Bisikilety: Vahaolana Ho An'ny Arabe Ao Damaskaosy

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny fandrakofanay  ny  Siria Tsy Voaresaka.

Raha te-hivezivezy eny an'arabe ao Damaskaosy ianao amin'izao androntsika izao, dia azo eritreretina hifanena aminà tovovavy na tovolahy mivoy bisikilety, fly misongona ireo fiara voafandriky ny fitohanana eny amin'ny iray amin'ireny toeram-pisavàna fiara ao an-tanana ireny. Ny firoborobon'ny bisikilety ao Damaskaosy dia ampahany amin'ny fanentanana antsoina hoe “She Wants a Bike” – Mila Bisikilety Ikalakely Izao tarihan'ireo mpianatry ny ambaratonga ambony, avy amin'ny Fakiolten'ny mpianatra ho injeniera ny ankamaroan-dry zareo.

Young participants of the She Wants a Bike campaign. Source: Syria Untold

Tanora mpandray anjara amin'ilay fanentanana  “She Wants a Bike”. Loharano: Syria Untold.

Any Siria, hatrizay ny bisikilety dia noraisina hatrany ho fitaovam-pitateran'ireo saranga ambany, ampiasain'ireo tsy manana fahafahana hividy fiara misy maotera. Nampifamatorina tamin'ny lehilahy hatrany koa izy ireny. Mba handravàna ireo hevitra roa raiki-tampisaka ireo sy ho fanolorana vahaolana amin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana aterak'ireo toeram-pisavàna, nanapa-kevitra ny vondrona iray ahitàna tovolahy sy tovovavy fa hanomboka hitaingna bisikilety hitety ny manodidina ny tanàna, ary handrisika ny hafa mba hanaraka ny ohatra omeny.

Ny tanjon'izy ireo, araka ny nambaran'ireo mpikarakara tamin'ny Syria Untold, dia “ny hanova ny fahazaran'ny fiarahamonina sy hampiroborobo ny fampiasàna ity fitaovam-pitaterana fanolo ity.” Heverin-dry zareo fa ny kolontsain'ny fivoizana bisikilety dia fomba iray tsara hampivoarana ny fiarahamonina amin'ny fitsitsiana angovo sy fampihenana ny fandotoana.

“Fantsona iray ihany koa io ho an'ny Siriana mba handravany ny tahotra ny fomban-drazana, izay nanakana ny maro tsy hitaingina bisikilety. Nandritry ny taona maro, ny tahotra ny ho vavan'ny olona no nanakana ny vehivavy, indrindra fa ireo misalobola hijab, tsy hampiasa azy ireny.”

Girl riding a bike in Damascus. Source: She Wants a Bike´s campaign´s facebook page

Tovovavy mivoy bisikilety ao Damaskaosy. Loharano: Pejy Facebook an'ny fanentanana  “She Wants a Bike campaign”

 Hantràrana izany, asain'ireo mpikarakara ireo rehetra liana amin'izany mba hanatevin-daharana ilay fanentanana ka hametraka ny bisikiletan-dry zareo eo amin'ny faritra natao ho azy ao amin'ny oniversite, ho fihetsika famantarana fotsiny, satria ny bisikilety hatrizay dia voaràra any anatin'ny faritry ny toeram-pianarana Siriana.

Nahomby tanteraka ilay hetsika, ary anjatony maro ny bisikilety hita ato anatin'ny faritry ny toeram-pianarana tamin'ny 4 Oktobra, nozaraina tao amin'ny Facebook n y sarin'izy ireny taorian'izay. Isan'ireo nizara ny sariny ireo tovovay marobe, miaraka amin'izay niainay azy manokana. Nitantara ny iray tamin'ireo tovovavy :

Nanao hijab aho, ary “manteau” iray (akanjo mafana mainty fampiasàn'ny vehivavy Silamo manam-pihaviana avy amin'ireo mpandàla ny nentin-drazana), ary io no voalohany mba nitaingenako bisikilety. Niala tany an-tranoko tany Mashru Dummar aho tamin'ny 7 ora maraina, niaraka tamin'ny anadahiko, izay nandrisika ahy hanao azy io. Nandalo tany Rabwe aho, ary nanohy nankany amin'ny arabe Mazzeh, ary tany aho no nisaraka tamin'ny anadahiko, izay tsy maintsy nanohy làlana hafa. Hoy izy mantsy ahy “Afaka manohy irery ianao”, “ravaho ny fefin'ny tahotrao ary aza manahy ny amin'izany.” Io no nanombohan'ny tantarako. Nanohy ny diako aho ary nifanehatra taminà toeram-pisavàna maro teny an-dalako, nefa tsy maintsy ambarako fa dia nahafinaritra ny nandraisan'ny olona rehetra ahy, ny sasany aza nitsikitsiky sy nirary soa ho ahy rehefa nahita ahy ry zareo. Tena zavatra nahafinaritra sy namaha fatorana ilay niainako ary mandrisika ny tovovavy tsirairay aho mba hanao tahaka izany. Somary hafahafa ilay izy eo am-boalohany saingy vetivety dia zatra ianareo avy eo.

Anisan'ireo sakana amin'ny fanapariahana ny fampiasàna bisikilety ao amin'ny firenena ny halafon'izy ireny ho an'ireo Siriana salantsalany – tsy nidina mihitsy ny vidiny na dia eo aza ny toe-draharaha manahirana efa misy ankehitriny – sy ny hoe tsy tsara jery mihitsy izany vehivavy mitondra bisikilety izany any amin'ireo faritra mpifikitra amin'ny nentin-drazana.

Kanefa, nanolo-tena handingana ireny sakana ireny ireo mpikarakara ilay fanentanana, amin'ny fanolorana vahaolana ho an'ny firenena avy ao anatiny ihany, mivoy dia mivoy.

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny fandrakofanay  ny  Siria Tsy Voaresaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.