Mitady Hetsika Arahan'Asa Ny Yemenita: TEDxSanaa 2013

Toa ny TedxSanaa no hetsika tokana mivaingana niseho farany tao Yémen. Tsy mahagaga raha maro ireo Yemenita no miandry fatratra hanatrika ny fiandohan'ity andianà resadresaka vaovao amin'ny TedxSanaa 2013 mahataona ity  ho fanombohana, mba hanintonana ny sain'izy ireo ho lavitry ny politika sy ny korontana mampihitsoka an'i Yémen. Raha “Inspiring Hope (Fanantenana manainga fanahy)” ny lohahevitra tamin'ny volana Janoary, “Actions Matter” (Ilaina Ny Mihetsika) kosa ny lohahevitra vaovao amin'ity manaraka ity.

Nisy ny lahatsary fampiroboroboana nalefa tao amin'ny fantsona YouTube an'ny TEDxSanaa roa volana lasa izay mba hanasana ireo olona handray anjara sy hanatevin-daharana ny fikambanana TEDxSanaa: 

Manomboka androany 13 Novambra ny hetsika, ary tanora Yemenita roa marani-tsaina no hanentana amin'izany -Sarah Al Zawraqi sy Osamah Abdullah. Somary nitombo kely ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy tamin'ity hetsika volana Novambra ity. Amin'ireo mpandray fitenenana 17, enina no vehivavy, mifanohitra tamin'ny volana Janoary izay efatra fotsiny ireo vehivavy tamin'ireo mpandray anjara 19. Ankoatra ny lehilahy mpanao afera sy mpandraharaha, ahitana mpampianatra anglisy sy mpampiofana, mpamorona fandaharana amin'ny media, mpanentana fandaharana, mpanatontosa horonantsarimihetsika, mpaka sary eny an-dalambe, mpanolo-kevitra ara-politikam-bahoaka, mpanao nify, mpanao gazety/ bilaogera ary mpanao sary mofomamy ireo mpandray fitenenana isan-karazany nofantenana. Nalefa ao amin'ny Twitter ny anarana sy ny sarin'ireo mpandray fitenena, miaraka amin'ny tantara fohy mombamomba azy ireo tsirairay avy ao amin'ny Facebook .

 

 Sara Al-Zawqari and Osama Abdullah are the hosts of TEDxSanaa 2013: Action

Sara Al-Zawqari sy Osama Abdullah no vahiny tamin'ny TEDxSanaa 2013: Tonga dia asa

Ho alefa mivantana ao amin'ity rohy ity ny hetsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.