Antso Hanaovana Tolo-kevitra – Famatsiam-bola Fanavaozana Ny Tranombokim-Bahoaka EIFL

Banner FINALAsaina ny tranom-bokim-panjakana sy ny tranom-bokim-piarahamonina ao amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana na efa miarin-doha ara-toekarana hisoratra anarana amin'ny fifaninanana Tetikasa Mitondra Hevi-baovao hoan'ny Tranom-bokim-panjakana(EIFL-PLIP). Hamolavola tolotra mampiditra fomba fiasa vaovao mampiasa ny TIC (teknlojian'ny informatika sy ny fifandraisana) hamaliana ireo filàn'ny ankizy sy ny tanora ao amin'ny fiarahamonina misy azy ireo. Afaka mametraka tolo-kevitra mitentina hatramin'ny 20.000 dolara amerikana farafahabetsany ny mpisoratra anarana.

Ny tetikasa dia tokony:

  • Manana fomba sy hevi-baovao mamaly ireo filàn'ny ankizy sy ny tanora, sy
  • Mampiasa teknolojia nomerika amin'ny fomba vaovao sy noforonina, ary
  • Miara-miasa amin'ny minisitera na departemanta na sampam-panjakana, fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena na ireo mpitondra hevi-baovao amin'ny teknolojia.

Raha mila fanazavana fanampiny, tsidiho azafady ny habaky ny EIFL raha te-hahafantatra ny volavolam-pandaniana azo fidiana, fomba fifantenana, ny fandaharam-potoana ary ireo paipaika madinika hampahombiazan'ny nisoratra anarana, mbamin'ny zavatra hafa ihany koa.

Amin'ny 31 Janoary 2014 ny fara-fisoratana anarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.