Mamay i Thailand Satria Mihamafy Ny Hetsi-Panoherana Manohitra Ny Governemanta

Thousands of anti-government protesters continued to hold rallies and marches across Bangkok. Photo by George Henton, Copyright @Demotix (11/26/2013)

Nanohy ny famoriam-bahoaka sy fidinana an-dalambe nataony tao Bangkok ireo mpanao hetsi-panoherana an'arivony maro manohitra ny governemanta. Sary an'i Photo de George Henton. Fizakàmanana @Demotix (11/26/2013).

Maherin'ny 100.000 ireo mpanao hetsi-panoherana manohitra ny governemanta no nameno ireo arabe tao Bangkok izay vao mainka nanamafy ny fihenjanana ara-politika ao Thailand. Toerana 13 no nahitana hetsi-panoherana izay nahitàna tranobem-panjakana maro sy foibem-pampahalalam-baovao. Fintinin'ny Siam Voices ny fiantraikan'ilay famoriam-bahoaka tao an-drenivohitry ny firenena:

…nanomboka indray ny hetsi-panoherana manohitra ny governemanta tao Bangkok, Thailand taorian'ny fifamotoanan'ireo andian'olona marobe tao an-tanàna, vinavinaina ho maherin'ny 100.000, tamin'ny Alahady.  Nanao diabe nitsinjara ho 13 samihafa namakivaky ny tanàna ireo mpanao hetsi-panoherana ny Alatsinainy maraina be, tao anatin'ny toe-draharaha izay lasa henjankenjana ihany tamin'ny fiandohan'ny tolakandro.

Tao anatin'ny toerana nanaovana ireo famoriam-bahoaka 13 ireo, lasibatr'ireo mpanao hetsi-panoherana ny foibenà fahitalavitra maimaimpoana isankarazany – tafiditra tao anatin'izany ny Channel 5 an'ny tafika, ny NBT an'ny fanjakàna (aka Ch 11) ary ny Channel 3 – satria heverin-dry zareo fa zara raha taterina ny mikasika ny famoriam-bahoaka ataony, na iniana tsy raharahiana tsotra izao tato anatin'ny andro vitsy, ka takiany ireo media mba hitatitra “am-pahamarinana”.

Nobodoin'ireo mpanao hetsi-panoherana ny Biraon'ny Tetibola sy ny Ministeran'ny Fitantanam-bola, ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny ary ny Departemantan'ny Fifandraisana. Ho setriny, nitarin'ny governemanta ny sehatra azon'ilay Lalàna Momba ny Filaminana Anatiny hiasàna satria nivoady ireo mpanao hetsi-panoherana fa mbola hanao hetsi-panoherana misimisy kokoa manerana ny firenena ato anatin'ny andro vitsy ho avy.

Ity lahatsary ity dia mampiseho ny haben'ny famoriam-bahoaka tao Bangkok tamin'ny Alahady lasa teo, ny famoriam-bahoaka goavana indrindra nisy hatramin'izao nenti-nanohitra ny governemanta.

Takian'ireo mpanao hetsipanoherana ny handravàna ny governemanta tarihan'ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra izay ampangain-dry zareo ho saribakolin'ny zokilahiny Praiminisitra teo aloha, Thaksin Shinawatra. Fanonganam-panjakana tamin'ny 2006 no nanaisotra an'i Thaksin teo amin'ny fitondràna. Any an-tsesitany izy taorian'ny niampangan'ny fitsarana iray tao an-toerana azy ho nandroba.

Nisy ny fikarakarana hetsi-panoherana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy taorian'ny nandalovan'ilay volavolan-dalàna famotsoran-keloka niteraka resabe, izay mety hamela an'i Thaksin hody an-tanindrazana. Noho ny tsindry avy amin'ny vahoaka, tsy nolanian'ny antenimieran-doholona ilay fepetra.

Saingy ireo hetsi-panoherana mitranga amin'izao fotoana izao ao Thailand dia midika fitohizan'ny fisamantsamahana politika lalina ao anatin'ny firenena. Mampahatsiahy ny krizy 2008 ny toe-draharaha rehefa injay nibodo ny seranam-piaramanidina ireo mpanao hetsi-panoherana, ary fotodrafitrasa hafa ain-dehiben'i Bangkok.

Ao amin'ny Twitter, ampangaina ho mampiasa ny tetikadin'ny mpanao asa fampihorohoroana sy manely vaovao diso ireo mpanao hetsi-panoherana.

vaovao diso halina mikasika ny fibodoana sy ny fakàna ny efitranon'ny faritany tany Atsimo izay toa tsy nisy an'izany nitranga marina akory.

— แก้วมาลา Kaewmala (@Thai_Talk)  27 Novambra 2013

Tohizan'ireo Demaokraty ny tetika fampihorohoroan'izy ireo. Fibodoana kianjam-bahoaka, fanapahana làlana, fanandramana hamadika ny raharaha ho any amin'ny herisetra

— Freakingcat (@freakingcat) 27 Novambra 2013

Mety hahazo fihainoana bebe kokoa ao amin'ny Parlemanta ny Dems (Demaokraty) raha toa ny Suthep & tariny tsy naka ireo tranoben'ny governemanta + fanambaràna manamaloka ny adihevitra.

— bangkokpundit (@bangkokpundit)26 Novambra 2013

Notoroana làlana ireo mpizaha tany mba tsy handeha amin'ireo faritra misy hetsi-panoherana:

Mijanona ho toy ny teo aloha ihany ny toro-hevitro ho anareo mpizaha tany. Fadio ny mandalo amin'ireo toerana misy hetsi-panoherana dia tsy ho azon-tsampona ianareo. Toerana roa lehibe goavana azo fadiana tsara i #Bangkok & #Thailand .

— Richard Barrow (@RichardBarrow) 27 Novambra 2013

Ity sarintany Google ity dia maneho ireo toerana tena isian'ny hetsi-panoherana ao Bangkok :


Hijery ireo faritra misy ny hetsi-panoherana ao Bangkok, Novambra 2013 aminà sarintany lehibe kokoa

Naparitaka tamin'ny faritra maro tao an-tanàna ny polisy raha toa kosa ireo mpanao hetsi-panoherana ka mbola nanohy nibodo ny tranom-panjakana sasany:

Thorn Pitidol mihevitra fa Suthep Thaugsuban, ilay mpitarika ny mpanohitra izay nikarakara ireo hetsi-panoherana, dia tsy namaritra mazava tsara ny fitakiana ara-politika nataony:

Araka ny nomarihan'ny maro, ny hafahafa amin'ity hetsi-panoherana ity dia izao, na teo aza ny isan'ny olona voatarika, tsy nanambàra ny tena tanjona mazava tsara tian-kotratrarina ilay hetsika

Raha izay mba azoko notakarina aloha, ny fandresen-dahatra poak'aty nalefany dia tsy ny fanolorana vahaolana mihitsy, te-hanetsika ireo rehetra izay mankahala ny governemanta fotsiny lery.

Mandritra izany fotoana izany, nomelohan'ireo vondronà media ny herisetra nanjo ny vahiny iray mpanao gazety noho ny nataon'ny sasany tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana. Namoaka ity fanambaràna ity ny Fikambanan'ireo Mpifandray Amin'ny Any Ivelany ao Thaïlande :

Manakiana mafy araka izay tratrany an'io ny Fikambanan'ireo Mpifandray Amin'ny Any Ivelany eto Thaïlande, ary mitaky amin'ireo mpitarika ny hetsi-panoherana mba hilaza tsy miolakolaka ary ampahibemaso fa tokony hajaina ny zon'ireo mpanao gazety, na vahiny na Thai.

Ny Vovonan'ny Gazety Aziatika Atsimo-Atsinanana dia nandika ireo hetsi-panoherana manodidina ireo tobinà media ho toy ny loza iray mitatao ho an'ny fahalalahan'ny media:

…azo adika ho fanerena mivantana ny media hitatitra olana ny hetsi-panoherana atao eny anoloan'ireo tobinà TV raha ny fomba fijerin'ireo mpanao hetsi-panoherana. Tsy misy maha-samihafa izany amin'ny fanerenana ataon'ireo tompon'ny media sy ny fanjakana amin'ireo mpanao gazety mba hitongilanan'ny vaovao ho any amin'ny tombontsoan'izy ireo. Tsy olana loatra ny hoe avy amin'iza ny tsindry, fa ny zava-dehibe dia ny hoe ireny fihetsika ireny dia tena manimba ny maha-matianina ny asa fanaovana gazety amin'ny fanomezana vaovao ho an'ny vahoaka sy fandefasana ireo fomba fijery ara-politika isan-karazany

Brad Adams, talen'ny Human Rights Watch any Azia, dia nanainga ny tafi-panjakana sy ny mpanao hetsi-panoherana mba samy hisoroka ny herisetra :

Mananjo hanao hetsi-panoherana am-pilaminana ny vondrona mpanohitra, saingy tsy midika izany fa hanafika mpanao gazety na olona hafa. Amin'io fotoana io ihany, ireo manampahefana Thai dia mila mamela malalaka ireo fihetsiketsehana manohitra ny governemanta ka voaaro tsara sy tsy hampitontongana izany ho any amin'ny fifandonana mahery setra

Nohazavain'ny Praiminisitra Yingluck ny antony nanitàrany ny Lalàna Momba ny Filaminana Anatiny :

Mangataka amin'ireo mpiray firenena amiko aho mba tsy hitondra fanohanana ho an'ireo hetsi-panoherana izay manitsakitsaka ny lalàna ary mba tsy hino ny honohono. Miangavy fiaraha-miasa amin'ireo manampahefana amin'ireo hetsika hitandroana ny fampiharana ny lalàna mba hiverenan'ny toe-draharaha ho amin'ny tokony ho izy araka izay haingana indrindra. Angatahako ireo izay manana fomba fijery mifanohitra mba hampiasa ireo fitaovana parlemantera natao ho an'ny adihevitra fanasivànana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.