Manery Ny Mpifindramonina Hifanolana Ireo Mpanao Trafikan'Olombelona Ao Sinai

Olona manodidina ny 30 000 eo ho eo no tratran'ny trafikan'olombelona (voaondrana) ho any Sinai, Ejipta, nandritra ny dimy taona farany. Nisioka avy ao amin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety mombaity raharaha ity ny mpanao gazety iray monina ao Kairo antsoina hoe Bel Trew hanapongatra “ity raharaha tsy misy mpiresaka ity”.

Nisioka izy:

Ato amin'ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety momba ny fanondranana olona ao Sinai : raharaha tsy misy mitatitra

Manazava i Bel Trew:

Hatramin'ny 30 jona, lasa toerana tsy milamina kokoa i Sinai ka miteraka fiantraikany goavana eo amin'ny fanondranana olombelona ao Sinai izany

Ary dia nivoaka ny tarehimarika avy eo:

Manodidina ny 25 000 ka hatramin'ny 30 000 eo ho eo ny olona voaondrana tao Sinai tanelanelan'ny 2009 sy 2013

Amin'ireo olona voaondrana ireo, avy any Eritrea ny 95 isan-jatony:

Eritreana ny 95%-n'ireo olona voaondrana ireo, noho ny fandosiran'ny tanora raharaha miaramila, lositra avy any Eritrea,toe-draharahan'ny zon'olombelona #Sinai

Ao anatin'ny andian-tsioka no anoloran'i Trew ny zava-misy mampihoron-koditra sedrain'ireo olona voaondrana ireo:

Omen'ny mpanaotrafika finday ireo tratran'ny fanondranana hiantso any antrano (an-tanindrazana), ampijaliana ihany koa izy ireo matetika amin'izany fotoana izany mba handoa vola haingana

Misy fiantraikany lalina any Eritrea ny fanondranana. Mitarika fahantrana lalina ho an'ireo faritra efa mahantra ireo ny fanangonana vola ho fanavotana.

Ahantona, petahana herin'aratra, tapatapahana rantsam-batana, tavoahangy alentika amin'ny hodiny,terena hanolana lasibatra hafa ireo lasibatry ny fanondranana, aolan'ny mpanao trafika

Materika bevohoka ireo vehivavy niharan'ny trafika rehefa mandao ny toerana fampijaliana ao Sinai rehefa nanaovana an-keriny matetika.

Nanolotra fijoroana vavolombelona mahalatsa-dranomaso avy amin'ny mpialokaloka iray izy:

Nahare fijoroana vavolombelona avy amin'ny niharan'ny fanaovana trafika iray, teraka tamin'ny 1993, nilaza izy fa noterena hanolana olona iray hafa nampijaliana, nodorana tamin'ny vy mahamay…

Niharan'ny fanondranana nitantara namana iray nodorana tamin'ny lohany sy ny vatany, lasa nisy bibikely niaina tamin'ireo ratra ka maty izy avy eo.

Niharan'ny fanondranana “nodrohan-dry zareo tamin'ny tsofa izahay, nodorany tamin'ny herinaratra ny lelako sy ny filahiako. Noterendry zareo hifanolana izahay. Nodoran-dry zaro ny lamosiko.”

Niharan'ny fanondranana “navelany roa andro tao amin'ny efitrano misy anay ny vatana mangatsiakan'ny namanay roa maty, avy eo namahanany alika ireo vatana ireo”

Tsy mbola tapitra. Nanampy i Trew:

Ireo mpialokaloka tafandositra ny fanondranana olona dia matetika tazonin'ny manampahefana Ejipsiana na Isiraeliana, gadraina ary avy eo terena handoa ny vola handroahana azy ireo

Mbola rahonan'ireo mpanondrana azy ihany ireo niharan'ny fanondranana, rehefa tafandositra any Kairo, izay ao an-drenivohitra


Vakinteny hafa:

Jadaliyya: Fanondranana olona ao Sinai: Mpialokaloka eo anivon'ny Fiainana sy ny Fahafatesana

Spiegel Online: Gadraina, Ampijaliana, Vonoina: Miroborobo Ny Fanondranana Olombelona ao amin'ny Saikanosin'i Sinai

Soniavo ny Fanangona-tsonia:
Mandraisa Andraikitra Hampitsaharana ny fanondranana olombelona ao Sinai

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.