SARIPIKA: Setroka Mavesatra Manempotra An'i Shina

Na ireo media tandrefana na ny Shinoa dia samy nanoratra betsaka mikasika ny fatran-tsetroka be ao atsinanan'i Shina tamin'iny herinandro lasa iny. Nofoanana ny sidina, nahemotra ny fotoam-pianarana. 

Any anaty media sosialy ao Shina, ireo mpampiasa ny Weibo sy WeChat dia nampakatra saripika ahitàna ny tanànan-dry zareo voafono anaty setroka sy manavao hatrany ny taham-pahadiovan'ny rivotra . Misy fanehoana an-tsary iray mahaketraka arahana fomba enti-miatrika ilay setroka nivezivezy tao amin'ny Weibo tamin'ny 4 Desambra 2013.

Netizens post pictures of Shanghai's smog on WeChat

Mandefa saripika ahitàna an'i Shangai sempotry ny setroka ireo mpisera ao amin'i WeChat

Mivaky toy izao ny torolàlana :

1 Manaova satroka

2 Manaova saron-tava

3 Manaova ankanjo lava

4 Ialao ny fanaovana fampiasàm-batana any ivelan'ny trano

5 Sasao ny tarehy sy tànanao isaky ny avy any ivelan'ny trano

6 Ny oronao ampiasaina hifohana rivotra fa tsy ny vava

7 Diovy ny orona

8 Sokafy amin'ny fotoana maha-mety azy ny varavarankely

9 Matoria mialoha

10 Misotroa rano betsaka

11 Ialao ny fifohana sigara

12 Mihinàna sakafo misy ‘fibre’ betsaka

Raha toa ny governemanta Shinoa mampiasa ny toetr'andro sy ny fanatonoana eny amoron-dàlana ho anton'io toetr'andro manetroka be io sady mizara fahalalàna ankapobeny ho entina miady amin'ny setroka, i Mengfei mpanentana tsy mitsitsy teny ao aminà fahitalavitra iray kosa dia feno fahasahiana nizara [zh] ny fomba fijeriny momba ny fahalotoan'ny rivotra, hetsika iray tsy fahita firy ao anatin'ny fotoana izay naha-lasa toerana iray saropady ny Weibo mba hiadiana hevitra sy hizarana fomba fijery hatramin'ny famoretana nataon'ny governemanta ny Big Vs. Mba hisorohany ny sivana dia dikasary iray avy aminà fàfana no hafatra nozarainy:

yuanyin

1 Tsy avy amin'ny toetr'andro fotsiny ny setroka, fa avy amin'ny fandotoana ny tontolo iainana, ny governemanta no tokony hibaby ny andraikitra goavana indrindra amin'izany.

2 Ny famokarana herinaratra amin'ny alàlan'ny fandoroana arintany no tena antony lehibe mahatonga ny fahalotoan'ny rivotra sy ny toetrandro be setroka. Saingy ny fanatsaharana azy io dia hampidina koa ny harin-karena faobe, noho izany tsy dia vonona loatra hiditra amin'izany ny governemanta eto an-toerana.

3 Tsy misy dikany ny fiantsoana ny olona mba hampihena ny fitondràna fiara hiadiana amin'ny fahalotoan'ny rivotra, fa fomba tsara iray mba hamiliviliana ny sain'ny olona kosa io. Firenena miaina amin'ny fampiasàna be ny fiara i Amerika, ahoana no ataon-dry zareo mba tsy hisian'ny teotrandro feno setroka toy izao?

4 Adala tsy misy saina ireo manampahaizana sy manampahefana mihevitra fa ny fanatonoana sy ny fandrahoan-kanina no mampitombo ny fahalotoan'ny rivotra.  Fandotoana ihany koa ny “Fart” (kazarana enduit fanosotra mba hampisosa tsara ny ski), koa nahoana no tsy atao anaty lisitra io?

5 Ny governemanta no tokony hibaby ny andraikitra goavana indrindra amin'ny fahasimban'ny tontolo iainana, miezaka manilika ny andraikiny manokana ry zareo rehefa miteny hoe “tomponandraikitra ny tsirairay”

Naverimberina naparitaka in-130.000 ilay dikasary ary niteraka fanehoan-kevitra maherin'ny 40.000. Marobe ireo mpiserasera naneho ny fanohanany:

Netizens post pictures of Shanghai's smog on WeChat

Mandefa saripika ahitàna an'i Shangai sempotry ny setroka ireo mpisera ao amin'i WeChat

Nanoratra [zh] i Yangyi, tale mpamokatra sarimihetsika:

面对空气污染,我们要做的不是带上面具,还是站起来说“不”。

Manoloana ny fahalotoan'ny rivotra, ny tokony hataontsika dia tsy mitondra saron-tava, fa mijoro sy miteny hoe tsia

Mpisera iray hafa “Du jingwei” no mitaky hisian'ny fanavaozan-drafitra ny resaka angovo : 

能源结构转型,提高工厂废气排放标准是唯一解决途径!

Ny làlan-tokana hamahàna ny olana dia ny fanavaozan-drafitra ny resaka angovo, fametrahana fenitra momba ny fandefasana entona avy amin'ireo orinasa mandoro arintany hamokarana herinaratra!

Kanefa, ny sasany amin'ireo mpiserasera no nanatsiny ireo mpamily fiara ho antony iray lehibe miteraka fahalotoan'ny rivotra. Jiang jing, mpanao gazety, dia nanoratra tao amin'ny Weibo hoe :

晚高峰时在街上堵着,就会发现北京的公共汽车很多都是空的或者乘客很少,跟北欧那些人口稀少的城市差不多。人们要么开车,要么坐地铁。没有鼓励绿色生活的政策,人们就会这样一边堵着,一边呼吸着毒气,一边骂政府过活。

Mandritra ireo ora maha-be mpifamoivoy ny hariva, mety hahita fiara fitateram-bahoaka tsy misy mpandeha ianao ao Beijing, na zara raha misy mpitaingina, toy ireny tanàna vitsy mponina any Eoropa avaratra ireny.  Fa na ny olona mitondra ny fiarany na mandray ny fiarandalamby ambanin'ny tany. Tsy misy politika mandrisika ny hiainana anaty zava-maitso, ka dia mitohy miatrika ny fitohanan'ny fifamoivoizana ny olona sady mifoka rivotra voapoizin'ny entona ihany no sady manozona ny governemanta.

Ndeha hizaha ireto sary avy ao amin'ny WeChat eto ambany ireto:

The sign says: I want to breathe.

Mivaky toy izao ny soratra, “Te-hifoka rivotra aho”

 

Shanghai's skyscrapers in smog

Ireo trano mijoalajoala ao Shanghai ao anaty setroka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.