SARIPIKA: Nandrava Ny Afovoan-tanànan'i Filipina Ny Rivo-doza Mahery Vaika Haiyan

Typhoon survivors in Ormoc, Leyte paint the street with a HELP sign. Photo from Facebook of Katreena Bisnar

Ireo hany velona tamin'ny rivo-doza tao Ormoc, ao Leyte, nandoko ny arabe amin'ny marika hoe “VONJEO”. Sary tao amin'ny Facebookn'i Katreena Bisnar

Namely ny vondro-nosy Visayas ao Filipina ny “rivo-doza mahery vaika”  Yolanda (na Haiyan) ka an'arivony ireo namoy ny ainy sy tsy manan-kialofana. Mety ho tafakatra hatramin'ny 10 000 mahery ireo niharan-doza satria mbola tsy fantatra hatramin'izao fotoana izao ny voka-dratsy ny loza tao amin'ireo tanàn-dehibe maromaro.

Nandravarava ny faritra tao Samar sy Leyte, tanànan'i Tacloban i Haiyan-Yolanda, izay nandalovan'ny foibeny ka namoizana ain'olona marobe. Tapaka avokoa ny herinaratra sy ny fifandraisana tao amin'ny faritra. Namely ny faritra Cebu, Panay, Negros, sy Palawan ihany koa i Yolanda, rivo-doza mahery vaika indrindra manerantany tamin'ity taona ity.

Nampiasaina ny teny ifankafantarana #yolandaph mba hanarahana izay zava-nitranga tao amin'ireo faritra rava tao amin'ny firenena. Ireto ambany ireto, sary sasany mampiseho ireo fahasimbana goavana naterak'i Haiyan-Yolanda:

SARY avy amin'i Ryan Lim/Lapa: faharavàna ao Leyte tazanina avy eny an-habakabaka

Nisidina tao Guiuan, atsinanan'i Samar androany maraina ny voromby Nomad an'ny tafika an'habakabaka Filipina  hanombana ireo voka-dratsy nateraky ny rivo-doza Yolanda. An-dalana ny fanampiana.

SARY: Taorian'ny fandalovan'ny #YolandaPH tao amin'ny seranam-piaramanidina Tacloban; milahatra ny olona maka fanampiana ilaina amin'ny fiainana andavanandro (PPN)

Tsy voakitika ny lalam-piaramanidina ao amin'ny Seranana Tacloban, saingy nahitam-pahasimbana goavana kosa ny fotodrafitrasa.

Ny fanomezana fanampiana ilaina amin'ny andavanandro no laharam-pahamehana amin'izao fotoana izao. Rava tanteraka i Tacloban. ANDEHA ISIKA HANAMPY!.

Mivavaka ho an'ny rehetra ao antanànan'i Tacloban. 🙁 Aza very fanantenana. Miaraka amintsika ANDRIAMANITRA 🙂

Fiangonana 30 km miala ao Tacloban, ao Tanauan, nampiasaina ho tobim-pialofana,  0.14 maily miala ny ranomasimbe

[SARY] Lehilahy iray maka aina ao anaty trano rava, akaikin'ny sambo nasidin'ny #YolandaPH tao an-tanety tao Tacloban, Leyte. EPA.

Sarin'ny arabenay aty Dulag, Leyte. Ery ankavanana indrindra ny tranonay. Tsy dia hita.

Typhoon survivors walk the streets of Ormoc, Leyte. Notice the fallen electric posts and trees. Photo from Facebook of Katreena Bisnar

Ireo avotra tamin'ny tafio-drivotra mandeha eny amin'ny araben'i Ormoc, Leyte. Jereo ireo hazo sy andrin-jiro mianjera. Sary avy amin'i Katreena Bisnar tao amin'ny Facebook

Tsy misy vonjy, tsy misy fampahalalam-baovao, tsy misy fifandraisana an-tariby, tsy misy fanampiana. Saiky ny 95% tao Capiz dia rava avokoa 

Mba hampilazàna ireo namana sy havana mikasika ny zava-manjò, nandefa filazana an-tsoratra miaraka amin'ny sary ho an'ireo mpanao gazety amin'ny fahitalavitra ireo hany velona ary narakitr'ireto mpanao gazety ireto tao amin'ny aterineto avy hatrany ny hafatra. Fanampin'izany, biraon'ny depiote iray ao Leyte nanangona ny lisitr'ireo olona hany velona ihany koa.

The note reads: Brother, mommy and daddy are dead. Please inform everyone. No signal here and electricity. Aaron Almadro. Image from GMA News

Hoy ny fivakin'ny filazana: Namoy ny ainy ny rahalahy, reny sy ray. Azafady ilazao ny tsirairay. Tsy misy fifandraisana sy herinaratra eto. Aaron Almadro. Sary tao amin'ny Sampam-pahalalambavaovao GMA.

Ireto ambany ireto ny fihetseham-po hafa tao amin'ny Twitter:

Miha-mitombo hatrany ny isan'ireo namoy ny ainy ary mandratra ny fo ny mijery ireo sary misy ny voka-dratsin'i #YolandaPH. Mampalahelo fa tsy mba afaka nosorohana izao.

Mila mitaky ny mangarahara ihany koa izahay mba ahafantarana fa tonga soa aman-tsara any amin'ny andefasana azy ireo vola fanomezana sy fanampiana.

Nokorontaniko ny lalimoarako mba hangalako ankanjo ho an'ireo lasibatry ny rivo-doza.

Manantena aho fa ho fantatry ny vahoakan'i Tacloban fa tsy manampy ny tenany izy ireo raha manohy mandroba.

Milaza momba ny fandrobàna tao amin'ny toera-pivarotana iray tao Tacloban ity sioka farany ity, izay nitadiavan'ireo  hany velona feno hakiviana rano sy sakafo. Nitsikera izany fihetsika izany ihany koa i Pinoy Bro :

…not acceptable and it dismayed me so much that I haven't heard or read in the news a single critic or news personality criticizing that incident, at least for now. Forgive me because maybe I am not pitiful or considerate about the situation or emotion of the looters who are of course victims of the typhoon but I just have this feeling that something here is not right.

What if you owned a mini grocery or even a sari-sari store and the next time you'll know is that people break in and loot everything? Come on Filipino people, this is not us.

tsy azo ekena, ary manorisory ahy tanteraka ny tsy nahitako sy tsy nandrenesako na dia tsikera tokana aza avy amin'ny fampahalalam-baovao mikasika ity tranga fandrobàna ity, hatramin'izao aloha. Miala tsiny satria mety hihevitra ianareo fa tsy manana fangorahana na fitiavana aho manoloana ny zava-misy, na koa fiantrana ho an'ireo mpandroba izay lasibatry ny rivo-doza, saingy mahatsapa fotsiny aho fa misy zavatra tsy mety ao.

Ary raha ianao ohatra no manana fivarotana kely, na koa magazay madinika mivarotra sari-sari (akanjo karana), ary avy eo fantatrao fa nidiran'olona sy norobainy ny entanao. Azafady ry vahoaka Filipina, tsy mampitovy antsika izany.

Saingy niantso ho amin'ny fahazoana i Arnold Alamon:

There's a momentary breakdown of the social fabric in Tacloban right now. We should all be kinder in our assessment of our brethren who have just been through the most terrible of experiences. As things stands right now, it is probably the case that every resident of that devastated city has lost a family member or two and are now in survival mode for themselves who are left behind. The so-called looting is more a reflection of how little trust people have of official power responding to their immediate needs and less about the mettle of the people of Tacloban.

Misy fivakisana ara-tsosialy miserana ankehitriny ao Tacloban . Tokony miombona alahelo isika amin'ny fijerentsika ireo rahalahintsika izay vao avy niaina zava-doza mafy indrindra. Araka ny fandehan-javatra hitantsika, mety namoy havana iray na roa ny mponina tsirairay avy ao amin'ity tanàna ravan'ny rivo-doza ity, ka lasa mitrongy vao homana ankehitriny ary tsy norarahiana. Taratry ny tsy fahatokisan'ny mponina ny fanjakana hamaly ny filàn'izy ireo avy hatrany ity lazaina fa fandrobàna ity fa tsy dia hoe sitrapon'ny vahoakan'i Tacloban loatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.