Ejipta: Nalaza Haingana Ny “Propagandin'i ” Sami Anan

Nalaza tao amin'ny aterineto ny afisy mampiseho ny sarin'i Sami Anan, chief of staff-n'ny Tafika Ejypsiana teo aloha, izay manao fitafy sivily tahaka ny amin'ny afisy propagandy. Mpisava lalana mialoha ny tena raharaha ve izany, sa tsaho, sa fomba hitsapana ny halalin'ny rano sy hitsapana ny hevitr'ireo Ejypsiana eny amin'ny arabe?

Mpikambana ambony tao amin'ny Filan-kevitra ambonin'ny Tafika (CSFA ) i Anan, izay nitantana an'i Ejypta nandritra ny fotoan'ny tetezamita teo anelanelan'ny fihonganan'ny filoha teo aloha Hosni Moubarak sy ny nahavoafidy an'i Mohamed Morsi, mpirahalahy miozolomana. Tamin'ny 12 Aogositra 2012, voahongan'i Morsi ihany koa i Anan. Amin'izao fotoana izao, mandeha ny tsaho fa mikasa hirotsaka hofidiana filoham-pirenena i Anan, izay nosoratana fa hotontosaina amin'ny taona 2014.

Tamin'ny volana septambra 2013, nipoitra ny vaovao fa kandidà ofisialy amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena izy, izay nolavin'ity lehilahy ity ihany ora fohy taty aoriana, ary nilaza fa “tsy mbola fotoanany izao.”
Tao anatin'izay roa andro izay, naneho hevitra momba ireo sarin'i Sami Anan vaovao ny mpiserasera, sary manao fitafiana sivily izay mampiseho mazava tahaka ny afisy fampielezan-kevitra.

Sami Anan Poster Iray amin'ireo sary ahitana teny faneva mazava amin'ny fampielezan-kevitra sami anan 2 sami anan 3 Tsy misy milaza fa avy amin'ny loharanom-baovao ofisialy, na ofisialy amin'ny ampahany na tsy ofisialy mihitsy ireo sary ireo.

Voalohany, manadihady izay mety ho dikan'izany eo amin'ny sehatra politika izany, indrindra indrindra manoloana ny fanentanana mandrisika ity Lehiben'ny Tafika ankehitriny sady Minisitry ny Fiarovan'ny Tafika ity, ny jeneraly Abdel Fattah Al Sissi mba hirotsaka kandidà hofidiana ho filoham-pirenena.

Bilaogera Ejypsiana malaza The Big Pharaoh nisioka hoe:

Ankahalain'i Sisi i Sami Anan izay tahaka ny hirotsaka ho filoha. Misy ihany koa ireo miampanga azy ho miara-miasa amin'ny Mpirahalahy Miozolomana hatramin'ny nahazoan'izy ireo ny fitondrana.

Mpanao fanadihadiana ara-politika manampahaizana manokana momba ny tantaran'ny tafika ejipsiana Tewfik Aclimondos manome fijery fanampiny [fr]:

Une info de youm 7 dit que le général Sami Inâne sera le candidat à la présidence des foulouls, les ennuis judiciaires de Shafiq étant plus sérieux qu'on ne le pensait. Si c'est exact, cela confirme les tensions entre les foulouls et al Sissi. Faut toutefois manier l'info avec prudence: Inâne a été présenté aussi; il y a quelques semaines, comme le candidat des frères. Deux choses sont certaines: il veut être candidat et son électorat sera contre révolutionnaire.

Milaza ny “Vaovao avy amin'ny gazety Al Yom al Sabaa (Andro Fahafito) fa ho kandidàn'ny felool (mpanohana ny fitondran'i Hosni Mubarak) i Anan Sami ary satria toa manana olana ara-pitsarana goavana tsy araky ny nampoizina azy i Ahmad Shafik's (kandidà filoham-pirenena teo aloha sy praiminisitra farany tamin'ny fitondran'i Moubarak). Raha marina izany, dia voamarina ny fifandraisana mangatsiaka eo amin'ny mpanohana ny fitondrana teo aloha sy ny jeneral Al Sissi. Mila malina amin'ny filazam-baovao anefa ny tsirairay: herinandro vitsy lasa izay, natolotra ho kandidà avy amin'ny mpirahalahy [miozolomana] i Anan. Zavatra roa no azo itokisana: te-ho kandidà izy ary ireo mpanohitra ny revolisiona no ho mpifidy azy

Sarotra ialàna ny fahazaran'ny ejipsiana manao vazivazy ary nanjary lohahevitra nihomezana avy hatrany i Anan.

Namazivazy ilay ankafizin'i Twitter amin'ny fampifangaroan-teny Hecham Mansour:

Sami Anan, mety ho tratran'ny Alzheimer aho saingy misaotra an'Andriamanitra fa tsy voan'izany.

Nanjary malaza ireo sarin'i Anan, ka noforonina ny teny ifankafantarana [ar] #صور_سامي_عنان (#Sarin'iSamiAnan), sy ny pejy Facebook (Fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena an'i Sami Anan mba ahafahantsika mianatra Photoshop) ary nisy ihany koa aza ny tumblr noforonina. 

Feno sary, fanehoan-kevitra sy vazivazy ny tontolon'ny bilaogy ejipsiana.

Nisy ireo toa nitia izany:

Mahafaty ahy (manapa-tsinay) ny fihomehezana amin'ny Samy Enan ho filoha. Mampitokelaka

…ny sasany kosa hita fa leo…:

Leon'ny fihomehezana an'i Sami Anan amin'ny fitiavan'Andriamanitra ry zareo

Ny fihomehezana (meme) ateraky ny Sami Anan ho filoha no (solon'ny) fihomehezana nataon'i Hazem Salah Abu Ismail. Eo amin'ny lafiny hoe tsy dia mampihomehy loatra izy roa ireo.

Mbola mahaliana kokoa ny fipongaran'ny tsaho sahala amin'itony, rehefa fantatra fa nanambara ny minisitry ny raharaham-bahinin'i Ejipta Nabil Fahmy fa hotontosaina amin'ny Febroary na Marsa 2014 ny fifidianana parlemantera, ary hotontosaina amin'ny ‘fahavaratra’ ho avy io ny fifidianana filoham-pirenena.

Mety tsy ho kandidà i Anan, avela kandidà manirery, saingy efa olomangan'ny fampihomehezana (meme) sahady izy ho an'ny mpiserasera Ejipsiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.