GV Face: Dominikana 200.000 Taranaka Haisiana Nongotana Ny Zom-Pireneny

Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Momba Ny Lalampanorenana Dominikana hanongotra ny zom-pirenen'izay rehetra teraka ao amin'ny firenena (nefa) nanana sata tsy ara-dalàna hatramin'ny 1929 no nahatonga farafahakeliny Dominikana 200.000 taranaka Haisiana ho tsy mizaka zom-pirenena na inona na inona.

Amin'ny GV Face amin'ity herinandro ity no hiarahanay miady hevitra momba ny didy navoakan'ny Fitsarana Dominikana izay nanakely lalana ny famaritana ny mahaolom-pirenena izay mahatonga fiantraikany henjana ho an'olona an'arivony.

Ny toniam-pandraharahana (managing editor) ato aminay, Solana Larsen, no niresaka tamin'i :

- Pamela Martínez Achecar izay manoratra momba ny Repoblika Dominikana ato amin'ny Global Voices. Izy no hiresaka amintsika ny momba ny fivoaran'ny toe-draharaha eny an-kianja, sy ao amin'ny tambajotra sosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.