Mpisera Twitter Boliviana Nosamborina Satria Naka Sary Tranobe Manan-tantara

[Mankany amin'ny pejy miteny Espaniola avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy ny fanamarihana hafa]

Nandeha naka sary teny amin'ny araben'ny tanàna nahaterahany ao Cochabamba niaraka tamin'ilay mpaka sary sy mpamorona horonantsarimihetsika Roberto Lanza (@lobobs) ilay mpisera Twitter mavitrika sy malaza Patricia Vargas (@arquitecta) tamin'ny Alahady 3 Novambra, saingy azon-tsampona ny dian'izy ireo raha nosamborin'ny polisy izy ireo. 

Vargas nanambara avy hatrany ny zava-nitranga tao amin'ny Twitter:

#Maika nosamborin'izy ireo izaho sy Roberto lanza satria naka sary tao antanàndehibe, mitady vonjy amin'ny media, hoentin'izy ireo any amin'ny FELCN  (Hery Manokana Misahana Ny ady amin'ny trafikan-drongony)) izahay. 

Niparitaka manerana ny Twitter Boliviana ny hafatra nalefany ka namaly ireo media isan-karazana sy olo-malaza.

Niseho ny fisamborana rehefa avy naka sary ny endrika ivelany ny Banco Mercantil Santa Cruz, tranobe manan-tantara ao Cochabamba, izay fananan'ilay milionera mpanao fitrandrahana Simón I. Patiño [en] teo aloha izy ireo.

Banco Mercantil Santa Cruz. Foto por @arquitecta compartida en Twitter.

Banco Mercantil Santa Cruz. Sary avy amin'i @arquitecta tao amin'ny Twitter.

Na dia navotsotry ny Hery Manokana miady amin'ny Trafikan-drongony (FELCC) tsy nisy fiampangana aza izy ireo taorian'ny ora dimy, dia nisy ireo nilaza fa tsy mahazo maka sary ny tranoben'ny banky izy ireo noho ny antony ara-piarovana.

Na dia izany aza, misy ny lalàna iraisam-pirenena izay milaza mazava ny tsy maha ara-dalàna ny zava-niseho. Namoaka  fitsipika manohana ny sary ankalamanjana tao amin'ny bilaoginy ilay bilaogera sy mpikatroka manana kolontsaina malalaka Justin Duranboger : 

La Decisión 351 Régimen Común sobre Derecho de Autor y Derechos Conexos (17 de diciembre de 1993) de la Comunidad Andina de Naciones de la cual Bolivia es miembro junto a Colombia, Ecuador y Perú, en su artículo 22, inciso h) reconoce la libertad de panorama:

Artículo 22.- Sin perjuicio de lo dispuesto en el Capítulo V y en el artículo anterior, será lícito realizar, sin la autorización del autor y sin el pago de remuneración alguna, los siguientes actos:
(…)
h) Realizar la reproducción, emisión por radiodifusión o transmisión pública por cable, de la imagen de una obra arquitectónica, de una obra de las bellas artes, de una obra fotográfica o de una obra de artes aplicadas, que se encuentre situada en forma permanente en un lugar abierto al público;

Lalàna 351:  ny fitsipika iombonana momba ny zon'ny mpamorona sy ny zo mifandraika amin'izany (17 Desambra 1993) ny ao amin'ny Fikambanan'ny Firenena Andeana ka anisan'ny mpikambana amin'izany i Bolivia, miaraka amin'ny Kolombia, Ekoatera ary Però, andininy faha-22, tapany h):Mankatò ny fahafahana maka sary talaky maso (panorama)

Andininy faha-22: Raha tsy manohintohina ny fepetran'ny toko faha-V sy ny andininy teo aloha, mihatra ireto fitsipika  ireto, tsy mila fanekena avy amin'ny mpanakanto ary tsy misy fandòavana karama na tambiny:


 h) ny maka tahaka, manely na mandefa amin'ny alalan'ny telegrama mivantana, ny sarin'ny asa momba ny maritrano, sanganasa, sary na sanganasa noforonina, ny sary na ny asan-javakanto norantovina izay miorina maharitra eny an-dalambe sy ny sehatra misokatra ho an'ny daholobe;

Nanazava momba ity fisamborana tsy amin'ny antony ity tao amin'ny Twitter ihany koa i Alfonso Gumucio, mpanao gazety, mpanoratra sy mpamorona horonantsarimihetsika:

@pvargasj @payorivero @arquitecta Tsy marina izany ry Paul. Ny fakàna sary ao anatiny no voaràra fa tsy ny ao ivelany.

Niseho tamin'ny fomba lazain'izy roa sy tsikerainy ho tsy ara-dalàna sy manitsakitaka ny zo sivily ihany koa ny fisamborana.

Roberto Lanza nanazava tao amin'ny Twitter mikasika izay zava-nitranga:

Nanatona anay ireo polisy roa manao fanamiana sivily ary nilaza fa tsy mahazo maka sary eo izahay . Nangatahanay ny karatr'izy ireo ka ny basiny indray no navoakan'izy ireo.

Ho anay, tamin'io fotoana io, dia notafihana izahay, nangataka izy ireo ny hitsofohanay ao anatin'ilay fiara tsy misy marika.

Tsy nety niditra tao anatin'ilay fiara izahay ary nitady ny hidiran'ny polisy an-tsehatra, izany no natao raha nanomboka ny fikasiha-tanàna avy amin'ireo polisy manampahefana roa ireo

Niantso vonjeo izahay saingy tsy nisy olona nihetsika mihitsy. Niezaka nanalava ny fifamaliana izahay mandra-pahatongan'ireo polisy manao ny fanamiany. Nifampitolona tamin'i @arquitecta ny polisy

Mikasika ny herisetra tafahoatra sy hetsika mampiahiahy nataon'ny polisy, hoy ny fehintenin'i Patricia:

@locacomotumadre ahoana no ahafahan'ireo olona roa tsy manao fanamiana miaramila mamoaka basy raha mitaky karatra hamantarana azy ireo ianao. Ahoana ny hevitrao?

Nahazo fanohanana avy amin'ny fiaraha-monin'ny haikanto sy kolontsaina i Patricia sy Robert. Boliviana Mpamorona horonan-tsarimihetsika malaza Marcos Loayza (@ marcosloayza) nilaza hoe:

@LaMalaPalabra @Arquitecta Tsy misy olona azo samborina raha maka sary na aiza na aiza eto amin'ny firenena

Taorian'ny zava-nitranga, nisaotra izay rehetra nanohana azy ireo tao amin'ny habaka sy tao amin'ny tobin'ny polisy i Patricia. Nanipika ny fiantraikan'ny fitadiavam-bonjy amin'ny tambajotra sosialy ihany koa izy:

Aza misalasala mangatam-bonjy ao amin'ity fitaovana ity, na fitaovana antserasera hafa, fa misy olona hamaky sy hanaparitaka ny hafatra alefanao foana amin'ny alalan'ny RT.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.