Nankatòavin'ny Antenimieram-pirenena Ny Volavolan-dalàna Mikasika Ny “Tsiambaratelom-panjakana” Ao Japana

People rallied in front of the Diet during the plenary session of passing Japan's State Secrecy Protection Bill

Vahoaka manao fihetsiketsehana eo anoloan'ny Diète nandritra ny fivorian'ny azon'ny rehetra natrehana tamin'ny fankatòavana ny volavolan-dalàna momba ny Fiarovana Ny Tsiambaratelom-panjakana ao Japana. Sary nalaina tamin'ny  fandefasana mivantana tao amin'ny IWJ.

Nankatòavin'ny Antenimieram-pirenena ao Japana nandritra ny fivoriana azon'ny rehetra natrehana tamin'ny Talata 26 Novambra 2013 ny volavolan-dalàna mampifanditra momba ny Fiarovana ny tsiambaratelom-panjakana . Nanomboka ny hariva ny fivoriana, adiny dimy taorian'ny ora voatondro tokony hanombohany, noho ny fitakian'ny antokon'ny mpanohitra hanafoana ilay lalàna.

Hampiditra sazy henjana amin'ny famoahana ny tsiambaratelom-panjakana mikasika ny fiarovana, diplaomasia, ny ady amin'ny fampihorohoroana ary ny ady amin'ny fitsikilovana ny volavolan-dalàna. Mampiasa ny famaritana ny “tsiambaratelom-panjakana” ny volavolan-dalàna izay tsy voafaritra mazava sy midadasika loatra. Tsy fantatra intsony hoe vaovao tahaka ny ahoana no voakasika amin'izany, ary iza no sampana na vondrona hisahana izany andraikitra izany.

Naneho fanoherana mafy izany volavolan-dalàna izany ireo mpiaro ny zon'Olombelona, mpanao gazety ary ny olom-pirenena Japoney ao an-toeraana sy manerana izao tontolo izao. Nanohina lalina ireo tao an-toerana izay voadona mafy tamin'ny loza ara-nokleary tao Fukushima tamin'ny Martsa 2011 ny volavolan-dalàna. Araka ny loharanom-baovao maro, noferan'ny manampahefanan'ny governemanta fatratra izay tatitra momba ny toetran'ny tontolo iainana taorian'ny loza, ka nahavoa ny fahasalaman'ireo olona marobe.

Naneho hevitra momba ilay volavolan-dalàna tao amin'ny bilaoginy [ja] ilay mpanao gazety Ryusaku Tanaka ka nanatsonga an'i Tamotsu Baba, ben'ny tanànan'i Namie ao amin'ny prefektioran'i Fukushima, izay nijery tamberina ny loza tao Fukushima. Nandinika ny hamafin'ny zava-niainana niafara tamin'ny tsy fisian'ny fampahafantarana ho an'ny daholobe taorian'ny loza ilay ben'ny tanàna:

SPEEDIの情報が的確に公開されず、避難に活かせなかった。情報公開さえしてくれれば何らかの方法があった。東電と通報協定を結んでいたが守られな かった。我々は民主主義の拠り所である幸福追求権、生存権、財産権を全て侵害されている。人権を守って、情報公開してほしい。明るみに出せるところは出し てほしい。もうちょっと慎重な対応をするべき。国民と論議を尽くすことが大切だ

[Taorian'ny hovitrovitry ny tany sy ny loza ara-nokleary tamin'ny volana Martsa 2011], tsy navoaka hoan'ny dahobe avy hatrany ny fampahafantarana nataon'ny SPEEDI, ka tsy afaka nampiasa ny vaovao tao amin'ny SPEEDI intsony ny olona. Mety nisy fomba hafa nanaovana ny fanesorana ny mponina raha navoaka ho an'ny daholobe ny vaovao. Tsy voatàna ny fifanekena teo amin'ny TEPCO sy ny [ governemanta ao an-toerana]. Voahitsakitsaka avokoa ny zonay rehetra -ny zo hanana fahasambarana, zo hivelona, zo hanampanana. Tokony havoaka ho hitan'ny daholobe ny vaovao mba hiarovana ny zon'Olombelona. Tokony avoaka ampahibemaso avokoa izay zavatra rehetra tsara hofantarina. Tokony hitandrina tsara amin'ny fepetra raisina amin'ny fanaovan-dalàna. Tena zava-dehibe tokoa raha miady hevitra momba izany miaraka amin'ny vahoaka ny tompon'andraikim-panjakana.

Nanatontosa fihaonana azon'ny daholobe natrehana ny antenimieram-pirenena manoloana ny vaomiera manokana misahana ny fiarovam-pirenena tao an-tanànan'i Fukushima, fotoana fohy alohan'ny latsa-bato. Naneho ny fanoherany mafy ny volavolan-dalàna ireo solontenam-piarahamonina nandritra ny fihaonana.

Nilaza ny ben'ny tanàna Baba nandritra ny tafatafa [ ja] tao amin'ny fahitalavitra Our Planet, fantsom-baovao tsy mitady tombotsoa izay mandefa vaovao mivantana ao amin'ny aterineto, fa nankasitrahany ny nanaovana ny fihaonana tao Fukushima, nahatsapa izy fa “toa tahaka ny daroka” ilay fihaonana.”

Nahazo tsikera maro isan-karazany manerantany ny volavolan-dalàna. Niantso ny volavolan-dalàna ho fandrahonana ny mangarahara ny Biraon'ny Komity Ambony misahana ny zon'Olombelona ary niantso izany ho “manohitra ny fahalalahana (antiliberale)” ny gazety New York Times. Nilaza ilay Profesora mpanao gazety Yasuhiko Tajima fa manohitra ny fitsipika Tshwane (fitambaranà fitsipika ankapobeny mandrakotra ny fiarovam-pirenena sy ny zo hahazo vaovao) izany. Notsikerain'ilay mpikambana teo aloha tao amin'ny Filankevitra momba ny Fiarovam-pirenena Amerikana Morton Halperin [ja] ihany koa ny volavolan-dalàna.

Rehefa avy nahazo fankatòavana avy amin'ny komity manokan'ny antenimieram-pirenena tamin'ny Talata maraina, dia nankatòavin'ny antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna ny harivan'iny izay nahitana fanohanana goavana avy amin'ny antoko liberaly-demokratika. Tao anatin'izany, nikarakara fiaretan-tory ireo mpanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny  Diet mba haneho ny tsy fankasitrahan'izy ireo ny volavolan-dalàna.

Lahatsary ahitana ilay volavolan-dalàna nankatòavina maimaika tao amin'ny komity ny marainan'ny 26 Novambra izay navoakan'ilay mpisera antsoina hoe fukusima311 tao amin'ny Youtube.

Miahiahy ireo mpiaro ny zon'Olombelona, mpanao gazety ary olom-pirenena fa mety hametra ny zo hahazo vaovao ilay lalàna manoloana ny efa tsy-fangaraharan'ny governemanta. Nalahatry ny Reporters Sans Frontières ho laharana Faha-53 amin'ny Fahalalahan-gazety i Japana tamin'ny volana Aprily. Nanasongadina ny tsy fisian'ny mangarahara sy ny fahazoam-baovao ny tatitra, indrindra ireo vaovao mikasika an'i Fukushima.

Namoaka fanambarana ny PEN Iraisam-pirenena tamin'ny herinandro lasa, izay nanipika fa tsy dia momba ny fiarovana ny tsiambaratelo loatra no tena anton'ilay volavolan-dalàna. 

The Japanese government’s “Designated Secrets Bill” is not about the needs of the state or real secrets or the protection of the public good. It seems to be about politicians and employees of the state hiding behind an inflated idea of secrecy and an obsession with security verging on the hysterical, all in order to gather more power for themselves by undermining the rights of citizens to information and to free speech.

Tsy resaka momba ny filàn'ny fanjakana na tena tsiambaratelo marina na fiarovana ny tombotsoam-bahoaka ilay “volavolan-dalàna Manondro Ireo Tsiambaratelo” natolotry ny governemanta Japoney. Fa toa ho an'ireo mpanao politika sy mpiasan'ny fanjakana miafina loatra ao ambadiky tsiambaratelo sy ny fitandroana tafahoatra ny fiarovana, ary ny anton'izany rehetra izany dia ny mba hanangonam-pahefana manokana bebe kokoa ho azy ireo amin'ny alalan'ny fanitsakitsahana ny zon'ny olom-pirenena hahazo vaovao sy ny fahalalaham-pitenenana.

Nanatsonga ny tenin'ny Praiministra Shinzo Abe ny Agence France-Press fa tsy hametra ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao na handrisika ny manampahefana hanondrotondro izay vaovao ho tsy azo avoaka . Nilaza ihany koa i Abe fa miankina aman'ain'i Japana ilay volavolan-dalàna eo amin'ny fametrahana lasitra araka ny lalàna momba ny fifanakalozam-baovao saropady miaraka amin'ny firenen-kafa.

Singam-baovao “tsiambaratelo” 420 000 eo ho eo, izay miompana indrindra indrindra amin'ny sary zanabolana sy soramiafina (cryptogramme) ny ankamaroany, no voasingana ao amin'ny Torolalana hiadiana amin'ny fitsikilovana neken'ny [ja] Vaomiera Fampiroboroboana Ny Ady Amin'ny Fitsilovana (ataon'ny vahiny) eto Japana [dika vonjimaika] tamin'ny volana Aogositra 2007. Nilaza i Abe fa tsongaina manokana ny vaovao tsiambaratelo, ka mandrisika ny vahoaka izy mba tsy hiahiahy loatra amin'ny fanasokajiana ireo tahiry hosokajiana ho “tsiambaratelo”.

Miandry ny adihevitra sy latsa-bato ao amin'ny Antenimieran-doholona ankehitriny ny volavolan-dalàna, izay fantatra fa hotontosaina amin'ny fiandohan'ny volana Desambra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.