Espaina : Nahomby Ny guifi.net, Tambajotra Maimai-Poana Tsy Mila Kofehy

Na fotoana inona na fotoana inona ao Espaina, olona an'arivorivony no miserasera amin'ny aterineto. Saingy mihamaro hatrany ireo Espaniola misafidy ny karazam-pitaovana mirazotra amin'ny aterineto, mba hialàna amin'ny sarany lafo avy amin'ireo tsena mpamatsy tolotra aterineto sy hanotofana ny hantsana nateraky ny fitaovana nomerika.

Ny guifi.net [es] dia ny mpiserasera tsirairay no tompony, tambajotra misokatra sy tsy mitanila ka mampitohy ny solosainany ao anatina karazana intraneto sady mizara ny fidirana aterineto ity fikambanan'ny mpilatsaka an-tsitrapo tsy mitsaha-mitombo ity. Maimai-poana ny tambajotra tsy mitady tombombarotra, mora dia mora ny vola alòan'ny tsirairay noho ny fampitaovana ny tambajotra, ary afaka miditra sy mampiasa azy araka izay ilainy ny rehetra. 

Manana vona mpampitohy 22 000 [es] ankehitriny ny guifi.net, ny ankamaroan'izany dia mivangongo ao amin'ny ny faritr'i Katalonia manamorona ny Mediteraneana ao Espaina ary ny ambiny kosa manerana ny Saikinosy Iberiana, na dia maro aza ireo lavitra tahaka an'i Arzantina, Shina, India, Nizeria, Etazonia ary Yémen.

guifi.net logo

Fangon'ny (logo) guifi.net. Hoy ny vakin'ny soratra amin'ny teny Katalàna, “Tapaho ny kofehy mamatotra anareo. Azo tanterahina ny tambajotra maimaipoana hoan'ny rehetra.”

Voafariparitra ho tambatambajotra lehibe indrindra manerantany eo amin'ny karazany ny guifi.net, izay fomba  nitondrana ny aterineto haingam-pandeha tany ambanivohitr'i Katalonina, faritra tsy mba nitondran'ny FAI (Orinasa mpamatsy ny aterineto) serasera, tamin'ny taona 2000. Tsy te-ho lany andro hankany Barcelona mba hidirana aterineto fotsiny i Ramon Roca ilay mpiara-manorina sady mpiasan'ny Oracle tamin'izany fotoana izany.

Ninamana tamin'ireo manampahefana tao amin'ny faritra i Roca sy ireo olona nitovy hevitra taminy mikasika ity ezaka tantanin'ny fiarahamonina ity, izay nahafahan'izy ireo nametraka fitaovan-tserasera teny amin'ireo toerana avoavo, tahaka ny eny amin'ny tilikambom-piangonana, ary nihitatra tsikelikely hatrany ny guifi.net avy eo.

Na dia efa taom-polo aza hatrizay ny nahaterahan'ny guifi.net, tambajotran'ny (Ianao Ihany no Manao azy) tsy mila kofehy izay fomba iray hitondrana ny aterineto eny amin'ireo toerana tsy ahitana ny tsenan'ny (FAI) Mpamatsy tolotra Aterineto, tsy dia nivoatra be tahaka izao ny zava-misy, araka ny fanazavan’ [es] i Roca tamin'ny tafatafa niarahana tamin'ny tranokalam-baovao Eroski Consumer tamin'ny taona 2010:

No comparto en absoluto la idea de “ofertas variadas”. Es lo que algunos quieren hacer creer a la ciudadanía para disuadir a nuevos competidores, pero la realidad es que hay poca oferta, de mala calidad y casi obsoleta.

Tsy miombo-kevitra amin'ny filazana aho fa misy ireo “karazan-tsafidy”. Izay tian'ny sasany handresena lahatra ireo olom-pirenena mba hanakanana ireo mpifaninana vaovao, saingy ny zava-misy dia vitsy ireo safidy ary ratsy kalitao sy somary efa lany andro aza ny ankamaroany.

Mbola ilaina ny safidy hafa ao Espaina, firenena manana taham-pidirana ambany amin'ny aterineto raha oharina amin'ny salanisa ankapobeny ao Eoropa. Araka ny tahiry avy amin'ny Eurostat, 68 isan-jaton'ny tokantrano ao Espaina no nanana aterineto tamin'ny taona 2012, mbola ambany amin'ny salanisan'ny Vondrona Eoropeana izay 76 isan-jato ary mametraka an'i Espaina ho naman'ireo firenena tahaka an'i Repoblika tsheky, Kroasia ary Italia. Espaina ihany koa no manana ny aterineto haingam-pandeha lafo indrindra ao Eoropa, araka ny fikarohana avy amin'ny mpanaramason'ny fifandraisandavitra Ofco.

Ny guifi.net no manampy ireo mpiserasera hifampizara ny sarany lafo amin'ny aterineto haingam-pandeha hahafahan'ireo vondrom-pianakaviana, ohatra, hanao fifanekena amin'ny FAI, mametraka tambajotra virtoaly manokana (VPN), ary hizara ny aterineto amin'ny alalan'ny guifi.net.

Milahatra ihany koa ny governemantam-paritra maromaro manararaotra [es] ity tambajotra ity. Ny fiadidian'ny tanàna tahaka an'i Avinyonet del Penedès, tanàna ahitana mponina mahery kelin'ny 1500 ao atsimo-atsinanan'i Katalonina, sy Cabanes [es], tanàna manana mponina eo ho eo amin'ny 2900 manamorona ny morontsiraka avaratr'i Valence iny, ohatra, no mampiasa ny guifi.net mba hitondra ny fifandraisana aterineto eny amin'ireo mponina izay mety ho tsy mahatakatra izany ka manohana ny tambajotra amin'ny alalan'ny fametrahana vona lehibe mpampitohy izay mampita ny famantarana tsy misy kofehy (~wifi) ho an'ny manodidina.

Nahitam-pahombiazana ny ezaky ny teny ifotony satria nahahoatra ny fampiasana onjam-pifandraisana ry zareo ka nanampy hosona (fibre optique) tamin'ny tambajotrany. Tamin'ny taona 2010, nanasonia fifanekena [es] niaraka tamin'ny governemantam-paritr'i Katalonia ny guifi.net mba hanolotra fidirana amin'ny aterineto eny amin'ireo faritra ambanivohitra amin'ny alalan'ny fampiasàna hosona, manomboka ao amin'ny tanàna kelin'i Gurb.

Ny Hopitaliben'i Vic [ca] no faritra farany nampitohizina tamin'ny alalan'ny hosona tamin'ny fiandohan'ity fahavaratra ity, izay tafiditra ao anatin'ny fametrahana hosona ny ao amin'ny faritr'i Osona ho tratran'ny aterineto. “Tsy liana amin'ny fanaovana izany ireo orinasa goavana ary tsy manana ny enti-manao kosa ireo orinasa madinika. Ny fanaovana izany eo anivon'ny rehetra [ … ] no fomba tokana sy tsara indrindra”, hoy i Roca tamin'ny habaka fampahalalam-baovao El9Nou.cat.

Tamin'ny voalohandohan'ity taona ity, nomen'ny banky espaniola Bankia  ao Matarò, Katalonina ho fanomezana hoan'ny guifi.net ny hosona telo kilometatra [ca] – izay an'ny banky fametrahana tahirim-bola teo aloha Caja Laeitana efa lasan'ilay banky amin'izao fotoana-.

Ny soritrasa iray manontolo, hoy i Roca tamin'ny openSUSE.org tamin'ny taon-dasa, dia ny hananganana “aterineto hoan'ny rehetra. Izay midika fananana tambajotra iombonana manerantany azo isoloana ny eo, tsy maninona izay ilazanao azy na guifi.net izany na tsia”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.