Mikatona Ve Ny Raharahan'ireo Niharan'ny Fampihorohoroana Rosiana?

Russian special forces participating in the capture of Islamic militants, including Sokolov. YouTube screenshot.

Hery manokana Rosiana nandray anjara tamin'ny fisamborana ireo mpikatroka Silamo, isan'izany i Sokolov. Dikasary YouTube.

Nitrangàna fifampitifirana tao Makhachkala, tanàna any ivelan'ny renivohitra, tao anatin'izay efa lasa fihetsika zava-mahazatra fanao any Dagestan, faritany tsy manam-pitoniana any atsimon'i Rosia. Tsikaritra anefa fa nihoatra lavitra noho ny fifanandrinana mahazatra eo amin'ny polisy sy ny mpikatroka Silamo izy ity. Avy amin'izany no namoahan'ny Kaomitim-pirenena Rosiana Miady Amin'ny Fampihorohoroana ( NAK ), fanambaràna iray milaza fa tsy hafa ny iray tamin'ireo mpikatroka fa i Dmitry Sokolov, ilay atidoha nikotrika ny fanapoahana baomba tao anaty fiara fitaterana iray tany Volgograd tamin'ny volana lasa izay nambara fa ny vadiny no nitondra azy. Notaterin'ny NAK [ru] fa nandritra ilay hetsika dia lehilahy dimy no maty, ary niaiky ny helony tamin'ilay fanapoahana baomba i Sokolov.

Somary naka endrika hafahafa ilay tantara, rehefa injay ilay Rosiana mpanao gazety sady mpiasan'ny fampielezampeo fanta-bahoaka, Yulia Latynina nilaza [ru] fisianà andianà hetsika hafa natao. Nandritra ny fandaharana isan-kerinandro fanaony dia niteny i Latynina fa ny marina dia voasambotr'ireo olom-pirenena any an-toerana efa tany ampiandohan'ny herinandro i Sokolov, ary natolotra ny polisy. Nanamafy ihany koa izy fa taorian'ny tsy nahavitan'ity tranga ity nivoaka ho lohatenim-baovao, nisy loharano avy ao an-toerana niteny taminy fa mety ho vitan'ny polisy ny “hamono” ilay lehilahy ho toy ny hoe vokatry ny “hetsika manokana nataon'ny polisy.”

Bilaogera tsy mitonona anarana i hardingush [tatitry ny Global Voices], miaramila Rosiana iray miasa miaraka amin'ny tarika mpiady amin'ny mpampihorohoro any Kaokazy Avaratra ary mitantara anaty bilaogy ny zavatra iainany any, no nanao fanamby [ru] tamin'i Latynina ao anaty lahatsoratra iray, manontany azy momba ny filazany mikasika an'i Sokolov hoe voasambotry ny olona tany an-toerana mora foana raha iny izy teny amin'ny toerana natao ho an'ny daholobe iny, ary tsy nitondra akory na dia fehikibo fitondra manao vy very ny aina aza (izany hoe tsy matianina). Ny marina, nandeha lavidavitra kokoa i hardingush nilaza an'i Latynina, na olona hafa, ho namoromporona ilay tatitra voalohany — azo heverina ho noho ny zavon'ny ady:

Понимаете, Юля, после каждого ОБМ [оперативно-боевое мероприятие — ed.], в котором я участвовал, в интернете появлялись свидетельства очевидцев. Все эти свидетельства были столь же абсурдны, как и ваша история о мифическом знакомом из Махачкалы. Если бы кого-то гражданские задержали после терракта и передали бы сотрудникам полиции (на вашем журналистском языке – ментам), то весь Дагестан бы гудел об этом до сих пор.

Hitanao, Yulia, aorian'ny Hetsika Fanafihana tsirairay atao izay nandraisako anjara, misy fijoroana vavolombelona mitranga ety anaty aterineto. Ireny rehetra ireny dia samy tsy misy dikany toy ny tantaranao mikasika ilay olom-pantatra foromporonina avy ao Makhachkala. Raha misy olona iray azon'ny sivily taorianà fanafihana mpampihorohoro ary natolotra ny polisy (na “cops” araka ny filazanareo mpanao gazety azy), tsy maintsy ho efa niresaka izany daholo i Daghestan manontolo hatramin'ny anio.

Vladimir Varfolomeev, mpiara-miasa amin'i Letynina ao amin'ny Echo Moskvy dia namerina nampakatra [ru] ny tantaran’ i Latynina ho ao amin'ny bilaoginy, ary ny ankamaroan'ireo fanehoankevitra voarainy dia azo itarafana ny fitomboan'ny fankahalàna/fihantsiana ireo manampahefana Rosiana mpampihatra lalàna. Maro no maneho hevitra amin'ny fomba feno eso ny filazàna fa hoe niaiky ho nanapoaka baomba tao Volgograd i Sokolov :

Главное, перед смертью по телефону успел взять на себя ответственность за взрыв в Волгограде!

Ny zavatra manan-danja indrindra dia ny hoe nanana fotoana nandraisany ny andraikiny izy tamin'ny fanapoahana baomba tao Volgograd tamin'ny telefaona!

Ny sasany kosa niahiahy an'ilay tantara avy amin'i Latynina:

А почему вы об этом сразу не написали, а стали ждать “сообщений об этом по новостям”?

Ary nahoana ianao no tsy avy hatrany dia nanoratra mikasika azy iny, fa niandry “ireo tatitra mikasika azy iny tamin'ny vaovao”?

Mety tsy ho hitantsika mihitsy izay tena niafaran'i Sokolov. Saingy ny endrika manjavozavon'ireo hetsika fanao hiadiana amin'ny asa fampihorohoroana dia manome vàhana fotsiny ihany ny fisian'ireo petra-kevitry ny tsikombakomba, izay mahafaly tokoa ny tontolon'ny bilaogy rosiana ny miresaka azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.