Ny Tambajotra Sosialy Eo Anatrehan'ny Fifidianana Tao Tadjikistan : “Dingana Lehibe ” Ve Sa “Tabataba” Fotsiny Ihany ?

Nahatonga adihevitra tsy mbola fahita mihitsy tanaty tambajotra sosialy ilay fifidianana Filoham-pirenena natao tao Tadjikistan iny, ary tena nanatsinkafona mihitsy. Tsy mazava, anefa raha nitndra fiovàna ilay izy satria tsy dia samihafa loatra famin'ny vokatr'ireo fifidianana natao teo aloha tao amn'ny firenena ny vokatry ny fifidianana ny 06 Novambra teo.

“Dingana Iray Lehibe”

Ao amin'ny bilaogy BBC Media Action, milaza i Esfandiar Adena, mpanao gazety, hoe :

Dingana iray lehibe ho an'ny tambajotra sosialy ao amin'ny firenena ny fotoana talohan'ny fotoam-pifidianana – noho ny fisian'ny adihevitra politika mafonja tanaty aterineto sy ny nampiasàn'ireo mpitarika ny mpanohitra ny tambajotra hiantsoana fanaovana an-kivy ny fifidianana.

Tanisainy ao ny fanapahan-kevitry ny manampahefana tsy hanome fahafaha-mifidy ho an'ireo Tadjikistan monina any Rosia ary ny adihevitra mikasika ny hevitra “hanaovana an-kivy ny fifidianana” ho ohatra amin'ireo resaka manodidina ny fifidianana, adihevitra izay tsy hita afa-tsy tao amin'ny tambajotra sosialy ihany.

Ao aminà blaogy iray hafa, milaza i Adena fa tao anatin'izay volana vitsivitsy nisesy talohan'ny fifidianana izay, ny tambajotra sosialy dia lasa “tany fiadiana ho an'ny ady faran'izay tsy misy indrafo” eo amin'ny governemanta sy ireo mpanakiana azy. Mpanao gazety iray avy ao amin'ny BBC, Khayrullo Fayz, no manamafy fa ny fitomboan'ny fahafahana miditra aterineto sy ny fitomboan'ireo adihevitra ara-politika tanaty tambajotra sosialy “no nanova ny rivotry ny fifidianana ” tao Tadjikistan.

Maro amin'ireo mpisera anaty aterneto no miombon-kevitra amin'izany.  Manoratra [ru] tao amin'ny  Blogiston.tj  i Temur Mengliev hoe :

Знаете, чем мне запомнились эти выборы? Тем, как активно они обсуждались в социальных сетях. И в “Одноклассниках”, и в “Фейсбуке”, и в “ВКонтакте” о выборах говорили намного больше, чем по телевидению и на собраниях “экспертов”.

Я уже писал о том, какую свободу и возможность быть услышанным дают социальные сети и блоги. На этих выборах интернет дал нам возможность обсуждать, критиковать, высмеивать, предлагать и выявлять нарушения в ходе выборов. А ведь только семь лет назад, на выборах в 2006 году, всего этого не было. Если сравнить эти два избирательных периода, то становится ясно, как много дал нашему обществу доступ к интернету.

Fantatrareo ve izay hotsarovako amin'iny fifidianana iny ? Noho ilay firesahana azy matetika tao amin'ireny tambajotra sosialy ireny. Tao amin'ny Odnokassniki , Facebook ary VKontakte , tao ny fifidianana no nampiady hevitra indrindra noho ny tany amin'ny fahitalavitra na tany amin'ny fivorian'ireo “manam-pahaizana manokana”.

Efa nanoratra lahatsoratra aho mikasika ny haben'ny fahalalahana sy ny fahafahana ho heno omen'ny tambajotra sosialy sy ny bilaogy antsika. Nandritra ity fifidianana ity, ny aterineto no nanome fahafahana ho antsika hanao adihevitra, hanakiana , hihomehy,  hanome soso-kevitra, ary koa hamoaka am-pahibemaso ny fandikan-dalàna tamin'ireo fifidianana. Raha toa ka fito taona lasa izay, tamin'ilay fitsapankevitra [ fifidianana filoham-pirenena ] ny taona 2006, dia mbola tsy nahita zavatra toy izao mihitsy isika. Fampitahana tokana an'ireo fifidianana roa ireo dia efa afaka mampahazava ny tombotsoa azon'ny fiarahamonintsika amin'ny fidirana amin'ny aterineto.

Mino [ru] ilay bilaogera fa ny firoboroboan'ny fidirana aterineto eo amin'ny fiarahamonina Tadjikistan dia nampisy fiovàna goavana :

Сейчас все больше и больше наш народ начинает пользоваться возможностями интернета. Количество блогов и учетных записей пользователей в различных социальных сетях растет. Люди заходят в интернет уже не только для того, чтобы проверить почту и скачать музыку. Они читают, думают, и самое главное выражают свою точку зрения.Под любой статьей уже через несколько часов появляются десятки коментариев.

К чему это я? Да к тому, что интернет дает нам возможность пусте медленно, но менять нашу жизнь к лучшему. Наша политическая система обязательно изменится в недалеком будущем, и я уверен, что огромную роль в этих переменах сыграют молодые люди, вооруженные интернетом.

Tsy mitsaha-mitombo mampiasa ireo tolotra omen'ny aterneto hatrany hatrany ny mponina.  Mitombo be ihany koa ny isan'ireo blaogy sy tambajotra sosialy [tadjik ]. Tsy mijanona fotsiny ho fijerena mailaka sy fangalàna hira intsony no ampiasàn'ny olona ny aterineto. Mamaky, mandinika, ary indrindra indrindra maneho ny heviny ihany koa izy ireo. Saika ahitàna fanehoan-kevitra am-polony avokoa ny lahatsoratra rehetra mivoakaaaorian'ny ora maromaro nivoahany.

Ahoana izany? Inoako fa manome vahana antsika hampivoatra hatrany ny fiainantsika ny aterineto, eny na dia mandeha miadana aza. Hinoana fa tsy maintsy hisy fiovàna ny rafitra ara-politikantsika atsy ho atsy, ary tena resy lahatra aho fa hanana anjara andraikitra lehibe amin'io fiovàna io ireo tanora manana fahafahana mampiasa aterneto.

Maro tamin'ireo mpamaky no niombon-kevitra tamin'ilay blaogera. Hoy i Rustam Gulov naneho ny heviny [ru] :

Круто! Полностью поддерживаю Вашу точку зрения. Это действительно очень важно осознавать насколько Интернет имеет большой потенциал в решении вопросов общественно-политического значения…

Tena marina ! miombon-kevitra tanteraka amin'ny fomba fijerinao aho. Zava-dehibe tokoa ny fanekena ny tanjaka goavan'ny aterineto amin'ny fitadiavana vahaolana amin'ny olana sosialy sy politika…

Digital Tajikistan dia nizara rohy avy amin'ilay bloagy nankany amin'ny Twitter , nilaza [ru] fa ny fomba namalian'ny governemanta ireny kiana anaty aterineto ireny dia nampiseho fa manan-daja ny tambajotra sosialy :

Ny fanapahan'ny manampahefana ny fidiràna anaty vohikala maro sy tambajota sosialy maro ihany koa dia maneho fa matahotra ny aterineto izy ireo.

“Tabataba fotsiny ihany”

Kanefa, misy ireo sasany mpisera anaty aterneto no mihevitra fa tsy dia nisy fiantraikany firy ilay adihevitra tanaty aterineto, satria tsy nipaka tany amin'ny valim-pifidianana akory. 

Tamin'ny fanehoan-keviny tao amin'ilay blaogin'ny Mengliev, Izbiratel’ [mpifidy] no nanoratra fa [ru] :

В интернете было такое ощущение, что реальные выборы, реальная борьба. А в жизни все осталось так же, как и было.

Tao amin'ny aterineto, toy ny hoe tena nisy fifidianana mihitsy, tena ady. Kanefa tamin'ny fiainana [ tena izy ] kosa, nijanona toy ny teo aloha ihany ny zavatra rehetra.

Iray hafa mpampiasa aterineto , Alexey Somin, no nanisy sira toy izao [ru] :

Не нужно преувеличивать. Ну да, пошумели в интернете, погудели. Но шум он и есть шум. На выборы это разве повлияло?

Aza dia mampitombo resaka. Eny e, marina fa nisy adihevitra kely sy resabe tanaty aterineto. kanefa ilay tabataba dia nijanona ho tabataba fotsiny ihany. Moa ve nisy fiantraikany tamin'ny fifidianana izy iny ?

Kanefa ny bilaogy Avestiyca dia manoso-kevitra [ru] fa na dia tsy nisy fiantraikany lehibe tamin'ny valim-pifidianana aza ireny adihevitra navitrika tanaty aterneto ireny, ny fisian'iny adihevitra ihany dia efa tokony hahafaly/hotehafana :

Признаюсь, мне впервые было интересно наблюдать за шумихой, творящейся в интернете. И именно что в интернете, ибо в жизни было тихо и спокойно, сколько общался с друзьями, все говорили: “Не поверишь – зайду в соцсеть и как будто не в Таджикистане, а где-нибудь во Франции! Страсти прям такие, ток вот в реале тишина”…

Но если взглянуть с другой стороны, то становится радостно от того, что люди поднимают головы и пытаются выразить свое мнение. Неуклюже, весьма бестолково, местами даже отвратительно, но пытаются. И это большой плюс, знак того, что людям уже остопиздела ситуация, когда тебя не ставят ни во грош, когда ты вдруг оглядываешься и понимаешь – имя твое никто и звать тебя никак.

Te-hiaiky aho fa izay sambany izao no nahatsapako azy ity ho nahaliana, ny fandinihana/fanarahana ny tabataba tety tanaty aterneto. Tao amin'ny aterineto ihany [ io no nitranga ], raha toa ka amin'ny fiainana [tena izy], nilamina sy nizotra tsara avokoa ny zava-drehetra. Isaky ny miresaka amin'ny namako aho, toy izao avokoa ny valin-tenin'izy ireo “tsy hino an'ity hianareo : fa isaky ny miditra anaty tambajotra sosialy aho dia mahatsapa ny tenako ho toy ny any Frantsa izany fa tsy eto Tadjikistan. Misy adihevitra tena mamaivay mihitsy, kanefa milamina ihany ny zavatra rehetra aty amin'ny fiainana tena izy”…

Amin'ny lafiny iray, mahafaly ahy ihany ny mahita fa mitraka ny olona ary miezaka milaza ny heviny. [ Amin'ny fomba ] mikaviavia, adaladala, indraindray amin'ny fomba mahatsiravina, kanefa efa manandrana izy ireo.  Izay ihany dia efa zava-dehibe. Famantarana [ izany ] fa efa marary sy reraka noho ny teo-draharaha ijerena an-dry zareo ho toy ny tsy misy dikany izy ireo, toy ny hoe mijery ny manodidina ianao ary tonga saina fa tsinontsinona ny anaranao ary tsy olombelona ianao.

Noresahin'ireo mpisera anaty aterineto ho toy ny  “Hala-tahàka” amin'ny fifidianana” ilay fifidianana natao ny 06 Novambra . Ny kandidà hany tena avy amin'ny mpanohitra izay noheverina fa afaka ny hisolo toerana ny Filoha Emomali Rahmon dia noesorina tsy ho kandidà raha taorian'ny tsy nahafenoany ny isan'ny sonia notakiana taminy. Taorian'izay dia efa nazava fa kandidà dimy hafa tsy fantatra no hifanandrina amin'ilay tompon-daka raha araky ny fitsapankevitra natao, dia nanararaotra nihomehy ilay Filoha sy ireo “mpifaninana” aminy ny mpampiasa tambajotra sosialy. Ny sasany  tamin'ireo mpisera anaty aterineto no nisaintsaina fanaovana ankivy ilay fifidianana,  na dia tsy dia nalaza firy aza ilay hevitra. Tao anatin'izany, nisy ireo mponina tao Tadjikistan no nampiasa ny tambajotra sosialy  hanehoany ny fanohanany ilay mpifaninana tsy fantatra (indraindray naka tàhaka ny lahatenin'i Poutine ary nampitandrina ny mety hisian'ny endri-javatra manakaiky ny apokaliptika  raha toa ka resy min'ny fifidianana i Rahmon). Nanome salan'isa 84 % an'i Rahmon ny valim-pifidianana ofisialy, manitatra ny efa nijanonany teo amin'ny fitondrana ny firenena mandritry ny roampolo taona lavabe hiampy fito taona hafa indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.