Thuraya IP+ Terminal Sy Global Voices Natolotra Niaraka Tao Amin'ny News Xchange

News Xchange and Thuraya recognize Risng Voices

Solana Larsen misaotra ny Thuraya sy News Xchange tao Marrakech, Maraoka ny 15 Novambra 2013. Sary © Stefano Santucci/News Xchange (used with permissionfampiasàna nahazoana alàlana)

Ho fankasitrahana ny asa mahafatra-po fitrandraham-baovao eny an-kianja iarahany amin'ny median'olon-tsotra ety anaty aterineto, natolotra ny Global Voices ny Thuraya IP+ Terminal , nandritra ny kaonferansa News Xchange fanaon'ny Eurovision isan-taona tao Marrakech, Maraoka ny 15 Novambra 2013 mba ho ampiasain'ny vondrom-piarahamonina Rising Voices.

Ilay fitaovana izay hanome fahafahana miditra aminà angon-drakitra midadasika ary mandalo amin'ny tambajotranà satelita mivelatra be dia nampahafantarin'i John Huddle avy amin'ny Thuraya, orinasa sangany amin'ny resaka finday mandeha amin'ny satelita, tamin'ny Global Voices. Tamin'ny News Xchange tamin'ny taona lasa, fitaovana Thuraya iray tahaka izao ihany koa no nampahafantarin'i Sebastian Meyer, mpanorina ny masoivohon'ny fakàna sary ho an'ny gazety tao Iraka, antsoina ho Metrography.

Ny talen'ny fanoratana ato amin'ny Global Voices, Solana Larsen, niteny hoe, “Tonga avy any amin'ny firenen-tsamihafa ireo bilaogera sy olon-tsotra mpanao gazety amin'ny vaovao iraisam-pirenena mba ho toy ny loharano amin'ny fanomezana tatitra, fa tsy hoe nipoitra avy any amin'ny tsy fantatra akory. Ireo vondrom-piarahamonina toy ny Global Voices dia mamahana sy manohana ireo bilaogera ary mpikatroka mafàna fo vaovao avy amin'ny lafy maro eto amin'izao tontolo izao, any amin'ireo faritra izay mbola andrasana hitranga ny vaovao.”

Ho Mpiara-miasa mifanohana amin'ny Global Voices ny Thuraya amin'ny fanomezana ny fitaovana sy taona iray ahafahana mampiasa maimaimpoana ny fifandraisana mba hiasàna any amin'ireo vondrom-piarahamonina tsy dia re firy, zara raha manana, na tsy misy aterineto mihitsy aza.

Amy Selwyn, Tale jeneralin'ny News Xchange miteny hoe, “Tena faly tanteraka izahay hiasa ho mpampifandray. Amin'ny maha-mpanohana sy mpiara-miasa lehibe ny Thuraya sy News Xchange, no nahafahanay nanolotra ity fitaovana ity ho an'ny Global Voices ho fanohanana ny asa fanaovana gazety eran-tany.”

Thuraya IP+

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.