“Mampatahotra An'i Putin Ny Tontolo Ivelany”: Miady Hevitra Mikasika An'i Okraina ireo Rosiana

Ukrainian protesters. YouTube screenshot.

Ireo Okrainiana mpanohitra miady amin'ny hatsiaka. Sary nalaina tao amin'ny YouTube.

Vao tamin'ny herinandro lasa, nitombo ireo hetsi-panoheram-bahoaka tao Okraina taorian'ny fanapahan-kevitry ny filoha Viktor Ianoukovitch ny tsy hanao sonia ny Fifanarahana amin'ny Fikambanan'ny Firaisambe Eoropeana sy i Okraina. Haingana ny fitomboan'izy ireo, izay nivadika ho ezaka nasionaly mba hanindry aloka ny governemanta, miaraka amin'ireo olom-pirenena mizara ireo fivoaran'ny raharaha sy ireo vaovao hafa ao amin'ny Twitter sy Facebook amin'ny alalan'ny fampiasana ireo tenifototra #євромайдан, #евромайдан ary #euromaidan. Na teo aza ny herisetra, nisy ireo fivoarana tsara vitsivitsy. Nanoratra i @Dbnmjr, mpampiasa Twitter, izay nanambatra miaraka ireo vaovao farany amin'ny teny Okrainiana sy Rosiana:

Namoaka ireo mpianatra REHETRA [voasambotra] ny Fitsaran'i Shevchenko, neken'nireo mpitsara ny tsy maha-ara-dalàna ireo fisamborana ireo, matahotra sy manapaka araka ny lalàna [izy ireo].

Mitohy ny fizarazaran'ireo Rosiana manoloana ireo hetsi-panoherana. Ny Filoha Vladimir Putin, ohatra, nanamarika fa tahaka “ny handrodana fanjakana fa tsy mitady fanovàna” ireo hetsi-panoherana ireo. Namaly ny mahery fo iray, Oleg Kozyrev (@oleg_kozyrev), tanatin'ny bitsika hoe:

Mampatahotra an'i Putin ny Tontolo Ivelany.

Naneso i @berillii, mafana fo iray avy ao amin'ny mpanohitra:

Indrisy, adala i Putin.

Nanamarika ny Mpisolovava ny Pussy Riot, Mark Feygin (@mark_feygin), fa manaiky ireo fangatahan'ny mpanohitra ny Filohan'i Okraina, Viktor Ianoukovitch:

Eh, mitsonika tanteraka i Viktor Yanukovych…

Ireo hafa kosa sahiran-tsaina noho ireo milaza ho mpahafantatra ny zava-drehetra izay manoratra mikasika an'i Okraina avy ao Maosko. Noraisin'ilay mpaka sary mpitoraka bilaogy, Ilya Varlamov (@varlamov), izay tany Kiev ny 1 Desambra, ny resaka:

Misy “plugin” Twitter iray ve afaka ampiasaina hanapahana ireo mpitsikera politika rehetra izay, mitoetra eo amin'ny tranokely fisotroan-kafe ao Maosko, ka miady hevitra mikasika ny lahatr'i Okraina?

Nivazivazy momba ireo fizarazarana manoloana ny fanitarana lavitra kokoa ny fahasahiranan'ny Firaisambe Eoropeana ny sasany. Namoaka ity manaraka ity tao amin'ny Facebook-ny i Roman Dolzhinskiy [ru]:

Про Украину вот что думаю. Я категорически против ее евронтеграции. Потому что мне жалко Евросоюз. Он уже чуть не подавился Румынией-Болгарией, а Украиной точно подавится. Не выдержит, не прокормит.

Izao no mba eritreritro mikasika an'i Okraina. Tena mitsivalana tanteraka amin'ny fidirany ao anatin'ny Firaisambe Eoropeana aho. Satria tena mahonena ahy ny Firaisambe Eoropeana. Efa saika kofona izy tamin'i Romania sy i Bolgaria, ary inoana marimarina fa ho kofona ihany koa izy manoloana an'i Okraina. 

Nitoraka bilaogy [ru] momba ny ny ohatra mivaingana amin'ny fomba 2D izay ahitan'ireo Rosiana an'i Okraina i Irek Murtazin, mpanao gazety iray any Maosko, tanatinà lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Miady Hevitra Mikasika izay Miseho any Okraina ireo Mavoloha (Blondes).” Naheno resakà ankizivavy roa i Murtazin tao anatin'ny Fiantsonan'ny Fiarandalamby haingam-pandehan'i Maosko- ny iray tamin'ireo ankizivavy ireo naneho ny heviny fa eo am-pelatànan'i Rosia i Okraina, raha toa ilay iray hafa kosa nitsetra an'ireo izay manana firehana eoropeana: 

Иду на работу и думаю, девушки «по разную сторону баррикад», но в головах у обеих – винегрет и упрощение ситуации в Украине до абсурдности. Не правы обе. Но ведь подобный взгляд на события у наших соседей и братьев сформировался не только у этих девушек, точно так же думают миллионы. И есть серьезная опасность, что усиление поляризация Украины может стать еще одним фактором поляризации и России.

Nandeha an-tongotra ho any ampiasana aho ary nieritreritra, “amin'ny andaniny roa mifanohitry ny fefy” ireo ankizivavy ireo, saingy samy manana fahatakaran-kevitra tena mifangaro sy tsotra loatra mikasika ny toe-java-misy ao Okraina. Tsy misy marina ny azy ireo. Saingy tsy ireo ankizivavy ireo ihany no namolavola izany hevitra izany; raha ny marina, an-tapitrisany no misaina tahaka io. Ary misy loza ahiana mafy ny amin'ny mety hahatonga io fitomboan'ny fifandrafian-kevitr'i Okraina io ho lasa antony iray ihany koa amin'ny fifandrafian-kevitry ny vahoaka ao Rosia.

Kanefa nony farany, nirary ny soa rehetra hoan'ny vahoakan'i Okraina ny ankamaroan'ny olona, tahaka ilay mpampiasa twitter Pavel Senko (@senko), izay nitoraka bitsika tsotra fotsiny hoe:

Manantena aho fa hizotra tsara ny zava-drehetra ho an'ny vahoakan'i Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.