Espaina : Nampihovitrovitra Ny Sisintany Espaniola Ilay Tetikasa Castor

View of the Castor platform from the Vinaroz coast (Castellón province). Image from lanoticia.cat, used under the CC 3.0 license

Ny fahitana ilay toerana misy ny Castor avy eny ami'ny moron-dranomasin'i Vinaroz  (Faritanin'i Castellón). Sary avy amin'ny lanoticia.cat, Ampiasàna ny lisansa CC 3.0  

Firenena tsy dia misy horohorontany henjana loatra  i Espaina. Ankoatra ireo tranga vitsivitsy toy ny horohorontany tany Lorca tamin'ny 2011, malefaka ny fihetsehan'ny tany ao amin'ilay firenena ary tsy dia manimba zavatra ny fihovitroviny. 

Noho izany antony izany, raha toa herinandro vitsy lasa izay ka nisy horohorontany nitranga matetika – fihovitrovitra maherin'ny 350 tamin'ny iray volana lasa- tany amin'ny helodrano lehiben'i Valence mifanatrika amin'ny moron-dranomasin'ny faritanin'i Castellón, dia naneno ny anjomara fanairana, indrindra tamin'ny vao maraim-ben'ny 1 Oktobra, rehefa nisy  horohorontany nahatratra 4.2 tamin'ny maridrefy Richter.

Angamba io horohorontany io mety ho vokatr'ilay fampidirana entona voa-janahary tao anatin'ny faritra manodidina ilay lavaka nisy tahirin-tsolika fahiny ary efa foana ankehitriny, izay any amin'ny 1750 metatra ny halaliny ary 22 kilaometatra avy any amin'ny faritr'i Vinaroz misy ilay tetikasa Castor, izay antenaina fa havadika ho fitobianà entona ny velarany :

de acuerdo a la regulación europea, los comercializadores (…) tienen la obligación de mantener unas reservas equivalentes a 20 días de ventas en firme del ejercicio anterior.

Araka ny fepetra Eoropeana, dia tsy maintsy manana fiandry mitovy amin'ny habetsahan'ny zavatra namidy 20 andro tamin'ny taon-dasa ny mpamatsy (…) .

Na dia efa misy karazan-javatra tahaka izany aza any Espaina dia tsy mbola mametraka olana izany hatramin'izao, any amin'ny faritra tsy marin-toerana loatra no misy ny tetikasa Castor. Mety ho vokatry ny fampidirana ilay antsoina hoe “entona lafika” ilay fihovitrivitry ny tany araka ny fanazavan'ny bilaogin'ny Hairaha, Fampitàm-baovao ary ny Hamehana  [es], : 

600 millones de m3 [de gas] (…) cuyas funciones básicas son rellenar espacios “muertos” de difícil drenaje del yacimiento, servir como aislamiento entre el Gas de Trabajo y el acuífero subyacente (para evitar la posible producción de agua libre) y, en menor medida, contribuir al mantenimiento de la presión del yacimiento.

[entona ] eninjato tapitrisa m3(…) izay ny asa fototra tena ilàna azy dia hamenoana ireo faritra “maty” sarotra itsofohana, sy natao ho fanelanelanana ny entona trabajo sy ny rano ambanin'ny tany ao ambany ao (mba hialàna amin'ny fisian'ny rano mikoriana malalaka) ary farafaharatsiny hanampy amin'ny fitazonana ny tsindrin'ilay toby.

Structure of the Castor project of gas storage. Image from meteoweb.eu

Ny firafitry ny tetikasa Castor, fanatobiana entona. Sary avy amin'ny  meteoweb.eu

Ankoatra izay, eo ambonin'ny vato mitriatr'i Amposta izay mitandavana 51 km manamorona ny sisin-dranomasina atsinanana ary mandrafitra ny sisin'ilay toby no misy ilay tetikasa Castor. Nazavain'i José Luis Simón, mpampianatra Jeolojia ao amin'ny Oniversiten'i Zaragoza (Saragosse) sady manam-pahaizana momba ny fandinihina ny fihetsehan'ny fanambanin'ny tany ao amin'ilay faritra tao amin'ny gazety mpiseho isan'andro  Levante fa :

se inyecta gas a una presión bastante alta en un subsuelo submarino del que se conocen pocas cosas, pero una de las que se conocen es que justamente bajo el emplazamiento del pozo pasa una falla que se considera activa. (…) Las tensiones hubieran tardado cientos o miles de años [en producir un terremoto], pero al inyectar gas hacemos que se produzca ahora.

Ampidirana entona amin'ny tsindry ambony be ao ambanin'ny tany ao ambany ranomasina ao, izay zara raha misy fantatra ny aminy, fa ny tena azo antoka dia misy fivakisana mandalo ao ambanin'ilay toby ary heverina fa mbola mety hihetsika.(…) Mila an-jato na an'arivo taona [ vao afaka miteraka horohorontany] ny tsindry, saingy amin'ny fampidirana ny entona dia isika no manao izay mety hisian'ny horohorontany iray hitranga amin'izao fotoana izao.

Nanome baiko hanajanonana ny asa  [es] teo amin'ilay toerana ny minisitry ny asa vaventy ny 26 Septambra lasa teo ary nihevitra ny hanajanonana tanteraka ilay tetikasa ireo manam-pahaizana avy ao amin'ny ministera raha toa ka misy fifandraisana ny tetikasa sy ny horohorontany. Novelomin'ny governemanta mizaka tenan'i Katalaonia sy Valence ny drafitra momba ny fisianà horohorontany.

Hita ao amin'ny tambajotra sosialy izay ampiasaina ihany koa ny hanentanana ny  fanoheran'ireo tanàna iharan'izany no nilazan'ny mponina ny ahiahiny. Tsara ho marihana ihany koa fa any amin'ny 100 km manodidina ny Castor no faritra natao ho an'ny mpizaha tany, toa an'i Salou sy ireo tranobe manan-tantara toa ny Peniscola ary sisan'i Tarraco, nefa misy ihany koa ny fanorenana ny orinasa fitrandrahana sy fanodinana Solika Tarragona sy ny vondrom-pihary herinaratra nokleary Ascó I sy II ary Vandellós[es].

Eo amin'ny lafiny ara-toekarena, nihoatra ny tetibolany ilay tetikasa- izay tsy hitan'ny maro izay ilàna azy. Tamin'ny faran'ny taona 2011 dia 1195,5 lavitrisa euros no efa nampiasaina, 89,54% ambonin'izay efa novinavinaina. Araka ny Confidencial,  ilay tetibola nolazaina teo aloha ankehitriny dia

se ha disparado hasta los 1.700 millones. Todo un ejemplo emblemático de los modificados que han hecho de oro a las constructoras al calor de las vacas gordas.

(…) Un dinero que será sufragado por los usuarios del gas a través de la tarifa. (…) [Castor recibirá] En total, 250 millones de euros por ejercicio. Unos fondos que, como costes del sistema, se incluyen en el recibo [al consumidor].

[Solo podría] evitarse el impacto de esa instalación en los recibos del gas si puede demostrarse que ha existido una negligencia grave en el proceso de puesta en marcha.

tafakatra hatramin'ny 1.700 tapitrisa. Ohatra iray marika hamantarana ny fanovàna izay ahitan'ireo orinasa mpanorina ny tombontsoany. 

(…) Vola izay averin'ireo mpanjifa ilay entona arakaraky ny vidiny. (…) [ Hahazo amin'izany ny Castor] Raha atambatra dia 250 tapitrisa euros isan-taona. Vola , izay amin'ny maha-tombam-bidy azy dia efa ao anaty faktiora [ an'ny mpanjifa].

Ny hany fomba azo ialàna amin'ny [voka-dratsin’] io asa io dia amin'ny alàlan'ny faktioran'ny entona raha toa ka voaporofo ny nanaovana tsinontsinona ny lalàna tamin'ny nanombohana azy.

Be mpandalina be io resaka io ao amin'ny Twitter. I Andrea Lahoz, mponina ao Tarragona dia maneho ny ahiahiny momba ny fiantraikan'ny horohorontany eo amin'ny faritra iainany : 

Monina ao amin'ny tanàna voahodidina ozinina sy orinasa mpitrandraka sy mpanodina solika aho. Ary ankehitriny noho ny fisian'ny #castor dia mandry tsy lavo loha aho miandry ny horohorontany manaraka…

Location of the Castor project and the Vandellós nuclear centers and Ascó I and II. Image from Google Maps.

Ny toerana misy ilay tetikasa Castor sy ny foibe nokleary  Vandellós sy Ascó I sy II. Sary avy amin'ny Google Maps.

Vatsian'ny ACS  vola ny asa fanorenana ny Castor, izay i Florentino Pérez no filohany, sady filohan'ny ekipan'i Real Madrid F.C [es]. Asongadin'i Trapichaire[es] ireo fiangàrana ataon'i Pérez mba hanaporofony ireo fandaniana ataony :

#sismicat Castor (Florentino Pérez) tsy nianatra momba ny horohorontany mba hitehirizam-bola fa nividy  Bale x 100 kilazos. #terremoto #RealMadrid

Notsorin'i Blanca Civit ny kabarin'ny ben'ny tanànan'i Madrid  nanoloana ny COI mba hiarovana ny firotsahan-ko fidian'ny tanàna handray ny lalao Olaimpika, izay nahatonga ny fivatravatran'ireo tsikera miaro hatsikana   tao amin'ny aterineto : 

Tsy misy ohatra ny  fialana sasatra  #terremoto ao amin'ny helodrano lehiben'i  Valencia . #castor Tsy kilalao  ny #castor. #terremoto #terratremol

— Blanca Civit (@blancacivit) 3 Oktobra 2013

Tsy noraisin'i El buen progre ho tena izy ilay sangisangy :

Aza matohotra ny amin'izay hitranga any castellón. Rehefa fenoina entona ny tany dia mamoaka rivotra izy. #Castor

Araka ny tatitra tao amin'ny El Periódico[es], ” Nanaiky hanao ny fanadihadiana momba ilay heloka bevava ny Mpitsara ao amin'ny faritanin'i Castellón ” mba nanazavana ny fototr'ilay horohorontany. Tamin'ny Zoma 4 Oktobra,

Sobre las dos de la tarde, miembros del servicio aéreo de la Guardia Civil, junto a varios agentes del cuerpo en Castellón, llegaron a la planta, situada a unos 23 kilómetros de la costa de Vinaròs. Según las fuentes, los agentes se trasladaron para “comprobar cómo se encuentra la plataforma y su funcionamiento”.

Tamin'ny 2 ora tolak'andro, tonga tao amin'ny ozinina, izay 23 km avy ao amin'ny sisin-dranomasin'i Vinaròs ireo mpikambana ao amin'ny sampan-draharahan'ny Fiarovana ny Olona, niaraka tamin'ireo mpiasa avy amin'ny vondrona any Castellón. Araka ireo loharanom-baovao dia nentina mba ” hanamarina ilay toerana sy ny fomba fiasany” ireo mpiasa.”

Voamarin'ireo mpiasa fa nijanona ilay ozinina. Ny tatitra avy amin'ireo manam-pahaizana mba hahalalàna ny  fiafaran'ilay tetikasa Castor sisa andrasana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.