Bangladesh : Herisetra Ara-Politika, ‘Firy ny Maty Vao ho Afa-Po Ry Zareo ?’

[Mankany amin'ny tranonkala amin'ny fiteny Bangla ny rohy rehetra raha tsy misy toro-marika.]

Manana akony mahafaty eo amin'ny mponina ny krizy politika mahery vaika miseho any Bangladesh amin'izao fotoana izao, izay maro no efa nizaka ny vokatr'ireo andianà fanafihana noho ny hetsika ara-politika tamin'ny herin'andro lasa, toy ny fanipazana baomban-tsolika taminà fiara fitaterana feno mpandeha tamin'ny 28 Novambra tany Shahbag, akaikin'ny afovoan-tanàna any Dhaka. 

Nahafaty olona telo io fanafihana io, izay 10 taona ny iray, ary 15 hafa naratra mafy. Nisy fanafihana hafa tahaka izany, nahafatesana olona maherin'ny 50 ary naharatrana olona 2.000 nanerana ny firenena.

Nanomboka io fitroarana herisetra io taorian'ny nilazan'ny Komity misahana ny fifidianana any Bangladesh tamin'ny faran'ny volana Novambra fa atao amin'ny 5 Janoary 2014 ny fifidianana solombavam-bahoaka. Notsipahin'ireo antoko mpanohitra —Antoko Tia Tanindrazana Bengladesh sy ny antoko Jamaat-e-Islami any Bengladesh— ilay datim-pifidianana ary mitaky ny fametraham-pialàn'ny Piraiminisitra sy ny fanatontosana ny fifidianana amina governemanta tsy mitongilahila izy ireo. 

Nivadika ho herisetra sy fametrahana sakana amin'ny làlana ilay hetsi-panoherana vokatr'izany- notsipazana baomban-tsolika ny fiara feno mpandeha ary voa tamin'izany ihany koa ny fiaran-dalamby, ka nahafatesana olona. Mpitarika maro avy ao amin'ny mpanohitra no voasambotra nandritra ilay hetsika noho ny fiampangana maro samihafa, fa hatramin'izao dia tsy mbola voasambotry ny manam-pahefana ny tompon'andraikitra mivantana nahatonga ireny faty olona ireny. Maro koa ireo mahery fo avy amina antoko no maty nandritra ny fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana.

Ary isan'andro dia misedra ny mafy noho ny hasosorana ny mponina. Maty tamin'ny herin'andro lasa teo ry Monir, Sumi, Montu Paul, Asad Gazi, Nasima Begum, Abul Quashem sy ny maro hafa.  

[Fampitandremana : sary mamoa-fady]

A patient being taken for treatment at the Dhaka Medical College who sustained burn injuries after an unidentified attacker threw a petrol bomb inside a moving bus in Dhaka. Image by Naveed Ishtyak. Copyright Demotix (28/11/2013)

Marary iray izay notsipazan'ny olon-tsy fantatra baomban-tsolika tao anaty fiara fitaterana, tsaboina ao amin'ny sampam-pianarana ho dokotera any Dhaka. Sary avy amin'i  Naveed Ishtyak. Copyright Demotix (28/11/2013)

Voasoratra ato amin'ity tatitry ny gazety mpiseho isan'andro Prothom Alo ity ny andro iray nisiana herisetra ara-politika : 

শুক্রবার ভোররাত। ঢাকা-বগুড়া মহাসড়ক। যানজটে স্থবির পাঁচ শতাধিক গাড়ি। স্থানে স্থানে ককটেল, ইটপাথর নিয়ে নির্বিচার হামলা। নারকীয় তাণ্ডব। নারী-শিশু-বৃদ্ধ—কারও রেহাই নেই। আহত শতাধিক যাত্রী।
শুক্রবার ভোররাত। ফেনীর দাগন-ভূঞায় নৈশকোচে হামলা। যাত্রীদের মারধর। টাকাপয়সা, মালামাল লুট। পেট্রল ঢেলে বাসে আগুন।
শুক্রবার রাত একটা। রাজশাহী-নওগাঁ সড়কের দেওয়ানপাড়া। ধানবোঝাই চারটি ট্রাকে আগুন। আগুন ওষুধের গাড়িতেও।
বিএনপি-জামায়াতের নেতৃত্বাধীন ১৮-দলীয় জোটের হঠাৎ ৭২ ঘণ্টা অবরোধের খণ্ডচিত্র এটি। অবরোধের আগপাছ বিবেচনায় নেই। হামলা যেন অনিবার্য। চট্টগ্রামের সীতাকুণ্ড, কুমিল্লা, চাঁদপুর—অবরোধের ডাক দেওয়ার আগে রাস্তায় নামা যাত্রীবাহী বাস, মালবাহী ট্রাকের ওপর হামলে পড়ার একই চিত্র সবখানে। অপ্রস্তুত মানুষের ওপর পরিকল্পিত হামলা। মহাসড়কজুড়ে এক অবিশ্বাস্য রাজনৈতিক বর্বরতা।

Zoma [29 Novambra, 2013] vao maraina. Teo amin'ny làlam-ben'i Dhaka-Bogura. Fiara 500 eo ho eo no nitohana vokatry ny fanakanan-dàlana nataon'ny mpanao fihetsiketsehana. Tampoka, nisy nitoraka taminà zavatra kely nipoaka sy biriky ry zareo. Herisetra faobe. Tsy misy famindram-po ho an'ny zaza amam-behivavy. Maherin'ny 100 ireo mpandeha naratra.

Zoma vao maraina. Nisy nanafika ny fiara mpandeha alina Feni-Dagonbhuiyan. Nodarohana sy norobaina ireo mpandeha. Nodorana ilay fiara rehefa avy norarahana solika fandrehitra.

Zoma amin'ny 1 maraina. Dewanpara ao amin'ny Làlana Rajshahi-Naoga. Fiarabe misy vary no nodorana. Voatafika ihany koa ny fiara mitondra fanafody.

Ireto ny zava-niseho tao anatin'ny fanakanana 72 ora nataon'ny  [ Antokon'ny tia Tanindrazana Bangladesh sy ny Jamaat-e-Islami Bangladesh] firaisan'ny antoko 18. Tsy misy zava-baovao amin'ny hetsi-panoherana. Ny herisetra sy ny fanafihana no mibahana amin'izany. 

Any amin'ny toerana toa an'i Sitakunda, Comilla ary Chandpur, tranga mahazatra rehefa misy sakana ny fanafihana tsy misy fanavahana na fiara fitateram-bahoaka na fiara fanaterana entana io. Fanafihana voarindra aminà vahoaka tsy nampiomanina. Politika tsy voafehy eny an-dàlambe.

Iray andro ihany ary izany. Hatramin'ny 01 Janoary 2013, dia nahafatesana olona 348 ny herisetra politika. Nisy fihetsiketsehana sy fanamelohana nanerana ny firenena noho ny fandatsahan-drà. Nanoratra sehatra fitoraham-bilaogy Bangla, Amarblog i Fatema Johra  mpitoraka bilaogy : 

মৃত্যুর মিছিল শুরু হয়েছে আমাদের দেশে।একটার পর একটা নিরীহ মানুষ যুক্ত হচ্ছে সেই মৃত্যুর মিছিলে। মাঝে মাঝে মনেহয় এই বুঝি আমিও যুক্ত হলাম সেই মিছিলে, এই বুঝি আমার স্কুল পড়ুয়া ভাইটা সেই মিছিলে হেঁটে যাচ্ছে।যতক্ষণ পর্যন্ত ভাইটা না ফেরে ততক্ষণ পর্যন্ত কান পেতে রাখি দরজায়, অপেক্ষায় থাকি কখন ও এসে বলবে- আপু, দরজা খোলো।আর অস্থির হয়ে ভাবতে থাকি ঠিক মতো ফিরবে তো ভাইটা! নাকি মনিরের মতো….আবার, হঠাৎ বাবার ফোন আসলে মনেহয়- বাবাই তো! নাকি অন্য কেউ বাবার মিছিলে যাবার খবর দিতে ফোন করল! কিন্তু যখন ফোনটা ধরে শুনতে পাই-“হ্যালো মামুনি” তখন মনটা শান্ত হয় এই ভেবে- নাহ, বাবা ভালোই আছে। কিন্তু তারপরও এক অসহ্য আতঙ্ক নিয়ে কাটাতে হয় সারাদিন,বাবা সুস্থভাবে বাড়ি ফিরবে তো!

Mitety ny firenentsika ny fahafatesana amin'izao fotoana izao. Maro ireo olona tsy manan-tsiny ny lasan'izany. Indraindray aho mieritreritra hoe mety ho lasa amin'izany koa aho amin'ny fotoana rehetra, na ny zandriko lahy. Miandry amim-pitaintainana ny fodiany aho isan'andro, miandry ny antsony…” voahay aho ranabavy”. Antenaiko fa tsy hiafara tahaka an-dry….  Monir izy. Maneno indray ny finday …. dia mieritreritra aho hoe … i Dada izany…. na olon-kafa hilaza vaovao ratsy momba an'i Dada.

The activists of Jamaat-e-Islami and its student front Islami Chhatra Shibir go on the rampage as they hurled numbers of crude bombs and vandalized several vehicles at Dhanmondi in Dhaka. Image by Sk Hasan Ali. Copyright Demotix (1/12/2013)

Ny herisetra nandritra ilay hetsi-panoherana notaon'ny  Jamaat-e-Islami sy ny mpanara-dia avy ao amin'ny Islami Chhatra Shibir dia nahasimbana fiara betsaka tao Dhanmondi any Dhaka. Sary avy amin'i Sk Hasan Ali. Copyright Demotix (1/12/2013)

Nametra-panontaniana ilay mpitarika ny antoko ankavia sady mpahay toekarena, hoe mpandalo tsy manan-tsiny firy no tsy maintsy hizaka izao :

[…] দেশে জমিদারী নিয়ে রক্তারক্তি চলছে। চলছে নানা নিষ্ঠুর খেলা। প্রতিদিন মানুষ মরছে, পুড়ছে! বেশিরভাগ মানুষ শুধু বেঁচে থাকার তাগিদেই বের হয়েছিলেন রাস্তায়। কতজন পঙ্গু হচ্ছেন তার হিসাবও পাওয়া যাবে না। এতো তুচ্ছ মানুষের জীবন! এতো উচ্চ লাটসাহেবদের খাই!!

Herisetra miaro rà mandriaka no hitazonana ny toeran'ireo hitantana ny firenena. Lalaovina ny firaisana tsikombakomba. Isan'andro dia misy olona dorana, olona vonoina ! Teny an-dàlana hitady ny hanin-ko haniny ny ankamaroan'ireny olona ireny nandritra ilay sakan-dàlana. Tsy misy atontan'isa milaza ny isan'ireo izay very ratsam-batana noho ny ratra. Tsy misy dikany ve ireny aina ireny ? Tena tendan-kanina tokoa ny mahery.

 I Shariful Hasan, mpiserasera amin'ny Facebook no nanery ny antoko politika mba hamarana ny hatezerana sy hamela ny olona hiaina malalaka :  

ঘেন্না হচ্ছে তাদের প্রতি যারা জনগনের নাম ভাঙ্গিয়ে ক্ষমতায় যাওয়ার কিংবা টিকে থাকার নোংরা রাজনীতি করেন। ঘেন্না তাদের প্রতি যারা নিজ দেশের মানুষকে আগুনে পুড়িয়ে মারেন। ঘেন্না তাদের প্রতি যারা আমার এই দেশটাকে অশান্তির আগুনে পোড়াচ্ছে। মাননীয় দেশপ্রেমিক রাজনীতিবিদদের কাছে আকুতি আপনারা ক্ষমতায় যাওয়ার জন্য নিজেরা কামড়াকামড়ি করেন, কিন্তু সাধারণ জনগনকে দয়া করে মুক্তি দিন। আমরা একটু শান্তিতে থাকতে চাই।

Halako ny fanaovana politika maloto mba hijanonana eo amin'ny fitondrana. Tsy ankasitrahako ireo izay mandoro ny mpiray tanindrazana aminy. Laviko ireo izay mandrava ny fandriam-pahalemana eto amin'ny firenenay. Ny angatahako amin'ny mpanao politika tia tanindrazana : Aza afatotrareo amin'ny adinareo eo amin'ny fitondrana ny olona. Te-hiaina amim-pilaminana izahay.

Asehon'i Sardar Faruk ny fitaintainan'ny olona amin'ny fandehanany miasa isan'andro : 

মৃত্যুর ঝুঁকি নিয়েও অফিসে যেতে হয়। আজ সকালে বাসে উঠে সহযাত্রীদের দেখছিলাম। কারো মুখে কোনো কথা নেই, কী এক আশঙ্কায় জানালাপথে তাকিয়ে আছে। নিজেকে প্রিজনভ্যানের এক ফাঁসির আসামী বলে মনে হচ্ছিলো।

Mandeha ambany alokaloky ny fahafatesana izahay rehefa mankany am-piasana. Nodinihiko ireo mpiara-mandeha fiara tamiko tamin'ity maraina ity. Tsy nisy niresaka, fa mijery any am-baravarankely miomana ny amin'izay zavatra mety hiseho. Tahaka ny hoe tanaty fiara fitaterana ireo gadra voaheloka ho faty aho.

Mbola averin'ny mpitoraka bilaogy Arif Jebtik ihany ny tahotra amin'ny fanipazana baomba ataon'ireo mpanao fihetsiketsehana :

বউয়ের কাজ ঢাকা ভার্সিটিতে, আমি যাব ঢাকা রিপোটার্স ইউনিটির নির্বাচন দেখতে। একই রাস্তায় এরকম পড়লে একটু সময় এডজাস্ট করে দুজনে একসঙ্গেই যাই। আজকে সকালেও ওভাবেই রেডি হচ্ছিলাম।

বের হওয়ার ঠিক আগে বিছানায় ঘুমন্ত বাচ্চাটাকে দেখলাম। আমি বললাম, ‘তুমি আলাদা যাও, আমি আলাদা যাই।’ এই দাহকালে দুজনেই একসঙ্গে শিককাবাব হয়ে গেলে চলবে না। আলাদা আলাদা গেলে অন্তত একজন টিকে থাকতে পারবে আগামী প্রজন্মের জন্য।

Tokony ho any amin'ny tobin'ny Oniversite any Dhaka ny vadiko ; tokony hijery ny fifidianan'ny Firaisan'ny Mpanao gazetin'i Dhaka aho. Mazàna dia miaraka izahay rehefa mitovy ny lalana aleha. Tsy niavaka tamin'izany ny tamin'ny maraina.

Fa nitopy tany amin'ny zanakay matory ny masonay rehefa handeha izahay, dia hoy aho “‘ndeha hisara-dàlana.” Amin'izao fotoan-tsarotra izao, tsy tsara ny miara-maty. Raha toa ka misara-dàlana isika, raha sanatria ka ho avy ‘zay loza, fara-faharatsiny mba velona ny anankiray amintsika hikarakara ny taranatsika.

Ampangain'ny Bilaogera Lina Ferdous ho mikendry ny hianika amin'ireo fatin'olona ny mpanao politika mba hahafahany mipetraka eo amin'ny fitondrana :

আর কত মানুষ পূড়লে সফল হবে এই অবরোধ…আর কত মানুষ মরলে জেগে উঠবে মনূষত্য বোধ…
এভাবে ধুকে ধুকে মরার চেয়ে আসেন সবাই একসাথে পুড়ে মরি…আমাদের চিতায় তারা সিংহাসন সাজাক…

Lehilahy firy no tokony ho faty mba hahombiazan'io sakana io… Firy no tokony ho faty mba hanaitra ny maha-olona ?.. 

Raha tokony ho may tsirairay isika dia ndeha hiara-may.. Avelao ry zareo handravaka ny seza fiandrianany amin'ny afon'ny fandorana antsika…

Anontanian'i  Falguni Mitu ‏ao amin'ny Twitter :

Firy ny olona may vao ho afa-po ry zareo ? Firy ny rà latsaka tian-dry zareo ho hita mialohan'ny hijanonany ? #JS_polls #shahbag

— Falguni Mitu (@mashamiah) 29 Novambra 2013

Nibitsika ihany koa i Dipon Mitra sy i Anulikhon :

RT @AnuLikhon May ny fiara fitaterana iray any Dhaka  http://t.co/dSyGUmWeQ1 Azo atao ny mandoro fiara fitaterana tsy misy olona, fa nahoana no tsy maintsy tafihana ny mpandeha ?

Nanontany ireo mpanao politika ny mpitoraka bilaogy Sohail Jafar (@banglapress) hoe maninona raha ny tenany no dorana fa tsy ny olon-kafa :

Afaka mandoro ny tenany ireo mpitarika ny mpanohitra mba hahatongavany amin'izay tiany….. http://t.co/BPRQK6f1Et

Ambaran'ireo mpitarika ny mpanohitra ao amin'ny lahateny politikany fa noraisiny izao fepetra izao ( sakan-dàlana sy fikomiana) mba hananganana demokrasia. Notsikerain'i  Mahbubul Alam Shohag (@Mahaburs) [bn] io fomba fijery io :

Tsy misy fotoana ho an'ny sarintsarinà demokrasia. ‘Ndao samy hanavotra ny tenantsika aloha.

Nametra-panontaniana ny mpanao gazety J. E Mamun (@mamunzi) :

Tena izy ve ity demokrasia ity ? ny antoko politika izay mampivily lanana ireo fiaran-dalam-by amin'ny fanapoahana ny làlam-by, fandorana fiara fitaterana….

Shima is six years old, she was burnt when the bus she was traveling on was attacked by protesters angry that people were working during a strike. Image by Mamunur Rashid. Copyrght Demotix (18/11/2013)

Shima, 6 taona, may tamin'ny fanafihana ny fiara fitaterana nisy azy rehefa notafinin'ny mpanohitra izay tezitra fa mbola miasa ihany ny olona nandritra ny fiokoany. Sary avy amin'i Mamunur Rashid. Copyrght Demotix (18/11/2013)

Nomelohin'ny mpanao gazety Shaugat Ali Sagor tao amin'ny Facebook ny governemanta :

বাসে আগুন দিয়ে মানুষ পুড়িয়ে,রেল লাইন উপড়ে ফেলে সারা দেশে যারা নৈরাজ্য সৃষ্টি করছে, তাদের ধরতে পারছে না কেন সরকার? মানুষের জানমালের নিরাপত্তাই যদি দিতে না পারে তাহলে সরকারের অস্তিত্ব থাকে কোথায়? সন্ত্রাসীদের ধরতে না পারলে সরকারের উচিত জনগনের কাছে ক্ষমা চেয়ে ক্ষমতা থেকে সরে যাওয়া। রাজনীতির নামে এই ধরনের পৈশাচিকতা চলতে দেওয়া যায় না, চলতে দেওয়া উচিত না।

Nahoana no tsy samborin'ny governemanta ireo izay manakorontana amin'ny alàlan'ny fandoroana olona sy manongotra ny làlam-by ? Raha toa ka tsy vitany ny miaro vahoaka dia inona izany no antom-pisian'ny governemanta ? Raha toa ka tsy voasambony ireo mpampihorohoro, dia tokony hiala tsiny izy ary hametra-pialàna tsy ho eo amin'ny fitondrana. Tsy tokony ho tohizana ny fanakorontanana amin'ny anaran'ny politika.

Miangavy ny olon-tsotra i Suman Kaisar hanomboka ny fikomiana :

মানুষের তরে কি কেউ নেই ? সবাই কী পশুত্ববরণ করেছে? কোন দল বা প্রতিষ্ঠানের কাছে না। শুধু মানুষের কাছে দাবি জানাচ্ছি রুখে দাঁড়ান। প্রতিরোধ করুন যারা মানুষ পোড়ানোকে রাজনৈতিক কর্মসূচি বলে চালিয়ে দিতে চায়।
আপনার যতটুকু সামার্থ্য তা দিয়ে প্রতিবাদ করুন। যারা আমাদের মা-বাবা-ভাই-বোন বা স্বজনকে পোড়াচ্ছে তাদের বিরুদ্ধে কিছু না কিছু করুন। নিজেকে আর কত লুকিয়ে রাখবেন? আর কিছু না পারেন ওদের বিরুদ্ধে অন্তত ঘৃণার একদলা থুথু ছিটিয়ে দিন। না কি তাও পারবেন না????

Tsy misy intsony ve olona miahy ny maha-olona? Efa lasa biby avokoa ve isika rehetra ? Tsy misy vondrona na fikambanana ? Manery ny vahoaka aho mba handray an-tanana ny firenena. Tohero ireo izay manaporofo fa hetsika politika ny fandorana olona tsy manan-tsiny.

Tohero amin'ny herinareo rehetra ry zareo. Ireo izay mandoro ny raintsika, ny renintsika, ireo iray tam-po amintsika sy ireo havantsika, tohero izy ireo. Mandra-pahoviana no handosiranareo ? Raha tsy afaka manao na inona na inona ianareo, dia rorao tsotra izao izy. Tsy mba ho vitanao ve izany ?

Misy vondrona sy fikambanana samihafa mikarakara fanoherana tsotsotra ireo fanafihana olon-tsotra ireo. Nisy hetsika Facebook hoe  “Ajanony ny fandorana olona amin'ny adin-tsezanareo “ nosokafan'ny vondrona Citizens Resisting Violence (Mponina Manohitra ny Herisetra). Mikarakara fivoriam-panoherana any Shahbag ry zareo amin'ny 3 Desambra 2013. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.