Ejipta: Tsy Ho Adino Akory i Mohamed Mahmoud

Efa tany amin'ny Novambra 2011, nirongatra tao amin'ny araben'i Mohamed Mahmoud ao afovoan'i Kairo ny fifandonana. Teo ivelan'ny foiben'ny Ministeran'ny Atitany no nisy ny korontana, raha mbola teo am-panomanana ny fifidianana parlemantera voalohany i Ejipta taorian'ny nanonganana an'i Hosni Mubarak ary raha mbola ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana (SCAF) no nifehy ny firenena. Niafara tamin'ny famoizana ain'olona am-polony sy maratra an'arivony ireny fifandonana ireny. Natao tamin'ny 2012 ny fahatsiarovana, teo ambany fitondran'ny Firahalahiana Miozolmana izay nanohana ny Filoha Mohamed Morsi ary efa nesorina koa ankehitriny, fifandonana hafa indray no nanamarika izany. Ao anaty vanim-potoana mampafampàna ny toe-draharaha ny fankalazana amin'ity taona ity, izay samy nanambaràn'ny tafika sy ireo mpanohana ny Firahalahiana Miozolmana fanaovana diabe androany [19 Novambra 2013].

Ho fisorohana ny mety hisian'ny fifandonana feno herisetra na avy amin'ireo tafika mpiandany na ireo fihaonamben'ny mpiandàny amin'ny Firahalahiana Miozolmana ary ho fampifanalavirana ireo vondron'olona roa ireo amin'ireo vondrona manana ny firehany manokana ara-politika, nisy olon-tsotra nanao diabe omaly [18 Novambra 2013]. Fanapahan-kevitra noraisin‘ireo mihevi-tena fa tsy momba na manohitra ny atsy na ny aroa mba hanao diabe avy ao amin'ny Arabe Mohamed, manomboka amin'ny 5 ora hariva, ora ao Kairo, hankany amin'ny tranon'ny iray amin'ireo maritiora any akaikin'i Lapa Abdeen. Tany ampiandohan'ny alina, maherin'ny arivo ireo nanao diabe tao amin'ilay kianja famantarana/malazan'i Tahrir ao Kairo.

Betsaka ny antony nanosika ireo mpanao hetsi-panoherana tsy haniry hanatevina laharana ireo diabe iarahana amin'ny tafika mpiandany sy ireo olo-malazan'ny Firahalahiana Miozolmana (MB) ary ireo mpanohana azy. Zeinobia no mampahatsiahy antsika ny iray amin'izy ireny :

Tsy adinoko ny zava-bitan'ireo politisiana avy amin'ny MB sy ireo mpanararaotra tamin'izany fotoana izany, tsy adinoko ny zava-nahazatra natao sy nolazain'ireo media, ireo olom-pirenena mendri-kaja, ny SCAF ary ny polisy !! Eny, izay nataon-dry zareo!!

Teo ambanin'ny fifehezan'ny filoha Morsi izay efa nesorina ankehitriny,  namoizana ain'olona telo ny fahatsiarovana ny tsingerintaona voalohan'ireo fifandonana tao amin'ny araben'i Mohamed Mahmoud, nanampy isa ireo maritiora maherin'ny 45 tamin'ny 2011.

Naelin'ilay mpampiasa Twitter, Maher Hamoud, ny fampahatsiahivan'i Zeinobia, izay mampahatsiahy ireo fanehoankevitra avy amin'ny tomponandraikitry ny Firahalahiana Miozolmana niantso ireo mpanao hetsi-panoherana niharan'ny fanafihana ho ‘jiolahimboto’:

“Ta3rees : ny hoe lasa pimp” dia fomba fiteny Ejiptiana tokony hianaran'ireo vahiny manaraka ny fankalazana ny #MohamedMahmoud , izay ankalazan'ireo mpamono olona ny olona novonoiny.

Araka izany, ilay famoriam-bahoaka dia tena fahatsiarovana namana, havana ary ireo rehetra namoy ny ainy tao anatin'ny fifandonana – na izany tamin'ny polisy na tamin'ny tafika :

“Adabohy daholo ireo mpamadika” @cliffcheney eo an-dàlam-pandrehetana ny afo يسقط من خان  . Nalona tanaty menaka na zavatra hafa #Egypt pic.twitter.com/1uWVbJieAA

 

Ny sora-baventy teo am-pidirana ny arabe Mohamed Mahmoud no tena nahalaza zavatra, nivaky hoe “Ny mpitaky fiovàna irery ihany: tsy azon'ny Firahalahiana Miozolmana, ny tafika sy ny Felool idirana” (ny ‘felool’ dia ireo zaza navelan'ny vanimpotoanan'i Mubarak:

Banner at the entry of Mohamed Mahmoud Street, 18 Nov 2013. Image by @justicentric, used with permission.

Sorabaventy teo ampidirana ny arabe Mohamed Mahmoud , 18 Nov 2013. Sary an'i @justicentric, fampiasàna nahazoana alàlana

 

Tena tsy afaka ao anaty fahatsiarovan'ireo olona maro ny herisetra tsy voahevitra nampiharina tsy ankitsitsy tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana, nataon'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana tamin'izany fotoana izany (SCAF) :

#MohamedMahmoud Mohamed Mahmoud … Tsy hanadino velively ny heloka bevava nataonareo #SCAF.

Fongarin'i Amro Ali ireo bitsika tamin'ny 2011 :

( Bitsika tamin'ny Nov 2011): “Tokony handeha hamonjy fodiana ianareo, araka izany ry akama isany, rehefa maty izahay dia afaka manorina ny firenena ianareo – ianareo nahita fianarana ireo,” #Egypt‘ian tao #Tahrir

( Bitsika tamin'ny Nov 2011)  #Egypt ” Ilay firenena tokana ahitàna tanora tsy matahotra ny ho faty, saingy matahotra kosa hiteny amin'ny ray aman-dreniny fa hoe handeha ho any amin'ny kianja Tahrir ry zareo”. 

(2011)  @mohabdelhamid manoratra ny laharan-telefaon'ny ray aman-dreniny eny amin'ny vatany ireo mpanao hetsi-panoherana mba hahafahana miantso azy ireo raha sanatria ka maty ry zareo. #Tahrir

sary isan'ny tena niparitaka be indrindra tamin'ireo azo nandritra ny  #MohamedMahmoud ity mpanao fihetsiketsehana namonjy lahiantitra tsy ho tratry ny entona mandatsa-dranomaso ity. #Egypt pic.twitter.com/FZdus1CRSo

Fotoana iray tena manamarika nandritra ny #MohamedMahmoud ity lahiantitra iray nijoro tamim-pahatokiana nanatrika ny mpitandro filaminana ity. #Egypt pic.twitter.com/sXcAuA6Os7

(tsy)nalaza ireo fifandonana tao amin'ny Mohamed Mahmoud (lahatsary, Ar) niaraka tamin'ny fampiasàna ireo lazaina fa entona mandatsa-dranomaso faran'izay mahery vaika lavitra noho ny mahazatra, niteraka fanintontsintona, kohaka miharo rà ary fianjerazeràna tamin'ireo tranga maro hita. Mahatsiaro i Amro Ali :

Sangy ratsy fanaon'ny olona tao #MohamedMahmoud : “Teny faneva vaovao ao Tahrir: takian'ny olona ny famerenana ny entona mandatsa-dranomaso fahiny ! ” – (Nov. 2011)

Mbola sangy ratsy tao #MohamedMahmoud : « Manadio ny havokavok'ireo mpifoka sigara ny entona mandatsa-dranomaso”, ” Mitondrà kapoakan'entona mandatsa-dranomaso avy ao Tahrir & mahazoa maimaimpoana shisha iray!

Zavatra iray hafa tamin'ireny fotoana nanafintohina ireny ny habibian'ny tafika sy ny polisy: voamarika tsara, ireo mpitily maso niroso nankeny amin'ny laharana teny aloha ary nandratra sy niteraka fahajambàna maro be. Ho setrin'izany, maro ireo tsangambato, isan'ireny ny tsangambato malaza Um Kolthoum tao Kairo sy ireo tsangambato isan-karazany fony vanim-potoana Grika-Romàna tao amin'ny tanàna amorontsirak'i Alexandria, nitondra arofery teo amin'ny masony. Dr. Ahmed Harara dia isan'ny endrika fantatra tamin'ity herisetra fikendrena olona ity : poaka maso an'ila i Harara tamin'ny 28 Janoary 2011 ary fantatra nanerana ny kianja Tahrir tamin'ny fitondràna tampi-maso nisy izany daty izany voasoratra teo amboniny; nitaky ny maso faharoan'i Harara ireo korontana tao Mohamed Mahmoud sy ireo mpitily maso :

Tsy ho adinoko mandrakizay ny fotoana nandefasan'ireo mpikatroka mafàna fo ny bitsika nilaza fa vaky koa ny maso faharoan'i Harara. Tsaroako ho maty/nivadika mainty ny revolisiona tao #Egypt #MohamedMahmoud

Taona roa taty aoriana, hita tao anatin'ny famoriam-bahoaka nitakiana ny fanavaozana tanteraka ny polisy i Harara :

Dr. Ahmed Harara amin'izao fotoana izao ao amin'ny Stade #Abdeen pic.twitter.com/8vETpLaQlW @Sharkorlando #MohamedMahmoud http://t.co/U0zJon8Mi1

Mahatsiaro ihany koa ireo hafa sasany namoy ny masony:

Reda Abdelaziz , voatifitra teo amin'ny maso tao#MohamedMahmoud raha niezaka naka ny fatin'ny namany, jamba tanteraka izy ankehitriny. pic.twitter.com/VfqJ0102Gn

Abdelaziz , 19 taona fony izy voatifitra, dia niteny fa ny zavatra hitany farany dia ny endrik'ireo polisy nitifitra azy. #Egypt #MohamedMahmoud

Ilay fikambanana Ejiptiana tsy miankina, Mosireen,  dia namoaka lahatsary matanjaka nampivadiany tamin'ny kabarin'ilay mpitondra tenin'ny  Ministeran'ny Atitany(MOI) tamin'izany fotoana, niantso ny “hanomezam-boninahitra ireo maritiora” raha toa kosa ny polisy sy ny tafika nidaroka sy namono ireo mpanao hetsi-panoherana talohan'ny nanipazan'izy ireo ny fatin'izy ireny tany anaty fako :

Nalefa nandritra ilay fihaonambe tamin'ny 18 Novambra ary niteraka fanehoan-kevitra mazava tsara ilay lahatsary :

Lahatsary nataon'ny @mosireen nalefa niaraka tamin'ny fanambaràn'ny MOI nolaroina sarin'ny polisy mamono ireo mpanao hetsi-panoherana. Valintenin'ireo olona marobe : pic.twitter.com/bWlzyrjC5F

Ny lahatsarin'ny Mosireen, nomena lohateny hoe ‘Aza Manadino Velively. Tsarovy Mandrakariva’ dia tena zava-dehibe tokoa raha mbola mitohy ny fanaovana lela roa : anaty fanambaràna iray tamin'ny 16 Novambra 2013 (Ar), manomana ny fankalazàna ny tao Mohamed Mahmoud ny Ministeran'ny Atitany amin'ny fanomezan-tsiny ny “hafa”  tamin'ny famoizana ain'olona nitranga nandritra ireo fifandonana tamin'ny 2011 ary Morsi (filoha efa voahilika ankehitriny) noho ireo fahafatesana nitranga nandritra ny fahatsiarovana tamin'ny 2012. Ny CIA sy ny ONG “Freedom House” koa dia isan'ireo meloka, ary ny Minisiteran'ny Atitaty dia manohy milaza ny tenany ho “voalohany mpiaro” ny vahoaka ” mijery maso akaiky [an'ity] firenena ity sy ny vahoakany”.

Niteraka taokanto an'arabe maro tsy tambo ho isaina ilay herisetra, izay efa nanjavona tsy ho hita intsony ankehitriny saingy kosa voatahirin'i Mai Shaheen, mpaka sarin'ny Ahram Online. Nahita toerana iray hivelomana sy hiroboroboana ireo graffitis vaovao tamin'ny fahatsiarovana natao tamin'ity taona ity.

Manamarika ny fiverenany makotroka ireo Moto —  navadika maika ho fitaterana vonjivoina tamin'ny 2011 –: i Simon Hanna mpandrakitra lahatsary tsy miankina dia namoaka lahatsary iray tsy mampino (Ar, misy soratra mandady)  izay iresahany amin'i Ezzat Hamed, mpikojakoja ny resaka herinaratra amin'ny fiara, izay tsy maintsy nanakatona ny toeram-piasàny tao amin'ny Arabe Mohamed Mahmoud noho ireo fifandonana tao, ary  “nanomboka nanamboatra maodely avy amin'ireo korontam-by, kapoakan'entona mandatsa-dranomaso efa lany ary tranom-bàla” :

Tsangambato iray naorina ao an-kianja Tahrir no nisarika ny saina : ilay tsangambato, lazaina ho fahatsiarovana ireo maritiora namoy ny ainy nandritra ny Revolisiôna, dia ny tafika no nanorina azy ary notokanana tamin'ny 18 Novambra 2013. Betsaka no mahita izany ho toy ny faniratsiràna, ary nikiaka nilaza azy io ho fihatsarambelatsihin'ny fitsaràna satria ‘tsy mbola misy fitsaràna tetezamita manomboka amin'ny fanangànana tsangambato izany’
 

#Tahrir Vita ny Tsangambato  pic.twitter.com/v6Pjh5PB8E

Ora maro taorian'ny nanokanana ilay Tsangambato, dia nisy nanimba aloha ny endriny ary avy eo natombok'ireo mpanao hetsi-panoherana (Ar) ny andrana hanimbàna azy io (lahatsary, Ar) :

‘Arodany izay rehetra mpamadika : tafika, ireo olon'ny fitondràna taloha ( Moubarak ) ary ny Firahalahiana’ misoratra eo amin'ilay tsangambato ao  Tahrir .#Egypt pic.twitter.com/dLlj2rfquw

Miatrika herinandro iray henjana kokoa i Ejipta : efa misy sahady ireo mpikatroka mafàna fo no voasambotra noho ny fitsinjaràna taratasy kely niantso famoriam-bahoaka ho fahatsiarovana. Tsy ho andro voalohany fotsiny aminà herinandro iray lavabe hahatsiarovana ireo fifandonana tamin'ny 2011 ny 19 Novambra fa koa manamarika ny fitsingerenan'ny nahaterahan'ny Jeneraly El-Sissi, ilay lehilahy matanjaky ny tafika amin'izao fotoana izao. Any amin'ny faran'ity herinandro ity, hampiantrano ny lalao baolina kitra Ghana vs Ejipta ihany koa i Kairo, ary hamàrana ny fifidianana ilay volavolan-dalàm-panorenana vaovao kosa ny Kaomitin'ny Lalàm-panorenana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.