Manafika Ny Facebooki-n'i Messi ireo Jiolahim-boto Anaty Aterineto Avy Ao Iran

Leo Messi's Facebook page

Pejy Facebook-n'i Leo Messi, Arzantina Mpanao Baolina Kitra

Nameno tsikera an’arivony sady mandrahona amin'ny teny Persiana ireo “jiolahim-boto ao anaty aterineto” avy ao Iran tao amin'ny pejy facebook-n'i Lionel Messi, ilay Arzantina mpilalao baolina kitra, raha voafaritra tamin'ny Sabotsy 7 Desambra ireo ekipa hiatrika ny Tompon-daka eran-tanin'ny baolina kitra. Tafatambatra ho mpiray vondrona i Arzantina, Iran, Bosnie-Herzegovina ary Nizeria.

Betsaka amin'ireo tsikera no mampiasa teny tsy fampiseho masoandro.

Betsaka ireo Iranianina nizara tsikera sy bitsika miantso io fanafihana anaty aterineto io ho mahamenatra.

Nitoraka bitsika i Kargadan [fa]:

Tokony hifandray tànana hanadio ny pejy Facebooki-n'ireo Iraniana i Zuckerberg [Ilay namorona ny Facebook] sy ny fanjakana Iranianina, mba hanavotana ny voninahitray.

Nitoraka bitsika i Sooskak  [fa]:

Tsara raha voasivana ny Facebook [ao Iran].

Nitoraka bitsika i Baridya [fa]:

Raha toa ka hiongana androany ny Repoblika Islamika, dia 15-20 taona vao hivoatra ny kolontsain'io firenena io.

Navoakan'i [fa] 5Char, bilaogera, ny  sarin'ireo tsikera maniratsira ary nolazainy fa  efa mahazatra izany ho anà taranaka notezaina teo ambanin'ny Repoblika Islamika.

Niteny i Andarbab, mpitoraka bilaogy iray hafa [fa]:

Miezaka ny hameno ny tsy fahampian'ny teny filamatra sy ny ompa any aminy ireo vahoaka ireo. Ireo olona ireo ihany no mihira ny ”Arodano i Etazonia!” nefa sady mbola manantena ny hahazo Karatra Maitso Amerikana. Manompa an'i Messi ry zareo, nefa mbola manantena ihany ny hahazo sary fahatsiarovana nalaina niaraka taminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.