Mivadika Ho Kisarisary Mahatsikaiky Ilay Tantara Ratsy Momba Ny Trosan'ny Governoran'i Tokyo

Nameno ny lohateny lehiben'ireo fampahalalam-baovao mahazatra i Naoki Inose,  Governoran'ny tanan-dehiben'i Tokyo tamin'ny 26 Novambra 2013, noho ny tantara ratsy nandraisany 50 tapitrisa yen [50.000 dolara Amerikana] taminà fikambanana iray ivondronan'ny hopitaly, talohan'ny nirotsahany hofidiana tamin'ny Desambra 2012.

Nasehon'i Inose nandritry ny tafatafany tamin'ny mpanao gazety ny antontan-taratasy manaporofo fa findramam-bola amin'ny anaran'ny tenany no nataony, fa tsy vola ho an'ny fampielezan-kevitra akory. Niala tsiny tamin'ny vahoakan'i Tokyo sy ny governemantan'ny tanàna izy saingy kosa mitàna ny heviny tsy hametra-pialàna noho io olana io. Isan'ny toerana lehibe notànan'ny Governora Inose ny fikarakarana izay hahatomombana ny Lalao Olaimpika sy Paralaimpika 2020.

Ao amin'ny lalàna Japoney momba ny fifidianana ho amin'ny asam-bahoaka, tsy maintsy anaovan'ireo mpirotsaka ho fidiana fanambaràm-pananana daholo ny miditra aminy, anatin'izay ny fanomezana voarainy. Tsy nanao tatitra mikasika ireo 50 tapitrisa yen ireo i Inose. Vondrona iray natsangan'ilay mpampanoa lalàna fahiny, Tamaki Mitsui, no nametraka [ja] taratasy fitoriana mikasika ny raharaha.

Ho an'ireo Japoney mpampiasa twitter, lohahevitra iray hanaovana kisarisary mahatsikaiky fotsiny ny tantara ratsy ara-politika tahaka itony. Nalain'ireo mpisera anaty aterineto ny sarin'ny Governora Inose mitàna IOU (fanekena trosa) iray, izay toa mora kely ery mba hindràmana vola be tahaka izany, ka navadiny [ja] ho zavatra mampitokiky. Nanaovan-dry zareo fanalàna azy ihany koa ingahy Governora Inose tamin'ny niantsoany azy ho “Governora Tsy manan-tsiny”.

Naneho hevitra tao amin'ny Twitter i @TomoMachi, mpanakiana sarimihetsika, taorian'ny fahagagàny noho ny tatitra an-gazety nahitàny taratasy sora-tànana tsotra tsy misy fitomboka, fomba fanamarinana mahazatra ao Japana ny fampiasàna fitomboka.

Sahala amin'ny hoe ankizy mpianatra no nanao azy, dimy minitra fotsiny talohan'izao! Taratasy sora-tànana tsy misy lanjany nindràmana vola 50 tapitrisa yen ilay izy, tsy misy antoka no sady tsy misy daty hamerenam-bola. Mba fantany ve hoe fahasarotana toy inona ho an'olom-pirenena tsotra izany mandeha mindrana 10 tapitrisa any amin'ny banky izany? @craft_box: henjana loatra ity izy. [hehy]

@george_10g, mpanao taokanto 3D amin'ny kafe, no nanao fanamby tamin'ingahy Governora fa ho vitany koa ny manao sary azy io.

Ny fialamboly cappucino androany homena ny anarana hoe “Ilay sora-tànana nasehon'ny Governora Inose nisarika ny saiko ka dia hataoko sary koa (amin'ny kafe sy ronono) “.

Fotoana fohy taty aoriana, iray hafa mpampiasa twitter, @kono_mama no nampakatra ilay taratasy saingy amin'ny endriny tsy misy soratra ho ao amin'ny twitter, izay nitarika ho aminà andianà vazivazy nampiasàna sary.

Eto! Raiso ity sary ity ho anareo mpilalao kisaisary mahatsikaiky!.

i @AkizukiRitchan nihomehy an'ilay sary sy nametaka azy ao an-damosin'ny taratasy iray fanaovana dokambarotra. Ireny taratsy kely fanaovana dokambarotra ireny dia mazàna no zaraina isan-tokantrano mba hampahafantarana ireo vokatra amidy eo amin'ny lafiny iray, ary tsy misy na inona na inona kosa ao ambadika, matetika no soratsoratan'ny ankizy kely.

Sahala amin'ny hoe nanoratsoratra tao anaty singan-taratasy iray fanaovana dokambarotra izy [dokambarotra zarain'ireo trano fivarotana goavana amin'ny isan-tokantrano].

Navadik'i Masataka, mpampiasa Twitter, ilay sary ho taratasy matetika fanoratr'ireo reny miasa, taratasy iray hahazoana antoka fa mba misy hohanina mandritra ny fotoanan'ny dite hariva ny zanany, raha toa ka mbola any ivelan'ny tokantrano izy.

Eh, fotoana fisotroana dite izao.[Ny sary dia mivaky hoe “Ry Joe malala, misy mofomamy misy krema ao anaty vata fampangatsiahana ao”.]

Iray hafa i @v_okajima izay namerimberina tsy misy fiafaràny ilay sary.

Tsy mampivarahontsana ve ity fiverimberenana tsy misy farany ity ?

Manana ny holazainy ireo Japoney mpisera anaty aterineto mikasika olona iray mampiseho hafatra an-taratasy miaraka amin'ny endrika matotra. Fony i Jacques Rogge avy amin'ny Kaomity Iraisam-pirenena ho an'ny Lalao Olaimpika nampiseho karatra iray misy soratra hoe Tokyo teo amboniny mba hampahafantarana ny toerana handray ny Olaimpika 2020, vetivety foana dia nivadika ho karazana fanambatambaran-tsary samihafa mahatsikaiky ny sarin'ilay vanim-potoana manan-tantara, tamin'ny nanasisihana teny isan-karazany izay nanoloana ny hoe “Tokyo” teo amboalohany. Ary tahaka izay nataon-dry zareo ihany tamin'ny sarin'i  Jacque Rogge, nisy olona namorona famoahana lahatsoratra [ja] ho an'ny Gov. Inose. Avy amin'io kisarisary mahatsikaiky izay nalaky sy niparitaka be io, na tsy misy idiran'ny politika, faniratsiran'ireo mpisera anaty aterineto, mbola mitoetra ho mahabe resaka hatrany ilay tantara ratsy miresaka trosa.

Thumbnail image by Keiko Tanaka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.