Nelson Mandela: Sakaizan'i Timor Leste Ary Olomangan'ny Lamaody Batik Indoneziana

Nelson Mandela amin'ny [fiakanjo] Batik…..tia ity lehilahy ity #Mandriaam-piadanana #Mandelashirt

Niaraka tamin'izao tontolo izao ny firenena Azia Atsimo mba hisaona ny fahafatesan’i Nelson Mandela, lehilahy be herim-po manohitra ny fanavakavaham-bolokoditra tao Afrika Atsimo sy filoha mainty hoditra voalohany. Notsarovana tao amin'ny faritra ihany koa i Mandela amin'ny maha-mpitarika izay nanohana ny tolona ho amin'ny fahaleovantenan'i Timor-Leste sy maha-mpitafy batik malaza azy indrindra, lobaka netim-paharazana indoneziana.

Taorian'ny famotsorana azy tany am-ponja tamin'ny taona 1990, nitsidika an'i Jakarta i Mandela ary nahazo fahatsiarovana lobaka batik avy amin'ny filoha Suharto. Notafiany avy hatrany toy ny lobaka mihaja ilay batika nandritra ireo fivoriana iraisam-pirenena ka nanaitra ireo mpitondra indoneziana, anisan'izany ny Filoha lefitra Jusuf Kalla: 

He had the courage to wear batik during a United Nations’ session. Even I might have had doubts wearing a batik shirt and speaking before the audience at a UN meeting.

Nanana fahasahiana nitafy ilay batik nandritra ny fivorian'ny Firenena Mikamana izy. Na dia izaho aza anefa misalasala hitafy lobaka batik sy mandray fitenenana eo anoloan'ny mpanatrika mandritra ny fivorian'ny Firenena Mikambana.

Iwan Tirta batik maestro Indoneziana no nanamboatra ny sasany tamin'ireo lobaka batik an'i Mandela. Lasa malaza toy ny lobaka Madiba ny batik ao Afrika Atsimo. Nihevitra i Iwan fa nampitombo ny herimpanahin'i Mandela amin'ny maha-mpitolona ilay batik:

Mandela is a strong prominent figure who suits my batik collection. He does not only look appealing, but his fighter’s charisma is enhanced even more when he wears batik.

Olo-malaza ambony izay nitafy ny karazan'akanjo batik namboariko i Mandela. Tsy hoe sariaka ihany izy, fa vao maika mitombo ny herimpanahiny mahampitolona rehefa mitafy batik izy.

Nandrisika ireo mpitondra Indoneziana mba haka-tahaka ny fomba fitantanan'i Mandela fitondrana ny gazety Jakarta Globe:

His passing is a moment for all of us to reflect on our own lives. Too many politicians today, including those in Indonesia, are too self-centered and concerned with immediate gain rather than working for a long-term goal.

    Fotoana ho antsika rehetra handinihana ny fiainantsika manokana ny fahafatesany. Marobe loatra ireo mpanao politika ankehitriny, anisan'zany ireo eto Indonezia, no tia-tena loatra sy miahy fatratra ny vola miditra eo noho eo fa tsy miasa ho amin'ny tanjona lavitr'ezaka.

Tao amin'ny Twitter, nidera an'i Mandela noho izy nitafy batik ny Indoneziana:

Maro ireo hahatsiaro an'i Nelson Mandela ho lehilahy be herim-po mitondra fanovana hoan'ny firenena. Hotsarovantsika ho toy ny mpankafy fatratra ny batik izy.

RT @SubhanAksa: Mandria am-piadanana Nelson Mandela. Ilay tokana tsy-Indoneziana izay manana lobaka batik maromaro noho ny Indoneziana, araka ny fihevitro.

Indonezia no tompon'ny Batik, saingy i Nelson Mandela ihany no hany tokana mpitafy Batik mazoto  mandra-pahatapitry ny fiainanay. Reharehako ianao Nelson Mandela

Mandriam-piadanana Nelson Mandela, misaotra nanome aingam-panahy ho anay sy nampianatra anay ny dikan'ny fitoviana, sy ny fankatoavanao ny Batik anay.

#Mandriaam-piadananaNelsonMandela Mirehareha izahay rehefa mahita an'i Nelson Mandela mitafy batik. fitaty mampiavaka ny Indoneziana

Afa-mirehareha miarakao aminao i Indonezia Andriamatoa Nelson Mandela. Misaotra nampahafantatra ny Batik tamin'izao tontolo izao. Mandria am-piadanana Nelson Mandela

Nandritra izany, mpanao gazety Aboeprijadi Santoso nankasitraka ny andraikitr'i Mandela tamin'ny fanandràtana ny lazan'ny hetsi-panafahana an'i Timor Atsinanana. Raha nihaona tamin'i Suharto i Mandela tamin'ny volana Novambra 1997, niangavy hiresaka tamin'ny mpitarika an'i Timor, Xanana Gusmao izay nigadra noho ny fitarihany ny tolona ho amin'ny fahaleovantena nozanahan'i Indonezia izy. Aboeprijadi Santoso nanoratra hoe: 

Mandela’s intervention and encounter with Xanana became public relation’s greatest victory for the Timorese. The 1997 momentum had, therefore contributed to the changing circumstances and awareness among both the Timorese resistance and in the international community.

Nanjary fandresena lehibe hoan'ny seraseram-bahoaka hoan'ny Timorey ny firotsahana an-tsehatra sy ny fihaonan'i Nelson Mandela tamin'i Xanana. Nanampy tamin'ny fivoaran'ny toe-draharaha sy ny fahatsapan-tena teo amin'ny fanoherana Timorey sy ny fikambanana iraisam-pirenena ny risim-po tamin'ny taona 1997.

Naman'i Timor i Nelson Mandela. Nifampindinika tamin'i Suharto tao Jakarta izy mba hihaona amin'ilay gadra Xanana ao ivelan'ny fonja avy eo.

Xanana Gusmão rnampatsiahy ny toe-draharaha momba izany fihaonana manan-tantara izany:

He had told Suharto that it wasn’t possible for him to avoid bringing up the problem of East Timor since prior to his departure from Africa various human rights organisations had demanded that he do just this. And he had requested a meeting with me. At first, Suharto didn’t accept the request. However, Mandela explained to the dictator that when he himself was in prison he had received visits from various foreign entities (he named them all one by one, but I don’t remember now who they were) and also South African government officials. And apparently this had the effect of changing Suharto’s mind. He told me that his intervention was in the context of achieving peace, and he spoke of the need for peace …. and we began our meal.

 Nilaza tamin'i Suharto izy fa tsy nety taminy ny tsy hitondra ny olan'i Timor Atsinanana rehefa maro ireo fikambanana samihafa mpiaro ny zon'olombelona no nangataka  mba hanaovany izany talohan'ny niaingany tao Afrika. Ary nangataka fihaonana tamiko izy. Tsy nanaiky ny fangatahana i Suharto tamin'ny voalohany. Na dia izany aza, nanazava tamin'ity mpanao didy jadona ity i Mandela fa tamin'izy mbola tany am-ponja, notsidihan'ireo fikambanana vahiny isan-karazany (notanisainy tsirairay avy izy ireo, saingy tsy tsaroako intsony ankehitriny hoe iza avy) sy ireo solontenam-panjakana Afrikanina atsimo izy. Ary toa nisy fiantrakany nampiova ny hevitr'i Suharto izany. Nilaza tamiko izy fa tafiditra ao anatin'ny fametrahana fandriampahalemana ny fitsidihany, ary niresaka ny maha-zavadehibe ny fandriampahalemana izy …. dia nanomboka nisakafo izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.