferansa Scratch 2012. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'ireo ekipa ScratchEd. Nampiasaina tamin'ny CC license.

Nampahafantarina tamin'ny taona 2009 ny fikambanana antserasera ScratchEd. Amin'ny alalan'ity sehatra ity ireo mpampianatra Scrach no mifampizara tantara, mifanakalo fitaovana, mifanontany, ary mahita mpiserasera hafa. Ny ScratchJr indray dia fitenin-daminasa mampivelatra sahaza ho an'ny ankizy, ka afaka mamorona tantaramiaina, sy petapetaka azo afindrafindra ary lalao araka izay itiavany azy ny zaza 5 hatramin'ny 7 taona.

Ity lahatsary iray mampiseho ny majikan'ny Scrach.

Misy mandavataona ny Lasim-pandaminanasa Scratch mba hampielezana ny teny. Afaka mahita fitaovana maromaro kokoa amin'ny aterineto ianao, sy antonta-kevitra azo atao printy ahitana vaovao fanampiny. Notontosain'ny vondrona Lifelong Kindergarten tamin'ny taona 2003 notarihan'i Mitchel Resnick, Profesoran'ny Fianarana Mikaroka ao amin'ny Massachusetts Institute of Technology (MIT) Media Lab ny dika voalohan'ny Scratch. Afaka trohana maimaipoana ao amin'ny tranonkalany ny Scratch, mba ampiasaina amin'ny solosaina PC na Mac.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.